[Page principale | Nouveautés | La Bible | Chant- Cantiques]

 

Ny vavaka

G. André

 

“La prière”

Bibles et Publications Chrétiennes

30, rue Châteauvert 26000 Valence (France)

 

 

Sasin-teny

FAMPIDIRANA

1       Inona no atao hoe vavaka?

2       Nahoana no mivavaka?

2.1         Misaotra sy mitsaoka

2.2         Mangataka

2.2.1      Raha misy zavatra mahatery: mitalaho

2.2.2      Manambara ny fangatahantsika

2.2.3      Mangataka araka ny sitrapony

2.3         Manalalana

2.4         Miaiky ny fahotantsika

3       AHOANA NO FOMBA HIVAVAHANA?

3.1         Fihetsika ivelany

3.1.1      Iza no hiarahana mivavaka?

3.2         Toetra ara-moraly

4       AMIN’NY FOTOANA INONA NO MIVAVAKA?

4.1         Ny fahavononana hivavaka

4.1.1      Mivavaka tsy mitsahatra (1 Tesaloniana 5. 16)

4.1.2      Mivavaka mandrakariva (Efesiana 6. 18)

4.1.3      Mivavaka “amin’ny zavatra rehetra” (Filipiana 4. 6)

4.1.4      Mivavaka “eny tontolo eny” (1 Timoty 2. 8)

4.2         Ny vavaka isan’andro, amin’ny fiainana manokana na ny fiainam-pianakaviana

4.3         Ny vavaka mifandraika amin’ireo dingana eo amin’ny fiainana

5       IREO LEHILAHY SY VEHIVAVY MAROMARO, OLON’NY VAVAKA, AO AMIN’NY BAIBOLY

5.1         Hana (1 Samoela 1 sy 2)

5.2         Samoela

5.3         Elia

5.4         Mosesy

5.4.1      Ahoana no fomba fivavak’i Mosesy?

5.4.2      Mosesy mpanalalana

5.4.3      Ny nahafantaran’i Mosesy miandàlana hoe iza Andriamanitra

6       IREO VOKATRY NY VAVAKA

6.1         Ny fiadanan’Andriamanitra

6.2         Ny fifaliana noho ny valim-bavaka

6.3         Ny fankasitrahana (fisaorana)

6.4         Ny fiombonana

6.5         Ny faharetana

6.6         Ny fahafoizan-tena

6.7         Manome fiainana

6.8         Ny fanafahana

6.9         Mahatakatra ny sitrapon’Andriamanitra

6.10       Mampahiratra ny maso

7       ILAY OHATRA FARA-TAMPONY

 

Sasin-teny

Ity boky ity dia natao hamaliana ny hetaheta matetika ambara, mba hananana famelabelarana tena tsotra, azo ampiharina , momba ny lafiny samihafa mikasika ny vavaka. Ndeha hangataka amin’Andriamanitra mba hanampy antsika rehetra, na tanora na lehibe, hahay hamantatra bebe kokoa ny lanjan’izany, ary indrindra, mba hampihatra izany tsy an-kijanona, amin’ny fifaliana sy amin’ny fankasitrahana. Ny Tompo Jesoa Izy tenany mihitsy no nanome ohatra ho antsika ny amin’izany.

G. André

Marihina fa misy tsongandahatsoratra ifotony izay miverimberina matetika ato amin’ity asasoratra ity. Araka ny hevitray, noho ny lanjan’izy ireo, dia mendrika hodinihina amin’ny lafiny samihafa izy ireo.

 

 

NY VAVAKA

 

Tompoko, mampianara anay hivavaka.

(Lioka 11. 1)

 

FAMPIDIRANA

 

1         Inona no atao hoe vavaka?

 

Tombontsoa ahafahana miresaka amin’Andriamanitra:

Amin’ny fahalalahan’ny zanaka manoloana ny rainy,

Ary amin’ny hovitra masin’ny olona mety maty manoloana an’Andriamanitra.

Fihirana 90/3

 

Mosesy dia manome ohatra mahavariana tokoa momba ny vavaka ao amin’ny Testamenta Taloha. Noho ny andraikitra goavana nitambesatra taminy, dia “niditra tao amin’ny trano lay fihaonana Mosesy mba hiteny amin’Andriamanitra” (Nomery 7. 89). Niala lavitry ny vovoky ny tany hay sy ny tabataban’ny toby izy, ka niditra tao amin’ny fahanginan’ny fitoerana masina. Voalohany aloha, dia “nandre ny feo miresaka aminy izy avy tao amin’ny rakotra fanaovam-panavotana”,  izay vao “niresaka Taminy”. Mihaino aloha, izay vao miteny. “Ary Jehovah niteny nifanatrika tamin’i Mosesy, tahaka ny olona miresaka amin’ny sakaizany” (Eksodosy 33. 11). Mbola lehibe noho izany ny tombontsoan’ny kristiana: miresaka amin’Andriamanitra izy, tsy toy ny amin’ny “sakaizany” ihany, fa  mihaino Azy sy miresaka Aminy toy ny amin’ny Rainy; efa nambaran’i Jesoa sahady tamin’ny mpianany izany: “Raha mivavaka ianareo, dia ataovy hoe: Ray ô” (Lioka 11. 2).

Na izany aza, tsy miantefa amin’ny Ray ihany akory ny vavaka; hoy i Paoly: “Izany no nagatahiko in-telo tamin’ny Tompo” (2 Korintiana 12. 8); raha notoraham-bato i Stefana, dia nivavaka tamin’ny Tompo Jesoa izy. Fa raha ny tena izy, dia mivavaka amin’ny Ray isika, Izy no andrandraintsika momba izay rehetra mikasika antsika na mahaliana antsika: izany no atao hoe fiankinan-doha.

Ny fiahiany antsika no manome antsika ny fahalalahana hiresaka Aminy tsy am-pihambahambana: izany no atao hoe fahatokisana.

Ny fototr’izany dia ny finoana miorina ao amin’ny fitiavany sy ny heriny. Tsy hoe hibaiko an’Andriamanitra hanao izay tiantsika isika, fa kosa, amin’ny famborahana Aminy ny zavatra ilaintsika, dia matoky ny fahendreny sy ny famindrampony izay be lavitra noho izay mety ho heverintsika. Nifidy ny hanome antsika , ho valim-bavaka, zavatra be dia be izay tsy ho nomeny raha tsy nisy vavaka: “Tsy manana ianareo, satria tsy mangataka” (Jakoba 4. 2). Noho izany, porofo maharitra no ananantsika fa miresaka amin’Ilay Andriamanitra velona isika, ary voatarika hiombona Aminy lalindalina kokoa ny fanahintsika.

Miresaka amin’Ilay Andriamanitra tsy hita maso isika, nefa tena manatrika eo, izay manana hery sy fahendrena tsy hay lazaina, izay tia antsika ary liana amintsika sy izay rehetra olana eo amintsika. Azony ny manjo antsika ary te-hanampy antsika Izy. Nomeny antsika ny Zanany, koa “homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa ny zavatra rehetra”(Romana 8. 32).

Hoy ny mpanoratra iray: “Ny fahasambarako, dia ny mamelabelatra Aminy ny zavatra rehetra, mahatsiaro fa miankina Aminy, ary matoky fa, noho ny fitiavany, dia homeny hery ny foko, satria mahazo toky aho fa tsy hitsahatra ny fikarakaràny ahy”.

Tianay ny handinika io lohahevitra momba ny vavaka io, amin’ny fomba tena tsotra, ary nozarainay toy izao ity asasoratra ity: (pejy 77)

 

 

2         Nahoana no mivavaka?

Voalohany indrindra, mba hanatonantsika an’Andriamanitra ary hiresaka Aminy. Ny epistily ho an’ny Hebreo dia mampiasa matetika io matoanteny hoe “manatona” io. Manatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana isika (4. 16). Manatona an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy, Izay manao fifonana ho antsika isika (7. 25). Manatona amin’ilay lalana vaovao sy velona isika (10. 19-22). Nefa hoy ny Hebreo 11. 6 amintsika hoe: “Izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy”. Ny olona izay mety hanana finoana kely dia kely, nefa mahatsapa ny fisian’Andriamanitra, dia efa afaka manatona Azy. “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy” (Jakoba 4. 8). Fahiny i Asafa dia efa niteny hoe: “Fa, izaho, dia ny ho akaikin’Andriamanitra no mahatsara ahy.”(Salamo 73. 28). Nihevitra izy aloha fa tezitra taminy Andriamanitra; tsy afaka nanaiky ny fahombiazan’ny ratsy fanahy izy, raha nijery ireo olany manokana. Kanefa, rehefa niditra “tao amin’ny fitoeramasin’Andriamanitra” izy, dia azony ny dikany[1]. Raha nanontany ny Tompo momba ilay mpamadika i Jaona, ilay mpianatra “tian’i Jesoa” dia “niraika ho amin’ny tratran’i Jesoa” izy (Jaona 13. 23,25).

Manatona an’Andriamanitra isika amin’ny maha Mpahary Azy, “Izay nihavian’ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika” (1 Korintiana 8. 6): manatona ilay Mpanavotra isika, izay nandamina ny zavatra rehetra mba hanafahana antsika amin’ny fahefan’i Satana ary hitondrana antsika ao amin’ny fanjakàn’ny Zanany malalany; mihoatra noho izany aza, manatona ilay Ray izay “tia anareo” isika (Jaona 16. 27),  ary ny Tompo Jesoa, “ilay Namana tia mihoatra noho ny rahalahy”, izay miara-mitondra amin’ny olony izay rehetra miseho amin’ny fiainan’izy ireo.

Ho an’ny Isiraelita, dia tao ambadiky ny lamba (ao amin’ny fitoerana masina) i Jehovah (2 Tantara 6. 1). Ho an’i Mpitoriteny, “Andriamanitra dia any an-danitra, ary ianao etỳ an-tany, koa aoka ho vitsy ny teninao” (Mpitoriteny 5. 2). Fa ho an’ny zanak’Andriamanitra kosa, dia akaiky Izy, toy ny miteny hoe: Avia, manatòna, aza matahotra. Afaka manao izany isika satria manana mpisoronabe, izay “mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy” (Hebreo 7. 25). Fa “Kristy… niditra… ho any an-danitra tokoa” (9. 24), “nahazo fanavotana mandrakizay”; nefa satria tetỳ an-tany Izy ka nahalala ny hasarotry ny lalana, dia afaka “miara-mitondra ny fahalementsika” (4. 15).

Manatona “ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana mba hahazoantsika famindrampo” isika (4. 16). Sarotra tokoa ny manatona mpanjaka iray.Nanao vy very ny ainy tamin’izany i Estera (4. 16). Ankehitriny isika dia ankasitrahan’Andriamanitra; tsapany ny fahalementsika; ary aloha lavitra ny hanolorana antsika ny “famonjena amin’ny fotoana ilàna izany”, dia maneho amintsika ny “famindrampony” Izy.

Ndeha àry ho jerentsika ny tanjona hanatonantsika an’Andriamanitra.

 

 

 

2.1        Misaotra sy mitsaoka

Ny olona tsy mino dia tsy mba misaotra an’Andriamanitra (Romana 1. 21), nefa ny voalohan-tenin’ny vao nateraka tao amin’ny finoana dia hoe: Misaotra, Tompo ô! – “Misaotra ny Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin’ny lovan’ny olona masina eo amin’ny mazava” (Kolosiana 1. 12).

Azo lazaina fa ny fisaorana no votoatin’ny vavaka rehetra: “Mahareta amin’ny fivavahana, ka miambena amin’izany amin’ny fisaorana” (Kolosiana 4. 2). “Aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra” (Filipiana 4. 6). Fahiny, dia tamin’ny fandohalehana in-telo isan’andro no nivavahan’i Daniela, ary “nivavaka sy nisaotra teo anatrehan’Andriamaniny” izy (Daniela 6. 11). Kanefa dia babo izy ary notandidomin-doza lehibe. Tsy nanakana azy tsy hisaotra izany.

Raha hitsaoka an’Andriamanitra, dia ilaina ny fahatsapana lalina ao anaty ny fankasitrahana, ny fisaorana. Amin’ny tranga faran’izay sarotra, dia manana antony tokony hisaorana an’Andriamanitra foana ny mpino. “Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin’ny alalany ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany” (Hebreo 13. 15).

Mitsaoka ny Ray isika, fa mitsaoka an’i Jesoa koa: “Ho an’Ilay tia antsika sy nanasa ny fahotantsika tamin’ny rany… Ho Azy anie ny voninahitra”[2].

Tsy mitsaoka ny Fanahy Masina isika, kanefa “manompo amin’ny Fanahin’Andriamanitra” (Filipiana 3. 3), ary “mivavaka ao amin’ny Fanahy” isika (Efesiana 6. 18). Rehefa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika, dia “ny Fanahy no mifona amin’ny fitarainana tsy azo tononina” (Romana 8. 26).

 

 

2.2        Mangataka

Amin’ireo tranga samihafa eo amin’ny fiainana, dia matetika kokoa isika no mangataka: be tokoa mantsy ny zavatra ilaintsika! Ny Soratra Masina dia milaza hoe “mivavaha mandrakariva… amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana” (Efesiana 6. 18). Ndeha hiezaka hamantatra ireo vavaka samihafa karazana ataontsika amin’Andriamanitra, kanefa tsy hanadino ny vontoatin’ny vavaka, dia ny “fisaorana”.

 

2.2.1        Raha misy zavatra mahatery: mitalaho

Amin’ny fahoriana, amin’ny loza mananontanona, amin’ny zavatra tsy maintsy ilaina, dia miantso an’Andriamaniny ny mpino. Raha nilaozan’ny rehetra i Davida, dia niery tao amin’ny zohy nanaovany ny salamo 142: “Ny feoko no itarainako amin’i Jehovah; ny feoko no ifonako amin’i Jehovah. Loarako eo anatrehany ny fitarainako; ambarako eo anatrehany ny fahoriako” (and 1-2). I Petera, raha nahita ny rivotra mahery ka nanomboka nilentika tany an-dranomasina, dia niantso hoe: “Tompo ô! Vonjeo aho”(Matio 14. 30). Tsy nampiandry azy ela i Jesoa: “Niaraka tamin’izay”, dia naninjitra ny tànany Izy ary nandray azy. Amin’ilay fanoharana momba ireo mpisakaiza telo lahy, dia tsy manana mofo ho an’ilay vahiny ilay mpampiantrano. Inona àry no hatao? Nankany amin’ilay sakaizany “amin’ny mamatonalina” izy, ka nilaza taminy hoe: “Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho” (Lioka 11. 5).

Raha mahatsapa tena ho diso ka milanja ny vokatr’izany ve ny olona dia afaka miantso Azy? Ny salamo 130 no manome antsika ny valiny: “Tao amin’ny lalina no niantsoako anao, Jehovah ô, Tompo ô, henoy ny feoko; aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon’ny fifonako. Raha mandinika heloka Ianao, Jehovah ô, iza no hahajanona, Tompo ô? Fa eo aminao no misy ny famelàn-keloka, mba hatahorana Anao” (Salamo 130. 1-4).

“Ndeha hatao hoe very ny fifandraisan’ny fanahiko amin’Andriamanitra; ny foko araka ny nofo dia hilaza hoe: “Tsy maintsy hahitsiko ny zavatra nahatonga izany, alohan’ny hahazoako manatona an’i Kristy”. Kanefa feno fahasoavana Izy, ary raha fantatsika izany, ny adidintsika dia ny miverina ho eo aminy miaraka amin’izay, amin’ny maha-antsika antsika, ary avy eo, dia manetry tena lalina eo anatrehany. Tsy misy afa-tsy ao Aminy sy amin’ny alalany no hahitantsika ny fanarenana ny fanahintsika” (J. N. Darby).

“Mangataha, dia homena ianareo”, hoy i Jesoa tamin’ny mpianany (Lioka 11. 9). Homena anareo… tsy hoe tsy maintsy ny zavatra nangatahinareo akory, fa ny zavatra izay heverin’Andriamanitra, amin’ny fahendreny, ho tsara ho anareo. Na dia ny ray etỳ an-tany aza dia mahay manome ny zanany “zava-tsoa”; tsy voatery hifanaraka amin’ny fanirian’izy ireo akory izany! “Tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome?” (Lioka 11. 13).

Noho izany, amin’ny zavatra mahatery, dia afaka matoky ny fahamorampo sy ny fahendren’ny Raintsika isika. Nefa tsy manakana antsika tsy hivavaka izany, amin’ny toerana rehetra, amin’ny fotoana rehetra, eo anoloan’ny zava-misy rehetra.

 

2.2.2        Manambara ny fangatahantsika

Ao amin’ny Filipiana 4. 6, dia tsy fahoriana manokana akory no antony hiantsoana an’Andriamanitra. Fa, “aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra”. Ny fo izay mitady fanamaivanana dia mamboraka ny mahavesatra azy amin’ny fahatsapana ny fiahian’Andriamanitra antsika. Apetraka Aminy ny enta-mavesatra, ny fanahian’ny tena (1 Petera 5. 7). Apetraka amin’i Jehovah ny làlan-kombàna, miankina Aminy, “ary hataony tanteraka” izany (Salamo 37. 5). Apetraka eo anoloany izay rehetra manahirana antsika, ary tsy manontany Azy izay mety ho vaha-olana, na lalana hivoahana, fa kosa matoky Azy. Ny vokany, dia tsy ny valin’ny vavaka araka izay nangatahintsika eo no ho eo akory, fa kosa “ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, (izay) hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesoa”.

Mampahery antsika ny miresaka ny olantsika amin’ny olona iray, fa ny mamboraka izany amin’Andriamanitra Raintsika kosa dia manome fiadanana, fahatokisana fa hiasa Izy. “Fa raha toa ahy kosa dia hitady an’Andriamanitra aho, ary Andriamanitra ihany no hotolorako ny teniko”, hoy i Joba (5. 8).

 

2.2.3        Mangataka araka ny sitrapony

Manome toky antsika ny 1 Jaona 5. 14-15 fa hovaliana ny vavaka toy izany: “Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy; ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantsika fa azontsika izay angatahintsika Aminy”. Izany koa no teny fampanantenana nataon’ny Tompo Jesoa Izy tenany mihitsy: “Ary na inona na inona no hangatahinareo amin’ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin’ny Zanaka. Raha mangataka zavatra amiko amin’ny anarako ianareo, dia hataoko izany” (Jaona 14. 13-14).

Kanefa, atao ahoana no fangataka zavatra “araka ny sitrapony” raha tsy tena fantatsika akory izany sitrapony izany? Omen’ny Tompo Jesoa antsika ny tsiambaratelon’izany: “Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany” (Jaona 15. 7). Miaina ao anatin’ny fiombonana Aminy, vokin’ny Teniny, ary mankatò Azy (and 10), izany no ahatonga antsika hahay hamantatra izany sitrapon’Andriamanitra izany.

Romana 12. 1-2 dia mametraka fepetra samihafa ho fototr’izany: Manolotra ny tenantsika ho fanatitra velona — tsy manaraka ny fanaon’izao tontolo ankehitriny izao— miova amin’ny fanavaozana ny saintsika. Amin’izay, dia ho afaka hamantatra ny sitrapon’Andriamanitra ny olona. Ny 1 Jaona 3. 22 dia mbola manoritra ihany fa: “Ary na inona na inona no angatahintsika dia raisintsika Aminy, satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika”.

Raha miaina eo akaikin’ny Tompo isika, vokin’ny Teniny, mamantatra ny fikasàny momba ny fiainantsika, dia hahay hangataka araka ny heviny isika. Kanefa mora koa ny andraisantsika ny faniriantsika manokana ho toy ny sitrapon’Andriamanitra. Koa, raha mihevitra isika fa azontsika io sitrapon’Andriamanitra io, dia tsy maintsy jerena raha mifanaraka amin’ny Teniny ny “valiny”, — raha resy lahatry ny Fanahy Masina isika, — ary raha manamarina izany ny zava-miseho. Ireo zavatra telo ireo dia noharina tamin’ny jiro telo izay tsy maintsy hitan’ny mpanamory fiaramanidina milahatra tsara eo anoloany, rehefa mitady ny lalana tokony hipetrahana izy, alohan’ny hametrahany ilay fiaramanidina.

Ny Fanahy ao anatintsika dia mety hampahafantatra antsika fa tsy tokony hivavaka ho an’ny zavatra iray isika, fa io zavatra io dia tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra (ohatra 1 Jaona 5. 16). Jakoba (4. 3) dia mampitandrina fa mety ho “diso fangataka [ianareo], mba holaninareo amin’ny filànareo”.

Mbola ampiana koa (1. 5) hoe: “Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa”. Izany no vavaka manokana nataon’i Solomona. Tamin’ny fiandohan’ny fanjakàny, raha nandimby ilay rainy izay olona nisongadina tokoa izy, dia hoy izy tamin’Andriamanitra hoe: “Koa omeo fahendrena sy fahalalana aho hitarihako ireto vahoaka ireto mivoaka sy miditra” (2 Tantara 1. 10). Tsy efa matetika ve no niseho tamintsika, fa rehefa mangataka tsotra amin’Andriamanitra io fahaiza-mamantatra ilaina eo amin’ny zavatra diavintsika io isika, dia namaly antsika araka ny teny fampanantenany Izy?

Toe-javatra izàrana lalandava izany, mitaky finoana, “tsy hiahanahana akory” (Jakoba 1. 6); kanefa koa fatokiana ny fahatsaràn’Andriamanitra izay mahay manatanteraka araka ny fahafantarany ny zavatra rehetra; farany, ny fiankinan-doha, izay manaiky ny sitrapo asehon’Andriamanitra.

Rehefa mandalo zava-tsarotra, dia mety mikomy ny olona, tsy manaiky io sitrapon’Andriamanitra io; na mampionon-tena, mijanona tsy mivavaka intsony; na koa, mahazo ny fandresena amin’ny fanekena ny fizahan-toetra avelan’ny Tompo hiseho, amin’ny fahatsapana fa Izy dia mahalala kokoa noho isika izay zavatra tsara ho antsika.

 

 

2.3        Manalalana

Ny manalalana, dia ny mivavaka ho an’ny hafa, indrindra ho an’ireo mpino, nefa koa ho an’ireo fanahy very, ary manam-pitiavana ho an’ny tsirairay.

Epafra dia “mikely aina mandrakariva amin’ny fangatahana ho anareo, mba hitoeranareo marina, ka hatoky tsara amin’izay rehetra mety ho sitrapon’Andriamanitra” (Kolosiana 4. 12). I Samoela dia tsy nety “hitsahatra tsy hangataka  ho anareo”, hoy izy tamin’ny Isiraely talohan’ny hialàny tsy ho mpitsara intsony. “Hanota amin’i Jehovah” izy raha tsy nanao izany.

Manalalana antsika ny Tompo Jesoa; manalalana antsika ny Fanahy Masina; koa tsy mba hanalalana ireo rahalahintsika va isika? Ary voalohany indrindra ho an’ny fianakaviantsika. Nivavaka ho an’i Sodoma i Abrahama noho ireo olo-marina izay nety ho tao, fa indrindra satria nanantena izy fa mba ho hafahana i Lota. Ny ray aman-dreny dia manalalana manokana ho an’ireo zanany; ireo zanaka koa dia afaka manao izany ho an’ny ray aman-dreniny, indrindra rehefa hitany fa azom-pahoriana izy ireo.

I Joba dia nivavaka ho an’ireo namany, na dia ratsy aza ny zavatra nataon’izy ireo taminy. Naverin’Andriamanitra tamin’ny toerany taloha izy, taorian’io fanalàlana io, tamin’ny nanomezany azy indroa avo heny izay nananany teo aloha (Joba 42. 10).

Impiry impiry moa i Paoly no manalalana ho an’ireo fiangonana,  ary zavatra niteraka fanahiana teo aminy isan’andro izany. Amin’ny ankamaroan’ireo epistiliny, dia mampahatsiahy foana izy  fa mivavaka, indraindray andro aman’alina, ho an’ireo olona anoratany.

Antsoina isika hivavaka ho an’ny Filazantsara amin’ny ankapobeny, mba “hamohan’Andriamanitra varavarana”, toy ny hiantsoana antsika hivavaka ho famonjena ny fanahin’ny olona anankiray. Ary ny Teny dia mametraka manokana ao am-pontsika ny fitiavana hivavaka ho an’ireo mpanompon’Andriamanitra: “… ary ho ahy koa…”, hoy i Paoly (Efesiana 6. 19).

Hoy ny apostoly raha nanoratra ho an’ny Tesaloniana izy: “Ry rahalahy, mivavaha ho anay” (5. 25). Ny Tompo Jesoa mihitsy no nanasa ny mpianany hoe: “Mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra” (Matio 9. 38). Nangataka tamin’ny Korintiana i Paoly mba hiara-hiasa aminy, amin’ny fitalahoana ho azy sy ireo namany, “mba hisaoran’ny maro ny aminay noho ny fahasoavana azonay tamin’ny nataon’ny maro”. Ny fiangonana dia nivavaka ho an’ireo mpanompo; nanome ny fahasoavany ny Tompo ho valin’izany fanalàlana izany; ny setrin’izany dia fisaorana ataon’ny olona maro.

Fa miitatra ihany ny olona voakasika ny fanalàlana. Ampirisihan’ny Tompo ny olona mba hivavaka “ho an’izay manenjika anareo” (Matio 5. 44). Raha nanoratra tamin’i Timoty (2. 1) i Paoly, dia nampirisika azy mba hanalalana “ho an’ny olona rehetra”, ary “ho an’izay rehetra manana fahefana”.

Ao amin’ny Isaia 59. 16, manoloana ny faharatsiana tsy mitsaha-mitombo teo amin’ny vahoakany, dia gaga Jehovah fa “tsy nisy olona… tsy nisy mpanalalana”. Isika ve mba mpanalalana ho an’ny fiangonana eo an-toerana misy antsika? Amin’ny toerana maro, dia misy rahalahy izay manokana isan’andro minitra vitsivitsy, raha azo atao amin’ny ora efa voafaritra mialoha, mba hivavahana ho an’ny fivoriana. Ary azo antoka fa mamaly ny Tompo ka manome ny fitahiana sy ny fahaiza-manavaka zavatra ilaina amin’izany.

 

2.4        Miaiky ny fahotantsika

Ny mpaminany Hosea dia nanambara izao zavatra izao avy amin’i Jehovah: “Mitondrà teny ianareo, eny, miverena amin’i Jehovah, ka manaova aminy hoe: mamelà ny heloka rehetra” (Hosea 14. 3). Tsy maintsy nambara ny fibebahana sy ny fiaikena heloka, manatona miaraka amin’ny “teny”, izay vavolombelona amin’ny alahelo tsapa satria naniratsira an’Andriamanitra tamin’ny zavatra natao. Mety ho fiaikena heloka hiarahana atao io, indrindra raha toy ny tao amin’ny 1 Korintiana 5; fa alohan’ny zava-drehetra, dia mahakasika ny tsirairay avy aloha izany fiaiken-keloka izany, araka ny voalazan’ny 1 Jaona 1. 9: “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra”.

Ny Salamo 32 dia mampiseho fa io fiaikena heloka io dia miantefa voalohany indrindra amin’Andriamanitra Izy tenany mihitsy: “Ny fahotako nambarako taminao… Hoy izaho: Hiaiky ny fahadisoako amin’i Jehovah aho; ary Ianao dia namela ny heloky ny fahotako” (and 5). Ao amin’ny Salamo 51, dia manoritra i Davida hoe: “Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko” (and 4). Tsy hoe mangataka famelan-keloka fotsiny, fa manambara amin’Andriamanitra amin’ny antsipiriany ny ratsy natao, ary mahatsapa tanteraka ny lanjan’izany tamin’ny nitondran’i Kristy io fahotana io teo amin’ny hazofijaliana. Koa mahatoky sy marina Andriamanitra ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.

Arakaraka ny zava-misy, dia mety koa ilaina ny fiaikena heloka manoloana ilay olona notsiratsiraina na nasian-dratsy, ary mety ampiarahana amin’ny famerenana ilay zavatra izany, araka ny ampianaran’ny Levitikosy 5. 5-21 sy Nomery 5. 7 azy.

Jakoba 5. 16 dia milaza amintsika koa ny momba ny fifanekena heloka, mba “hifampivavaka, mba ho sitrana ianareo”. Aoka ho marihina fa ny hoe “mifaneke” dia sady miantefa amin’ny tsirairay no samy ataon’ny roa tonta. Io fiaikena heloka[3] io dia midika fa tsiambaratelo tanteraka amin’ilay olona hiaikena heloka izany zavatra izany. Mety ho fanampiana tena tsara amin’ny fiainana izany, mba hisorohana ny fahalavoana indray. Ho valin’ny vavaka fanalàlana, dia tsy ara-batana ihany akory ny “fahasitranana”; misy koa ny lafiny ara-panahy, toy ny ao amin’ny Hebreo 12. 13.

 

3         AHOANA NO FOMBA HIVAVAHANA?

 

Ahoana, amin’ny fomba ahoana, no hanatonana an’Andriamanitra?

 

3.1        Fihetsika ivelany

Midira ao amin’ny efitranonao”, hoy ny Tompo Jesoa (Matio 6. 6) “dia mivavaha amin’ny Rainao Izay ao amin’ny mangingina”. Ny 2 Mpanjaka 4. 1-6 dia manome ohatra antsika momba izany. Irery tao an-tranony ilay reny sy ny zanany miralahy, ary nanangona vilany foana izy ireo. Telo fotsiny izy, nefa nisy Iray nanatrika teo. Tao anatin’ny fahoriany no niantsoan’ilay reny an’i Elisa hoe : Ahoana no fomba hamonjeko ireto ankizy ireto tsy ho eo am-pelatànan’ny tompon-trosa (ho antsika, eo am-pelatànan’i Satana)? Nalainy ilay menaka kely, naidiny, ary tao amin’ny fahanginan’ity trano kely ity no niseho ny fahagagana. Rehefa feno daholo ireo vilany, dia nitsahatra ilay menaka. Araka ny fatran’ny finoany, sy ny finoan’ireo zanany izay nitondra ireo vilany foana, no namalian’Andriamanitra. Tsy aderadera toy ny an’ny Fariseo ny vavaka atao (Matio  6. 5), na dia misy ihany aza tranga izay tokony tsy anafenana fa mivavaka, toa an’i Daniela tao an’efitranony ambony rihana (Daniela 6. 10).

Tsy misy mahasolo io fiombonana amin’ny Tompo ao amin’ny “mangingina” io. Izany no anasany ny olona izay hamoha ny varavarana dondoniny: “Raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho, ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko” (Apokalypsy 3. 20). Tsy ny Tompo Jesoa Izy tenany mihitsy ve no nanome ohatra momba izany, vao marainakoa, amin’ny hariva be, ary indraindray aza ny alina iray manontolo? Tao an- tranon’i Petera izay nipetrahany tany Kapernaomy, dia angamba tsy nisy efitra nahazoany nitokana irery, hany ka “nifoha marainalina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany” (Marka 1. 35).

Tsy lavina fa azo atao ny mivavaka na aiza na aiza (1 Timoty 2. 8). I Paoly dia nivavaka tany an-tranomaizina; ao amin’ny Asa 21. 5 izy dia nandohalika teo amoron-dranomasina, niaraka tamin’ireo mpino tao Tyro. “Any am-paran’ny tany no hiantsoako Anao”, hoy ny mpanao salamo (Salamo 61. 2; jereo Salamo 139. 9-10). Tao an-kibon’ilay hazandrano i Jona no niantso an’i Jehovah, raha tao anaty fahoriana lalina (Jona 2. 2-3).

Mety koa ny miresaka amin’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra. Manoritra izany ny Efesiana 6. 18, ary manampy hoe: “miambena amin’izany amin’ny faharetana”. Nisy toe-javatra nanahirana tokoa nolalovan’i Nehemia, raha nanontany azy ny mpanjaka  hoe maninona no malahelo tarehy izy, ary niankinan’ny ainy ny valinteniny, nandritra ny fanasana izay nanolorany ny divay ho an’ny mpanjaka; dia hoy i Nehemia : “Dia nivavaka tamin’Andriamanitry ny lanitra aho aloha, dia vao niteny tamin’ny mpanjaka…” (Nehemia 2. 5). I Davida dia naniry hitoetra “ao an-tranon’i Jehovah amin’ny andro rehetra hiainany” (io no fitoerana masina), ary anisan’ny zavatra ataony amin’izany ny “mandinika ny tempoliny”. Tsy indray mandeha ihany, fa amin’ny fotoana rehetra.

Inona no fihetsika atao rehefa mivavaka? Matetika ny mpino dia mandohalika, toa an’i Paoly niaraka tamin’ireo loholon’i Efesosy ao amin’ny Asa 20. 36, na ny Tompo Izy tenany mihitsy tao Getsemane. Nefa misy hita mitsangana koa, toa an’i Josafata ao amin’ny 2 Tantara 20. 5. Ao amin’ny 1 Tantara 17. 16, dia nipetraka teo anoloan’i Jehovah i Davida. I Jona indray, na ilay jiolahy teo ambony hazofijaliana, dia tsy ny fihetsiny ivelany, fa ny fony, no niteny. Ary izany no misy lanjany. Fombantsika ao amin’ny fivoriana ny mitsangana rehefa mivavaka, fa ny rahalahintsika miteny anglisy kosa dia mipetraka. Na vavak’olon-tokana, na vavaka iombonana, dia tsara raha manaraka ny fomba fisainana eo amin’ny toerana misy anao, fa ny ambonin’ny zava-drehetra, dia ny fahatsapana fa manatrika eo Ilay iantefan’ny vavaka. Ho tsarovana koa ilay fampirisihana ao amin’ny 1 Korintiana 11. 4-5 momba ny vavaka am-pahibemaso.

Indraindray isika dia mahita vavaka miaraka amin’ny fifadian-kanina ao amin’ny Testamenta Vaovao. Ao amin’ny Asa 13. 2-3, raha nandray ny baiko avy amin’ny Fanahy Masina ireo mpaminany sy mpampianatra tao Antiokia, momba an’i Paoly sy Barnabasy, dia nifady hanina izy ireo; dia mbola nifady hanina sy nivavaka ihany izy ireo talohan’ny “hamelany azy handeha”. Raha nanendry loholona teo amin’ny isam-piangonana i Paoly sy i Silasy, “dia nivavaka sady nifady hanina ka dia nanolotra azy ho an’ny Tompo Izay efa ninoany” (Asa 14. 23). Toa efa zary fanaon’i Paoly izany, araka ny 2 Korintiana 6. 5 sy 11. 27 (tononiny misaraka ny hanoanana sy ny hetaheta, ary ny mety ho dikan’izany dia hoe natao an-tsitrapo ireo fifadian-kanina resahiny ireo).

Na amin’ny fifadian-kanina ara-batana (tsy fihinanana mihitsy na fihinanana sakafo kely, nefa kosa tsy mifady rano tsy akory), na indrindra indrindra amin’ny fifadian-kanina ara-moraly (tsy manao zavatra samihafa, izay tsy ratsy tsy akory, fa kosa mba ahafahana mifantoka amin’ny zavatra izay an’Andriamanitra), ny zava-dehibe dia ny fanesorana izay mety tsy hampifantoka amin’ny Tompo, mba hifantoka tanteraka any amin’ny vavaka ny saina aman’eritreritra. Misy fitsipika manokana momba ny fifadiana, amin’ny lafiny ara-moraly, izay omen’ny Isaia 58. 3-7.

Tsy tokony hatao hahazoana sitraka mihitsy ny fifadian-kanina, na inona na inona zavatra mitranga. Raha toa ka mahatsapa ho tarihin’ny Tompo hanao izany indraindray, mba hahazoana fotoana hivavahana na hifantohana tanteraka amin’izany, ny tokony ho ao an-tsaina mandrakariva dia ny fahasoavan’Andriamanitra irery ihany sy ny fahamoram-pony, izay hamaly ny fangatahantsika araka ny fahendreny.

 

 

3.1.1        Iza no hiarahana mivavaka?

 

Voalohany aloha, mazava ho azy, mivavaka irery, ary “tsy mitsahatra”, sady koa manokana fotoana iarahana irery amin’Andriamanitra.

Fa koa miaraka amin’ny fianakaviana, toy ilay vadin’ilay mpaminany maty. Toy inona no ohatra omena ny ankizy raha fantany fa, ho an’ny ray aman-dreniny, ny vavaka dia fifaliana sy tombon-tsoa, fa tsy sanatria adidy izay mahafaly erỳ ny hiala aminy. Ao amin’ny Salamo 128, dia vory manodidina ny latabatra ny fianakaviana. Manatrika eo Jehovah. Fomba ahoana moa no tsy hisaorana Azy… na dia misy vahiny aza!

Ho an’ny fiainam-piangonana, dia manan-danja tokoa ny fivoriam-bavaka. Maro ireo efa nanoratra lava momba izany[4]. Mikasika indrindra indrindra ny amin’ny vavaka no anaovan’ny Tompo ny teny fampanantenany: “Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho” (Matio 18. 20 sy 19). Ao amin’ny Asa 12. 5 dia nahery nivavaka tamin’Andriamanitra ny fiangonana mba hanafahana an’i Petera.

Ny rahalahy izay miteny dia tokony ho azon’ny olona rehetra manatrika eo ; amin’izay dia ho afaka hanampy ny hoe amena amin’ny vavaka ataony izy ireo (1 Korintiana 14. 16). Tsy hoe hampianatra ny sasany amin’ny vavaka akory no atao, na hampirisika azy, na hananatra azy ! Ilay olona izay miteny amin’ny anaran’ny fiangonana dia miresaka amin’Andriamanitra, fa tsy amin’ny olona. Tsy ho lava resaka amin’izany isika, fa ampirisihinay indrindra indrindra ny famakiana ilay bokikely voalaza etsy ambony.

Raha toa manana ny lanjany tokoa ny vavaka ataon’ny fiangonana, dia tsy manakana velively ny fivorian’ny sasantsasany mba hivavaka izany. Ao amin’ny Asa 12, maro ireo mbola nivory nandritra ny alina ary nivavaka tao amin’ny tranon’i Maria (and 12). I “Jakoba sy ny rahalahy” dia tsy teo, araka ny voalazan’ny andininy faha-17. Vondrona kely tokoa izany io nivory io. Niara-nivavaka tamin’ny namany i Daniela (2. 18); niara-mivavaka amin’ny loholona tao Efesosy i Paoly (Asa 20. 36); maro ireo ohatra azo omena.

Farany, zava-tsoa tokoa raha afaka miara-mivavaka ny mpivady, araka ny voalazan’ny 1 Petera 3. 7. Tsy misy zavatra mety hampiray sy mety hampirindra azy bebe kokoa noho izany. Tsy maintsy miambina tsara izy ireo mba tsy hisy na inona na inona amin’ny fihetsik’izy ireo tsirairay, “hampiato ny fivavahany”. Raha sanatria misy izany, dia tsara kokoa ny manatona ny Tompo aloha hiaiky ny fahotana, dia mifanaiky heloka koa avy eo; amin’izay, fo feno fankasitrahana no hiarahana mivavaka indray.

Farany, aoka ho marihina fa misy fihirana, na andininy sasantsasany amin’ny fihirana , izay tena vavaka mihitsy. Aoka isika hihira izany ho toy ny mivavaka. Ho hitanareo mora foana izany.

 

3.2        Toetra ara-moraly

Inona no tokony ho toetra anaty hananana raha hanatona an’Andriamanitra?

Voalohany indrindra, amin’ny fanajana sy fitsaohana. Efa hitantsika, tao amin’ny Mpitoriteny 5. 1, fa: Andriamanitra dia any an-danitra, ary ianao etỳ an-tany. Na dia naneho ny tenany tamintsika ho toy ny Ray aza Izy, aoka tsy ho afaka ao an-tsaintsika  sy ao am-pontsika ny halehiben’Ilay hiresahantsika. Izy no ilay Ray “tsy mizaha tavan’olona, fa mitsara araka ny asan’izy rehetra” (1 Petera 1. 17). Mitaky fanetren-tena izany. Tsy atao maro foana ny teny tononina, maka fotoana hitenenana tsara, mangataka aminy mba hiteny amintsika, toa an’i Samoela fahiny: “Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao” (1 Samoela 3. 10), fa tsy hoe: “Henoy, fa miteny ny mpanomponao”! Na izany aza, ny fifandraisantsika amin’ny Ray dia fifandraisan’ny zanaka izay mahatsapa fa tiana ary manatona Azy am-pahatokiana.

Manana tombontsoa manokana hivavaka amin’ny anaran’i Jesoa sy “ao amin’ny Fanahy Masina” (Joda 20) isika, ary izany dia “mandrakariva” (Efesiana 6. 18). Na dia tsy fantatsika aza “izay vavaka tokony hataontsika, … dia ny Fanahy no mifona amin’ny fitarainana tsy azo tononina” (Romana 8. 26). Ny vavaka nampianarin’ny Tompo Jesoa tamin’ireo mpianany dia mifanaraka amin’ny fotoana niainan’izy ireo. Ho azy ireo, dia “any an-danitra” ny Ray (Matio 6. 9); mbola tsy hoe “ny Raiko sy ny Rainareo”. Mbola tsy nandray ny Fanahy Masina izy ireo (Jaona 7. 39). Misy fomba fanononana vavaka nampianarina azy ireo izany; fa mahagaga tokoa ireo hevitra sy ireo laharam-pahamehana ao anatin’io vavaka io: voalohany indrindra, dia ny voninahitr’Andriamanitra, ny zavatra mampandroso ny fanjakany, izay vao ny zavatra ilaintsika; nefa, amin’ny maha zanak’Andriamanitra antsika, dia tsy nantsoina hamerina vavaka atao tsianjery isika. Miresaka amin’ny Ray na amin’ny Tompo Jesoa isika, amin’ny alalan’ny Fanahy izay hitarika antsika hiteny araka ny tokony ho izy, arakaraka izay zava-misy iainantsika, na irery isika, na miaraka amin’ olona, na ao amin’ny fiangonana.

Hitantsika ao amin’ny Jakoba fa misy toe-panahy telo mifandraika amin’ny vavaka: tsy mangataka (4. 2), na diso fangataka (4. 3), na mangataka amin’ny finoana (1. 6). Ao amin’io epistily io ihany, dia mivavaka manokana ny mpino, raha “azom-pahoriana” (5. 13), na “marary” (5. 14), ary, — araka ny efa hitantsika, — “mifampivavaka” (5. 16). Elia dia olona tahaka antsika ihany, fa mitovy amin’ny antsika ihany koa ny Andriamaniny! (and 17). Mifamatotra lalina amin’ny finoana ny vavaka marina, amin’ny fahatokiana ny fahamoram-pon’Andriamanitra, fa koa amin’ny fahazoana antoka fa Izy irery ihany no afaka mamaly izany vavaka izany. Raha mikatsaka ny sitrapony isika, dia afaka manome antsika antoka Izy fa ho tanteraka izany. Izy no ilay Andriamanitra “manome”.

Misy lanjany koa ny mivavaka amin’ny fieritreretana tsara: “Raha nankasitraka ota tao am-poko aho, dia tsy mba hihaino ny Tompo”, hoy ny mpanao salamo (Salamo 66. 18). Jesoa Izy tenany mihitsy no mamaritra fa ny tsy famelana ny heloky ny rahalahy dia sakana amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra (Marka 11. 25-26). Hoy i Isaia: “Ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare; fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitra” (59. 2). Rehefa niaikena sy tena nambara ny fahotana, dia hivavaka aminao “ny tsara fanahy rehetra… amin’izay andro hahitana Anao” (Salamo 32. 6). Nahatsiaro tena ho afaka mangataka ny vavaka tamin’ny rahalahy ny apostoly satria, hoy izy, “matoky izahay fa manana fieritreretana tsara” (Hebreo 13. 18).

Raha toa ka toa ny tsy misy valiny ny vavaka ataontsika, tsy tokony hitady izay sakana mahatonga izany ve isika? Mety ho avonavona, fandavana hamela heloka, tsy fifankahazoana amin’olon-kafa, na, toa an’i Jakoba, “adivarotra” amin’Andriamanitra: “Raha homba ahy Andriamanitra ka hiaro ahy amin’izao lalana alehako izao… dia Jehovah no ho Andriamanitro” (Genesisy 28. 20-21). Famaizana taona maro vao tsapan’io patriarka io fa ny zavatra rehetra anie ka fahasoavana daholo (Genesisy 48. 15)[5]. Tena mifanohitra tokoa amin’ny vavaka nataon’i Jabeza hoe: “Enga anie ka hotahianao tokoa aho, ka hohalalahinao ny faritaniko, ary ho amiko ny tànanao, ka harovanao amin’ny ratsy aho, mba tsy hampahory ahy izany”. Naborany tamin’Andriamanitra ireo fangatahany, ary natoky ny fahamoram-pon’Andriamanitra izy sy niankina tamin’ireo teny fampanantenana natao tamin’ireo razambe (Genesisy 28. 13-15). “Ary dia nomen’Andriamanitra azy izay nangatahiny” (1 Tantara 4. 10).

Kanefa kosa, ireo fahotantsika dia tsy tokony ho sakana maharitra amin’ny vavaka. Alohan’ny hanatanterahantsika ilay fahadisoana, dia mibitsika i Satana hoe: Tsy maninona izany e! Aorian’ilay fahadisoana kosa, dia mampijaly ny fieritreretantsika izy manao hoe: Tena loza tokoa iny! Noho ny ran’i Jesoa, noho ny asany sy ny sorona nataony, dia afaka miverina amin’Andriamanitra foana isika ary mahita fifaliana amin’ny vavaka, satria “marina” amin’i Kristy Andriamanitra ka mamela heloka, ary “mahatoky” amin’ny fampanantenany fa hanao izany. Tsy tokony ho hadinointsika anefa fa nantsoina hamela ny helok’ireo rahalahintsika nanao ratsy tamintsika isika, ary tokony hamitra-pihavanana amin’izay nanaovantsika ratsy (Matio 5. 23-24).

Ny sakana lehibe hafa koa amin’ny vavaka dia aseho amin’ny tantara ao amin’ny Jeremia 42[6]. Ireo olona tonga nanontany an’i Jeremia ny amin’ny zavatra tokony hataony dia efa nanapa-kevitra mialoha: hidina any Egypta. Manantena izy ireo fa hankasitraka izany fikasàny izany ny mpaminany. Nangataka taminy izy ireo mba hivavaka amin’i Jehovah ary manome toky fa hihaino ny feon’i Jehovah. Nasain’Andriamanitra niandry ny valinteniny nandritra ny folo andro izy, mba hanomezany fotoana hieritreretany tsara. Hentitra i Jeremia nampilaza an’i Johanana sy ireo mpitondra hafa mba tsy hidina any Egypta; raha mijanona ao amin’ny tany Kanana izy ireo, dia tsy hisy tokony hatahorany ny mpanjakan’i Babylona. Kanefa efa voasoritra tsara ny fikasàn’ireo olona ireo, ary miampanga ny mpaminany ho mpandainga, fa tsy milaza ny sitrapon’i Jehovah akory (43. 2).

Ny manapa-kevitra samirery sahady ny amin’izay lalana tokony haleha, avy eo mangataka amin’Andriamanitra mba hampahafantatra antsika ny sitrapony, dia fandrika mateti-pitranga loatra. Tsy lavina fa indraindray dia sarotra tokoa, indrindra amin’ny fikasàna  hifamofo, ny manatona ny Tompo amin’ny fo tena madio mba hanontany ny sitrapony. Noho izany, dia tsara kokoa ny manao izany mialoha ny hahababo ny fo, raha tsy izany, ny hany fanantenantsika dia ny hanekeny ny fanapahan-kevitra efa noraisintsika!

Amin’ny lafiny hafa indray: “Fandrika amin’ny olona ny malaky manao hoe: Zavatra masina ity; ka nony vita ny voady, vao mamototra” (Ohabolana 20. 25). Haingana loatra ny handraisana lalana iray, hanekena zavatra tsy am-pandinihina, — ary rehefa tafiditra, dia mitady handinika izany eo imason’ny Tompo. Tsy fitaky ny fahavalo ve izany, izay manakana antsika tsy ho any amin’Andriamanitra aloha, amin’ny saina mbola afaka manaraka ny lalana hasehony antsika?

Farany, mampirisika ny olony ny Mpampianatra mba tsy hanao “teny maro foana”. Ny olona manao toy izany dia mihevitra fa ho valiana ny vavaka ataony raha manao teny maro izy. Ny marina dia tsy mahatoky ny valiny izy. Araka ny fomba na araka ny fahazarana no hanononany foana fitenenana tsy miova, fehezanteny mitovy. “Aza manahaka azy ianareo”, hoy i Jesoa. Mampiseho izany, ohatra, fa misy lanjany tokoa ny vavaka atao ao am-piangonana, vavaka atao amin’ny Fanahy, mifanaraka amin’ny fihetsem-pon’ny fiangonana mihitsy, fa tsy famerenana fehezanteny efa diso fantatra, na fisaorana izany na fangatahana. Teny fohy tsotra avy ao am-po, miaraka amin’ny finoana, dia hisy lanjany sy ho tsaratsara kokoa.

 

4         AMIN’NY FOTOANA INONA NO MIVAVAKA?

Milaza isika fa mahalala ny Tompo ary manaja ny zony amintsika, nefa raha tonga manontany ny tsirairay amintsika izy hoe: “Amin’ny fotoana inona ianao no miresaka amiko? Isaky ny inona ianao no mivavaka?”, ho inona no havalintsika?

Ny teniny dia mampianatra antsika ny zavatra andrasany amin’ny olony:

4.1        Ny fahavononana hivavaka

Izao no vakiantsika ao amin’ny Salamo 32. 6: “Izany no aoka hivavahan’ny tsara fanahy rehetra aminao amin’izay andro hahitana Anao”. Raha mangataka fihaonana amina olona ambony iray isika, dia indraindray miandry ela vao voaray. Ny Andriamanitsika dia vonona lalandava handray ny zanany; “andro hahitana Azy” foana ny andro rehetra; matetika dia isika no tsy vonona hanatona Azy. Aoka tsy avelantsika handalo ny fotoana hitarihin’ny Fanahy ny fontsika hiresaka amin’Andriamanitra, hampirisihina azy hivavaka.

Fomba fiteny efatra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, momba ny vavaka, no tokony hanintona ny saintsika: “tsy mitsahatra” — “mandrakariva” — “amin’ny zavatra rehetra” — “na aiza na aiza”.

4.1.1        Mivavaka tsy mitsahatra (1 Tesaloniana 5. 16)

 

Tsy misy fehin-kevitra roa ve izany?

Voalohany indrindra, fahavononana lalandava, maharitra, hivavaka. Hoy ny mpanao salamo: “Fa izaho kosa dia mivavaka” (Salamo 109. 4), izany hoe: nanolo-tena tanteraka hivavaka. Ny Tompo irery ihany no nahatanteraka izany fiainam-bavaka tsy an-kiato izany. Kanefa kosa tokony hitovy amin’izany toe-tsaina izany ny an’ny mpanara-dia Azy, toy ireo mpiambina teny ambony manda, ao amin’ny Isaia 62. 6, izay voalaza fa “Mandrakariva na andro na alina dia tsy mahazo mangina ireny; eny, ianareo izay mampahatsiaro an’i Jehovah, aza mitsahatra”. Ary manohina an’Andriamanitra ny fitarainan’ireo olona “mampahatsiaro” Azy; tsy izy ireo ve moa, araka ny filazàna mahafinaritra ao amin’i Zefania 3. 10 hoe, “ireo mpivavaka amiko”?

Fa ny hoe “mivavaka tsy mitsahatra” koa dia manambara fitohizana amin’ny fiainam-bavaka, fa tsy mandalo. Ho tanisaina ve ny tenin’ilay mpino iray mahatoky, izay tonga teo amin’ny fiafaran’ny fiainany, ka niteny indray andro hoe: “Taloha aho dia mivavaka matetika mandritra ny andro, izao, dia indray mandeha ihany aho no mivavaka”; fa io vavaka ataony io kosa dia mandritra ny indray andro manontolo. Ho antsika, raha vao mihamora ny lalana, dia mihamivaha koa ny vavaka, tapaka ny fiombonana amin’ny Tompo. Dia mandeha ny fotoana… Tsy ho azo onerana intsony izany. Mety ho sarotra ny hahitana indray io fitohizana amin’ny vavaka io, tsy teny averimberina, fa vavaka an-tsaina, miditra amin’ny antsipirian’ny zavatra.

Mivavaka tsy mitsahatra — fa manalalaka koa ny fontsika: ho hadinontsika ve ny zanaky ny fianakaviam-ben’ny finoana, indrindra ireo izay azon’ny fakàm-panahy ka manalavitra ny làlan’ny Tompo, na koa tena nania aza? Izay ihany no zavatra azontsika atao ho azy ireo; fa ny vavaka maharitra dia afaka mamerina ilay ondry very.

 

4.1.2        Mivavaka mandrakariva (Efesiana 6. 18)

Ny Tenin’Andriamanitra dia manambara amintsika toe-panahy telo, izay tokony hisy mandrakariva ao amin’ny mpino izay mahatoky:

-   ny fiderana: “Hisaotra an’i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy”.

-   ny fitokiana: “Matokia Azy mandrakizay ianareo, ry olona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aro ho antsika”.

-   ny vavaka: ny Tompo no efa nampirisika hoe: “Miambena ka mivavaha mandrakariva” (Lioka 21. 36).

Amin’izany, dia kely sisa fotoana tavela himonomononana sy hamelana ny sitrapon’ny tena hivalampatra! Na dia be aza ny asa tokony atao, na maro aza ny olana, dia misy toerana foana ho an’ny fiderana, ho an’ny fitokiana, ho an’ny vavaka; ary angamba aza izay no hany ialofana amin’ireny fotoana ireny!

Mba hivavahana mandrakariva, dia tsy maintsy manana fifehezan-tena manokana, mailo amin’ny zavatra atao, amin’ny fandrindrana ny fomba handaniana ny fotoana, tsy miroaroa saina ary tsy varimbariana amin-javatra tsy misy dikany, izay tsy ilaina sy tsy mahasoa. Aoka isika tsy hiandry ho teren’ny zava-misy vao mivavaka.

Toa mety ho hafahafa ihany ny fijery ity fampirisihan’ny apostoly Paoly “hivavaka mandrakariva” ao amin’ny Efesiana 6. 18 ity, kanefa izy miteny amin’ny olona iray izay vao avy nandray ny fiadiana rehetra nomen’Andriamanitra; raha ny marina, ny fahatsapana fa voaro amin’ny teti-dratsin’ny fahavalo dia manafaka izany mpino izany amin’ny fiahiahiana momba ny zavatra ilainy andavanandro, manalalaka ny fony, ary afaka mijery ny fiainan’ny hafa izy sy ny zavatra ilain’ny olo-masina rehetra; “mivavaha… amin’ny fivavahana rehetra… sy ny fangatahana rehetra ho an’ny olona masina rehetra, ary ho ahy koa”, hoy ny apostoly izay voafatotra tany am-ponja. Aoka tsy ho hadino, araka ny nambara, fa ny antsasaky ny ady amin’ny herin’ny ratsy any an-danitra dia atao amin’ny vavaka: be kokoa ny vokany matetika noho ny atao amin’izany etỳ ivelany.

 

4.1.3        Mivavaka “amin’ny zavatra rehetra” (Filipiana 4. 6)

Ny ambara eto dia ny filazàna ny zavatra angatahina amin’Andriamanitra, ary tsy mitady valim-bavaka voafaritra mazava. Moa ve isika mivavaka “amin’ny zavatra rehetra”? — Ny zavatra kely toy ny lehibe, ny tsara toy ny mampalahelo, ny toa mora toy ny sarotra, ny miafina toy ny mibaribary, ny antsipiriany hita maso amin’ny fiainana ivelany, toy ny tsiambaratelo ao am-po, satria “ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra” (Romana 8. 28). Aoka isika hanana io toe-tsaina io, izay zatra mametraka amin’Andriamanitra ny zava-miseho rehetra amin’ny fiainana, ary manolotra izany aminy am-pahatokiana.

Rehefa napetraka ny entana, dia tsapa fa ny valim-bavaka voalohany dia fiadanana, ilay fiadanana izay miaro ny fontsika sy ny saintsika ao amin’i Kristy Jesoa. Ny valin’ny zavatra nangatahina dia ho avy any aoriana, amin’ny fotoana sy fomba fidin’ny Tompo mba hahasoa antsika, araka ny fahendreny amin’ny maha Andriamanitra Azy.

4.1.4        Mivavaka “eny tontolo eny” (1 Timoty 2. 8)

 

Tsy ilaina, araka ny nieritreretan’ny sasany azy taloha, na koa araka ny mbola hieritreretan’ny sasany azy ankehitriny, ny mandeha mivavaka amin’ny toerana voatokana ho amin’izany. Mivavaka “eny tontolo eny”, any am-piasana toy ny any an-trano, any an-tranon’ny namana na miaraka aminy toy ny any amin’ny birao, eny am-pandehanana sy any amin’ny toerana hialàm-boly, izay toerana mety hampidi-doza kokoa ho antsika. Nivavaka niaraka tamin’ireo mpiara-dia taminy i Paoly talohan’ny hiaingan’izy ireo (Asa 21. 5); tian’ny mpanao salamo ny nanoritra fa “Jehovah hiaro anao, na mivoaka (na mandeha) na miditra (na tonga), hatramin’izao ka ho mandrakizay” (Salamo 121. 8).

 

 

4.2        Ny vavaka isan’andro, amin’ny fiainana manokana na ny fiainam-pianakaviana

 Ao amin’ny Deoteronomia 11. 18-19, dia mampirisika ny vahoakany Jehovah mba handatsaka ny teniny ao am-pony sy ao amin’ny fanahiny, mba hampianatra izany amin’ireo zanany, mba hiresaka izany “na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha eny an-dàlana, na mandry, na mifoha”. Tsy tokony ho toy izany koa ve ny fahavononana hivavaka?

In-telo isan’andro i Daniela no nivavaka. Angamba ny maraina, ny antoandro ary ny hariva. Tsy ny toeran-tsarotra nisy azy sy ny loza nanambana azy ihany  no nahatonga azy hivavaka mandrakariva: voalaza mazava fa nivavaka sy nisaotra teo anatrehan’Andriamaniny izy “satria fanaony hatramin’ny taloha izany” (6. 11). Ho azy, dia fahazarana izany, fomba fanao ara-potoana, ary azo antoka fa isan’ny tsiambaratelon’ny fandreseny.

Hoy ny mpanao salamo: “Maraina no hivavahako aminao, ka hanandrandra aho” (Salamo 5. 3). Vao maraina, dia mametraka ny tontolo andro eo anoloan’ny Tompo, mangataka Aminy ny fahazavana sy ny fahaiza-mijery ny zavatra  ho avy. Tany an’efitra ny zanak’Isiraely (Nomery 9. 16-17) dia teo am-baravaran’ny trano lainy no nijery ny rahona, mba ahafantarana na tokony hijanona eo an-toerana izy ireo na tokony hanohy ny dia, ary ny lalana izorana. Raha naminany momba ny Tompo i Isaia, dia nilaza hoe: “Ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina, eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino” (Isaia 50. 4); ny mihaino dia mitarika hivavaka, toy ny efa hitantsika momba an’i Mosesy. Ao amin’ny fahoriana mafy ambara ao amin’ny Salamo 88, “nony maraina” dia tonga eo anatrehan’i Jehovah ny fivavany. Mamela Azy hitarika ny tontolo andro, mihaino izay tiany hambara amintsika momba ny zavatra hiseho, ary miankina amin’ny fitondràny.

Ny vavaka atao amin’ny hariva kosa dia ho feno fisaorana, na dia tsy adino aza ireo zavatra rehetra ilaina mbola tsy tanteraka, momba ny tena sy momba ny hafa. Izao no lazain’ny Salamo 141. 2 antsika: “Aoka hankeo anatrehanao mandrakariva toy ny ditin-kazo manitra ny fivavako, ary ho toy ny fanatitra hariva ny fanandratako ny tànako.” Tapitra ny tontolo andro, efa nanandrana ny fiarovana sy ny famonjena avy amin’Andriamanitra isika, ary mitodika any Aminy ny fontsika hanandratra fankasitrahana sy fisaorana. Tamin’ny fotoan’ny fanatitra hariva, dia nitsangana avy tamin’ny toeram-panetren-tena i Ezra, ka nandohalika teo anatrehan’ny Andriamaniny; ny hany fanatitra nentiny dia ny alahelony (9. 5). I Daniela dia nandray ny fanambaràn’ilay lehilahy Gabriela “tamin’ny fotoan’ny fanatitra hariva”; amin’ny fotoana izay maha-maizim-pito ny tontolo — na ny hita maso izany na indrindra indrindra ny ara-moraly — dia nisy fahazavana mahagaga avy amin’Andriamanitra nomena ity lehilahy ity; izany fahazavana izany no nanambara taminy ny hoavin’ny fireneny mandra-pahatongan’ny farany.

Indraindray, dia misy ny vavaka amin’ny alina.Ao amin’ny Salamo 119. 62, dia mamatonalina no hanandratan’ny mpanao salamo vavaka fiderana. Ny fiahian’i Paoly ny fiangonana tany Tesalonika no nahatonga azy hangataka fatratra “andro aman’alina”, toy ny hataony manokana ho an’i Timoty zanany (1 Tesaloniana 3. 10; 2 Timoty 1. 3). Tao an-tranomaizina tany Filipia, raha nifatotra ny tongotr’izy ireo, “nony mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an’Andriamanitra Paoly sy Silasy” (Asa 16. 25). Trangan-javatra tsy fahita firy angamba, kanefa fahavononan’ny fanahy hikatsaka mandrakariva ny tavan’ny Tompo amin’ny fivavahana sy ny fiderana, toy izay mimonomonona sy mitaraina.

 

 

4.3        Ny vavaka mifandraika amin’ireo dingana eo amin’ny fiainana

Ao amin’ny Nomery 28. 3-4, ny fanatitra dorana isan’andro dia aterina ny maraina sy ny hariva, ary ny setrok’ilay fanatitra dia miakatra ho any amin’i Jehovah ho hanitra ankasitrahana.

Fa rehefa sabata kosa, dia manolotra zanak’ondry roa, ankoatr’ireo fanatitra dorana atao mandrakariva: andro iray ho an’Andriamanitra, izay hitondrana fanatitra roa, ny maraina sy ny hariva. Tsy manambara amintsika ny andron’ny Tompo ve izany, sy ny fanati-piderana izay azontsika atao indrindra indrindra amin’io andro io?

Ary eo amin’ny andininy faha-11, amin’ny voaloham-bolana (tsinam-bolana), ny fanatitra ho an’i Jehovah dia vantotr’ombilahy roa, ondrilahy iray ary zanak’ondry fito izay herintaona, miaraka amin’ireo fanatitra hohanina: hanitra ankasitrahana eo imason’i Jehovah izany, ary nampiana osilahy iray hatao fanatitra noho ny ota (and 15).

Ao amin’ny Levitikosy 23 no anomezana ireo fitsipika momba ireo fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, “fotoana voatokana hanatonana an’Andriamanitra”; aseho amintsika ny fifandimbiasan’izany, manomboka amin’ny Paska ka hatramin’ny fetin’ny tabernakely[7].

Tsy miresaka amintsika momba ny dingana manandanja eo amin’ny fiainantsika ve ireo “fotoam-pivavahana” ireo: ny andro niovantsika fo; ny alahady voalohany nandraisantsika anjara tamin’ny tsangambato fahatsiarovana ny nahafatesan’ny Tompontsika; ireo andro manan-tantara eo amin’ny fianakaviana: mariazy, fahaterahana izay anankinan’ny Tompo amintsika zaza menavava ho tezaina ho Azy; ny andro nifidianana ny asa ataon’io zaza notezaina io; ary ny andro hanambadiany indray… Tamin’ireny safidy lehibe teo amin’ny fiainana ireny, tamin’ireny fotoana manetriketrika ireny, moa ve isika mba naka fotoana hivavahana manokana? Raha tiantsika hotahiana ireny fotoana ireny sy ny tohiny aoriany, tsy tokony hanomana ireny dieny mialoha ve isika amin’ny fanatonana an’Andriamanitra?

Moa ve isika tsy mahita, amin’ny fiovàn’ny volana mandritra ny volana iray, mandritra ireny fotoana hisandratan’ny volana sy hihakelezany ireny, kisarisary azo ampiharina tsara amin’ny fiainantsika? Mora dia mora tokoa no mampanjavozavo ilay fiombonana sarobidy nositrahana kely teo, ary mila havaozina izany. Isaky ny tsinam-bolana, dia tsy maintsy nanao fanatitra manokana (Nomery 28. 11-15; Ezra 3. 5); fomba miavaka tokoa no anehoan’izany amintsika  ny toerana tokony hisy indray ny Tompo sy ny asany eo amin’ny saina sy ny fontsika mba hamerenana ilay fiombonana sy hialàna amin’ny fotoana maizina hidirana amin’ny fotoana mazava.

Ary raha mba ny herinandro no ataontsika ho laharam-pahamehana ho fanomanana ny andron’ny Tompo amin’ny vavaka, raha samy manao izany ny tsirairay ao amin’ny fiangonana isan-toerana, tsy hiseho bebe kokoa ve ny toetra maha-marina ny fanompoam-pivavahana ataontsika, ary tsy ho be kokoa ve ny fitahiana ho azo amin’ny fanomezana ny Teny?

Rahoviana no mivavaka? — Tsy mitsahatra — amin’ny fotoana rehetra — amin’ny zavatra rehetra — eny tontolo eny — amin’ny dingana rehetra eo amin’ny fiainana.

Tompo ô, mampianara anay hivavaka.

 

5         IREO LEHILAHY SY VEHIVAVY MAROMARO, OLON’NY VAVAKA, AO AMIN’NY BAIBOLY

 

5.1        Hana (1 Samoela 1 sy 2)

Ny resahina eto dia tsy i Ana, ilay mpaminanivavy ao amin’ny Lioka 2. 36-38, na dia ohatra miavaka koa aza io vehivavy io amin’ny vavaka. Na dia efa antitra aza i Ana, dia “nanompo tamin’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman’alina”. Ny vavaka izany dia fanompoana ankinina amin’ny anabavy sady koa amin’ny rahalahy, amin’ny tanora sy ny zokiolona. Tsy mila “fanomezam-pahasoavana” manokana vao afaka manao izany fanompoana izany. Marina fa tsy manonona vavaka ny anabavy eo amin’ny fiangonana, fa mivavaka mangina izy; kanefa dia irina tokoa ny hanatanterahany am-pahatokiana io fanompoana sarobidy io, rehefa mitokana irery. Isika rehetra dia mahalala ireny anabavy efa nahazo taona ireny, izay mandany ora maromaro hiresahana amin’ny Tompo, mivavaka ho an’ireo olona maro izay nataon’ny Tompo tao am-pony.

Ny bokin’ny Samoela voalohany dia miantomboka amin’ny fanehoana ny fianakavian’i Hana, izay ho lasa renin’i Samoela. Tsy dia tsara loatra ny fiainany. Nanana vady roa i Elkana: i Hana sy i Penina. Nanan-janaka i Penina fa i Hana kosa tsy nanana; ary nohararaotin’ity rafivaviny izany isan-taona, nandritra ny fety fanao isan-taona tany Silo,   hanorisorenany azy “mba hampalahelo azy mafy”. Nefa tia an’i Hana ny vadiny, ka raha nitomany sy tsy nety nihinan-kanina izy nandritry ny fety, dia niezaka ny hampionona azy i Elkana hoe: “Tsy tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka folo mirahalahy va aho?”. I Elkana anefa tsy nieritreritra izay hivavaka ho an’ny vadiny, na hiaraka hivavaka aminy. Isaka kosa dia nivavaka nandritra ny roapolo taona ny amin’i Rebeka, satria momba izy (Genesisy 25. 20-21, 26).

Tsy nitady izay hiadiana tamin’i Penina i Hana. Nanaiky ny toerana nisy azy izy, na tam-pahoriana tokoa aza; nefa amin’izany fangidian’ny fanahiny izany, dia ny vavaka no fara-vonjiny.

Nitsaitsaika nitsangana izy, raha avy nihinana sy nisotro ny tao Silo, fa tsy nanakotaba ny fety, ary nandeha teo anilan’ny tolam-baravaran’ny tempolin’i Jehovah. Teo izy no nivavaka sy nitomany fatratra. Angamba efa nitomany nandritra ny taona maro izy. Tamin’ity indray mitoraka ity, teo anatrehan’Andriamanitra, dia namoaka izay tao am-pony rehetra izy, ary niteny anakampo; “ny molony ihany no nihetsiketsika, fa ny feony tsy re akory”. Nanao voady izy fa raha omen’i Jehovah zazalahy, dia hanome izany zaza izany ho Azy amin’ny andro rehetra iainany; ary hitondra ny mariky ny Nazirita izy (Nomery 6). Raha nanao fanakianana tsy mitombina taminy i Ely, dia namaly tsotra izy, tamim-panajana fatratra, fa vehivavy malahelo fanahy izy: “Mamoaka ny ato am-poko eo anatrehan’i Jehovah aho”.  Taonjato maro atỳ aoriana, dia hampirisika ny Filipiana ny apostoly Paoly mba hanambara ny fangatahany amin’Andriamanitra amin’ny vavaka sy ny fifonana. Hoy ny mpanao salamo hoe : “Maraina no hivavahako aminao, ka hanandrandra aho” (Salamo 5. 3). Afaka namaly ilay vehivavy ilay mpisorona hoe: “Mandehana soa aman-tsara”. “Dia lasa nandeha ravehivavy, ary nihinana izy ka tsy nalahelo tarehy intsony”. “Ny fiadanan’Andriamanitra no niaro ny fony”. Mbola tsy nahazo valim-bavaka anefa izy, fa natoky an’Andriamanitra kosa tamin’ny finoany.

Rehefa tonga ny andro, dia nitera-dahy i Hana, ary nomeny anarana hoe Samoela: izany hoe “Nangatahina tamin’Andriamanitra” na “Valim-bavaka avy amin’Andriamanitra”. Tsy nitaredretra izy nanefa ny voadiny. Raha mbola kely ny zaza, dia nentiny niaraka taminy nankany Silo, ary natolony an’i Ely. Nampahatsiahiviny an’ilay mpisorona ny fotoana nitsanganany teo anilan’i Ely ka nivavahany tamin’i Jehovah: “Ny hahazoako ity zazalahy ity no nivavahako; dia nomen’i Jehovah ahy izay nangatahiko taminy”. Amin’ny andro rehetra iainany, dia voatolotra ho an’i Jehovah i Samoela, na dia mafy tamin-dreniny aza izany. Dia nanao ilay vavaka ao amin’ny toko 2 izy, izay hanambaràny ny hafaliany, ny fankasitrahany, ary ilay Mpanome no omena dera mihoatra noho ilay fanomezana. 

Isan-taona, dia tonga mamangy ilay zazalahy kely izay nitombo tokoa izy, ary nanaovany akanjo kely sahaza azy izy (2. 19). Azo inoana fa nokaliana tokoa io akanjo io! Fitiavana re izany! Io akanjo io ve tsy manambara amintsika ireo vavaka izay azontsika atao amin’Andriamanitra ho an’ny zanatsika izay mitombo, ary atao arakaraky ny filàn’izy ireo, izay miovaova foana? Aoka isika hangataka amin’ny Tompo mba hahay hanaraka ny zava-misy, ary hitaiza azy ireo amin’ny tontolo mifanaraka amin’ny taonany ary mampitodika azy any amin’ny Tompo ihany.

Nanolotra an’i Jehovah ilay menaky ny ainy i Hana, amin’ny androm-piainany rehetra, — ary nomen’i Jehovah zanaka telo lahy sy roa vavy izy!(2. 21). Tsy oneran’ny Tompo mihoatra lavitra noho ny tokony ho izy ve ny zavatra omena Azy? (Marka 10. 29-30). Matoa io pejy ao amin’ny Baiboly io natokana ho an’i Hana, tsy satria ve vehivavy nahery nivavaka izy?

 

 

5.2        Samoela

Samoela koa dia ho olon’ny vavaka toa an-dreniny. Mbola kely dia kely izy dia niankohoka teo anatrehan’i Jehovah (1. 28). Tsy efa nahita an-dreniny matetika nanao izany ve izy, ka nianatra hanao toa azy, miankohoka eo anoloan’i Jehovah? Ny setrin’izany hetsika voalohany nataony izany dia ny alitara naoriny tao an-tranony tao Rama, tamin’ny niafaràn’ny fanompoany (7. 17), ary tao izy, mazava ho azy, no nitsaoka an’i Jehovah. Ao amin’ny Salamo 99. 6, dia voatonona manokana i Samoela “tamin’izay mpiantso ny anaran’i Jehovah”; niantso ny anarany ireo, ary namaly azy Izy. Ny vavaka no matetika nataona nandritra ny fotoana nanompoany.

Nitombo teo anilan’i Jehovah i Samoela; nanompo Azy izy. Dia tonga ny andro nisehoan’i Jehovah taminy; ny alina, dia re Ilay Feo: Samoela, Samoela! Rehefa notoroin’i Ely hevitra ilay zazalahy kely, dia hanonona ny vavaka voalohany izay tantaraina amintsika: “Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao” (3. 10). Hoy i Ely: “Mitenena, Jehovah ô…”. Fa noho ny fientanam-pony, dia adinon’i Samoela Ilay Anarana ilaina indrindra amin’ny vavaka! Kanefa tsy nanome tsiny azy noho izany Andriamanitra fa namaly ihany. Fampirisihana tsara izany ho an’ireo tanora izay indraindray miambakavaka amin’ny fomba fiteniny!

Taona maro no nandalo. Maty tany an’ady ireo zanak’i Ely roalahy; folaka kosa ny vozon’i Ely raha nandre fa lasa-ko babo ny fiaran’i Jehovah. Fa naverina ary napetraka tao amin’ny tranon’i Abinadaba ny fiaran’i Jehovah. “Roapolo taona” (7. 2) vao nitady ny Andriamaniny i Isiraely. Ary dia vonona i Samoela: “Ampiomany ny fonareo ho an’i Jehovah, ary aoka Izy ihany no hotompoinareo… Vorio ny Isiraely rehetra ho any Mizpa, dia hivavaka amin’i Jehovah ho anareo aho… Dia hoy ny zanak’Isiraely tamin’i Samoela: Aza mitsahatra mitaraina amin’i Jehovah Andriamanitsika ho anay ianao… Dia nitaraina tamin’i Jehovah ho an’ny Isiraely Samoela, ary nihaino azy Jehovah”. Ny fahazoana indray ilay fiombonana efa very dia tsy zavatra mora. Mila fanazarana ny fo mandritra ny fotoana maharitra ary fandinihan-tena; tsy maintsy esorina ireo andriamani-kafa. Manana anjara toerana voalohany amin’izany ny vavaka.

Vao vita ny fanalalanan’ny mpaminany sy ny fanatitra hodorana, dia nanome ny fandresena tao Ebenezera Andriamanitra; afaka nilaza i Samoela hoe: “Efa novonjen’i Jehovah isika hatramin’izao” (7. 12).

Niha-fotsy volo ilay mpitsara. Naniry mpanjaka ho solony i Isiraely. “Fa tsy sitrak’i Samoela” ny nanaovan’ny olona izany (8. 6). Inona no hatao?  — “Dia nivavaka tamin’i Jehovah Samoela”. Nomen’Andriamanitra toro-lalana ho an’ny vahoaka ilay mpaminany, kanefa tsy nanaiky hihaino ny feony ireo; nikiry ny hahazo mpanjaka ihany izy. Niverina teo amin’i Jehovah i Samoela, ka nitatitra taminy izay nolazain’ny vahoaka. Nahazo mpanjaka i Isiraely, saingy miaraka amin’ny fifehezana mifandraika amin’izany (Hosea 13. 11). I Samoela kosa dia nanaiky ny zava-misy tamim-panetrentena; nitsena an’i Saoly izy, nanosotra azy, niteny tamin’ny fony. Taoriana kely izy dia nanao veloma ny vahoaka: “Hoy ianareo tamiko: Tsia, fa aoka hisy mpanjaka hanjaka aminay;― kanefa Jehovah Andriamanitrareo no mpanjakanareo. Koa ankehitriny, indro ny mpanjaka izay nofidinareo sy nangatahinareo; ary indro fa Jehovah nanome mpanjaka hanjaka aminareo” (12. 12-13). Teo anoloan’ny kotrokorana sy orana nisy, dia niteny tamin’i Samoela ny vahoaka hoe: “Mangataha amin’i Jehovah Andriamanitrao ho an’ny mpanomponao”. Namaly i Samoela hoe: “Ary ny amiko, sanatria raha hanota amin’i Jehovah aho ka hitsahatra tsy hangataka ho anareo; fa izaho hanoro anareo izay lalana tsara sy mahitsy”. Tsy ho mpitondra intsony izy, kanefa tsy nalahelo tamin’izany izy hoe nody tany an-tanànany sy tsy niraharaha azy ireo intsony, fa nanohy io fanompoana lehibe amin’ny vavaka io. Ho vonona foana izy hampianatra azy ireo ny làlan’i Jehovah (and 23).

Fotoana ela tatỳ aoriana, raha niteny taminy Andriamanitra hoe: “Manenina Aho noho ny nanaovako an’i Saoly ho mpanjaka” (15. 11), dia nalahelo mafy i Samoela, nefa inona moa no azony natao? Dia mbola “nitaraina tamin’i Jehovah nandritra ny alina” ihany izy, ary io no vavaka farany taterina amintsika. Nanaiky ny hanjakan’i Saoly izy; nitady izay hanampiana azy izy, hitarihana azy, nefa dia matetika kokoa izy no voailika fa tsy nohenoina; tsy hitantsika mihitsy hoe mba afaka niara-nivavaka tamin’i Saoly izy.

Mifarana ilay fanompoana lava dia lava, fanompoana feno fanoloran-tena ho an’Andriamanitra sy ny vahoakany, ary ny vavaka no nanamarika ny fiombonan’i Samoela tamin’Andriamanitra; nanalalana mandrakariva ho an’ny hafa izy; tao anatin’ny alahelo, toy ny reniny, dia afaka naneho ny tao am-pony rehetra teo anatrehan’i Jehovah ary nahita ny fiadanana sy fampiononana nampanantenainy izy.

 

 

5.3        Elia

Ny tantaran’i Elia fantatry ny rehetra dia miantomboka tampoka ao amin’ny 1 Mpanjaka 17, tamin’ny nanambaràny ny fahamainan’ny tany: “Tsy hisy ando na ranonorana akory amin’izao taona izao, raha tsy araka ny teniko ihany”. Efa nanantitra teo imason’ny mpanjaka Ahaba i Elia fa nitsangana “eo anatrehan’i Jehovah” izy. I Jakoba (5. 17) no manome antsika ny tsiambaratelon’izany fiainana anaty izany: “nahery nivavaka” izy. Zatra nitoetra teo anoloan’Andriamanitra i Elia. Fantany fa tsy maintsy hihatra amin’ny Isiraely izany fitsaràna izany, satria mifanaraka amin’ny fihevitr’Andriamanitra; nahery nivavaka noho izany izy, ary afaka nanambara am-pahibemaso fa ho avy ny famaizana ilaina hamerenana ny vahoaka ho amin’Andriamanitra.

Ny teny faminaniana dia “jiro mahazava ao amin’ny fitoerana maizimaizina”. Fantatsika ny zavatra lazainy mialoha, araka ny hanambaràn’ny Tompo azy amintsika. Tsy mangataka ireo fitsarana isika, fa kosa afaka mampilaza mialoha ireo tsy mino ny Tompo Jesoa momba ny anjara miandry azy.

Zavatra maro no efa nandalo teo amin’ny fiainan’i Elia. Raha nipetraka tao amin’ilay vehivavy mpitondratena tao Zarefata izy, dia nahafantatra ny zavatra rehetra niseho tao; raha tafiditra tao amin’ity tokantrano ity ny aretina sy ny fahafatesana, dia afaka nivavaka an-tsaina izy. Toy inona ny fikenakenany ilay zazalahy kely, nampandry azy teo am-pandriany, ary nitaraina tamin’i Jehovah ho azy. In-telo izy no niampatra tamin’ilay vatana kely (kanefa ny fikasihana faty dia nahaloto) ary nitaraina tamin’i Jehovah mba hamerenany indray ny ain’ity zaza ity ao aminy. Nihaino azy Andriamanitra. Toy inona ny hafaliana sy ny fankasitrahan’i Elia raha nandray ity zaza ka nidina avy any ambony rihana ary “nanolotra azy an-dreniny”! Taonjato maro tatỳ aoriana, ny Tompo Jesoa koa, raha onena mafy ilay mpitondratena tao Naina, dia nanangana ilay zanany tamin’ny maty, ary “nanolotra azy an-dreniny”. Tamin’ireo tranga roa ireo, dia Andriamanitra no nomem-boninahitra (1 Mpanjaka 17. 24; Lioka 7. 16).

Fa mbola mihoatra noho izany ny zava-tsarotra niandry ilay mpaminany. Efa in-droa izy no nandre ny baikon’i Jehovah hoe “Mandehana” (17. 9). Mbola taloha lavitra ny hain-tany no efa nijoroany teo anatrehan’i Jehovah. Tany Kerita sy Zarefata izy dia mbola niafina ihany, nitoka-monina, niombona tamin’Andriamanitra. Andro maro no lasa, dia tonga taminy ny tenin’i Jehovah, tamin’ny taona fahatelo; dia niteny taminy indray ny Tompo hoe: “Mandehana”. Tamin’ity indray mitoraka ity, dia ny hifanatrika amin’i Ahaba no hataony! Tsy natahotra ny hanambara ny hain-tany i Elia, satria nijoro teo anatrehan’i Jehovah izy. Fa ny hoe hifanatri-tava tamin’i Ahaba izay efa nikaroka azy hatraiza hatraiza mba hamono azy, dia zavatra hafa mihitsy. Kanefa dia tsy nisalasala izy fa nandeha. Rehefa nihaona tamin’ny mpanjaka izy, dia efa nanana ny fahefana ara-moraly rehetra ahazoany mangataka ilay fivorian-dehibe tao Karmela: mpaminanin’i Bala miisa 450, mpaminanin’ny Asera miisa 400. Nifamotoana teny an-tendrombohitra ireo vahoaka ireo; samy nanao alitara, ny an’ireo mpaminany ho an’i Bala, ny an’i Elia ho an’i Jehovah. Niantso ny andriamaniny ireo mpaminany, nefa tsy nisy namaly. Fa tamin’ny fotoan’ny fanatitra hohanina kosa, dia nanatona ilay alitara nataony, izay efa nasiana ny fanatitra hodorana sy ny kitay i Elia ary, teo anoloan’ny vahoaka nivory teo, dia nanonona ilay vavaka fahatelo lazaina amintsika hoe: “Jehovah ô, Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Isiraely… Mihainoa ahy, mihainoa ahy, Jehovah ô, mba ahafantaran’ireto olona ireto fa Ianao Jehovah no Andriamanitra, ary Ianao no mampiverina ny fony indray” (18. 36-37).Dia latsaka ny afon’i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny kitay hazo sy ny vato ary ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin’ny hady kely. Niaiky daholo ny olona rehetra, ka nanao hoe: “Jehovah, Izy no Andriamanitra”.

Ankinafinafina no nianaran’i Elia hiaina hikatsaka ny tombontsoan’Andriamanitra sy ny vahoakany, satria efa afaka tamin’ny fibanjinana ny tenany sy ny olany manokana izy. Dia mbola ho voninahitr’Andriamanitra ihany ny vavaka nataony. Avy eo niakatra teny an-tampon’i Karmela izy, niankohoka tamin’ny tany, ary impito misesy izy no nivavaka mba hirotsahan’ny orana, satria izao dia efa niverina tamin’i Jehovah ny vahoaka — na dia fihetsika ivelany ihany aza: “Ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany” (Jakoba 5. 18; 1 Mpanjaka 18. 42-45).

I Elia anefa “dia olona tahaka antsika ihany” (Jakoba 5. 17). Taorian’ny fifanenjanana tany Karmela, ny hazakazaka ho any Jezirela, tsy tokony hihataka tsy hitaredretra ve izy hiverina indray amin’ny fiombonany amin’ny Andriamaniny? Raha nandrahona ny hamono azy i Jezabela, dia nandositra tany an’efitra izy hamonjy ny ainy (1 Mpanjaka 19. 3). Tany no nanononany ilay vavaka fahadimy hoe: “Aoka izay! Alao ny aiko ankehitriny, Jehovah ô, fa tsy tsara noho ny razako aho”. Fotoana famoizam-po izany, izay nitarika azy hatrany amin’ny fangatahana ho hesorina eto amin’ity tontolo ity. Mifangarika tanteraka amin’ny fandresena tao Karmela, izay angamba niheverany tena ho “tsara noho ny razany”!

Nangoraka azy Andriamanitra; nandefa anjely izay nampahery azy indroa misesy Izy; dia niseho tamin’i Elia tao Horeba Izy, tamin’ilay “feo nitsoka malemy”: “Manao inona atỳ ianao ry Elia?”. Tezitra ilay mpaminany, ary tamin’ny vavaka fahenina nataony, dia nidera ny tenany izy ary niampanga ny vahoaka: “Ny Zanak’Isiraely efa nahafoy ny fanekenao… dia izaho irery ihany no sisa” (and 14). Io no hany fahadisoana nataon’ny olon’Andriamanitra iray ao amin’ny Testamenta Taloha, ka notsongain’ny Testamenta Vaovao, satria nitaraina “tamin’Andriamanitra nentiny namely ny Isiraely” izy (Romana 11. 2). Hatreo, dia tsy hitantsika nivavaka intsony i Elia!

Tsy loza mananontanona koa ve, amin’izao vaninandro iainantsika izao, ny fihetsika toy izany, mieritreritra fa: Izaho irery sisa no mahatoky… izahay irery sisa no mahatoky? — “Fa ahoana no navalin’Andriamanitra azy? Izaho efa niaro fito arivo lahy ho Ahy, dia izay tsy mba nandohalika tamin’i Bala” (Romana 11. 4). Fantatry ny Tompo ny olony, ary matetika isika tsy mahalala azy ireny. Ny Tenin’Andriamanitra dia mampirisika antsika hiaraka “amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio” (2 Timoty 2. 22), kanefa tsy misy hambo, fa kosa tena malahelo tokoa noho ny toerana misy ny fiangonan’Andriamanitra amin’ny tokony haha-vavolombelona azy eto an-tany; entanina isika hivavaka “ho an’ny olona masina rehetra”, ary hangataka amin’ny Tompo mba hisian’ny fanarenana, fifohazana, mba ho voninahiny[8].

Faninefany izao no nilazan’i Jehovah amin’ny mpanompony hoe: “Mandehana”, saingy nampiany hoe: “Miverena”. Tsy maintsy hiverenana ny lalana niatahana tamin’Andriamanitra, toa an’i Abrahama fahiny tamin’ny niverenany avy tany Egypta. Hosoran’i Elia ho “mpaminany handimby azy” i Elisa. Kanefa mbola ho hampiasain’Andriamanitra ihany izy amin’ny zavatra nanjo an’i Nabota (1 Mpanjaka 21); ary mba hananatra an’i Ahazia (2 Mpanjaka 1. 16). Tamin’izay, dia tsy niteny intsony Ilay Anjely hoe “mandehana” fa “Midina”! (toy ny tao amin’ny 1 Mpanjaka 21. 18). Tamin’ny fiafaràn’ny fiainany, dia mbola tsy maintsy nianatra ny lalan’ny fanetrentena ihany ilay mpaminany; tamin’ny diany farany niaraka tamin’i Elisa, dia “nidina” indray tany Betela, Jeriko ary Jordana izy ireo. Fahasoavana lehibe indrindra no nomen’i Jehovah ny mpanompony, tamin’ny nampiakarany azy ho any an-danitra tamin’ny kalesy afo.

 

 

5.4        Mosesy

Ny finoan’ny ray aman-drenin’i Mosesy no nahitan’izy ireo fa tsara izy (“tsara teo anatrehan’Andriamanitra”, Asa 7. 20; Hebreo 11. 23). Rehefa napetraka teo amin’ny ony izy, dia notantanan’Andriamanitra ny zavatra rehetra mba hitaizana azy mandritra ny fotoana fohy ao amin’ny fianakaviany ihany. Mbola kely izy dia nandre ny momba an’i Jehovah. Niaina teo amin’ny manodidina ny zanakavavin’i Farao izy avy eo, ary “nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ny Egyptiana” (Asa 7. 22). Inona sisa no tafajanona tamin’ny nampianarina azy taloha? Inona no hanan-danja eo amin’ny fiainany, ny fampianaran’ny Egyptiana sa ny an’ny ray aman-dreniny?  — nandà i Mosesy “tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin’i Farao, rehefa lehibe izy, nifidy mantsy hiara-mitondra fahoriana amin’ny olon’Andriamanitra” (Hebreo 11. 24-25).

Manjavozavo ny fomba fahafantarany an’Andriamanitra; ampy izany tamin’ny voalohany hanoritana ny làlan-kalehany. Nandritra ireo efapolo taona tany Midiana, dia mbola marefo dia marefo ny fifandraisany tamin’Andriamanitra. Raha niantso azy avy tao amin’ilay roimemy i Jehovah, dia nanarona ny tavany izy, ary natahotra ny hijery Azy. Kanefa dia tonga anisan’ireo lehibe indrindra tamin’ny olon’Andriamanitra i Mosesy, olon’ny vavaka. Nitsimoka sy nitombo miandalana tao am-pony ilay voa nafafin’ny ray aman-dreniny; izany no nahafahan’Andriamanitra naneho ny tenany miandàlana taminy, ary izao dia “mifanatrika no itenenany aminy” (Nomery 12. 8).

Tsy afaka hijery tsirairay ireo vavaka nataon’i Mosesy izay tantaraina amintsika isika, fa zavatra iray loha no manaitra: mihaino an’Andriamanitra bebe kokoa noho ny mivavaka izy. Betsaka kokoa ireo fitenenana hoe: Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy, noho ny hoe: Hoy i Mosesy tamin’i Jehovah.

5.4.1        Ahoana no fomba fivavak’i Mosesy?

Ndeha hiverenantsika ny Nomery 7. 89, izay efa noresahina kely: ao no ahitantsika ny tsiambaratelon’ny fiainam-bavak’ity olon’Andriamanitra ity. “Niditra” i Mosesy. Nihataka lavidavitra izy, toy ny Tompo koa tatỳ aoriana, mba hiresahany manokana amin’Andriamanitra. Niditra izy “mba hiteny amin’Andriamanitra”, voalohany aloha mba hihaino Azy, avy eo dia miresaka Aminy. Teo anoloan’ny rakotra fanaovam-panavotana, ny fiaran’ny fanekena sy ny kerobima no niresahany. Tsy manambara ny asan’i Kristy ve ny rakotra fanaovam-panavotana, — ny Tenin’Andriamanitra izay noraketiny kosa ny fiaran’ny fanekena (ankoatry ny zavatra hafa) — ary ny fahamasinan’Andriamanitra ny kerobima? Lehibe tokoa ny lanjan’ireo zavatra telo ireo eo amin’ny vavaka ataontsika. Manatona isika noho ny asa nataon’i Kristy; mba hifanarahan’ny vavaka ataontsika amin’ny sitrapon’Andriamanitra, dia tsy maintsy mitoetra ao anatintsika ny Teniny; tokony tsy hadinoina mihitsy fa masina Andriamanitra.

Rehefa mivavaka isika, “ao an’efitranontsika”, dia tsy hoe “hamboraka ny ao am-pontsika” fotsiny ihany. Ny fandohalihana ao amin’ny efitrano, dia fihainoana izay tian’Andriamanitra hambara aloha. Rehefa avy nangataka taminy mba hihazona ny saintsika, dia mamela fotoana ho Azy hiresaka amin’ny saintsika. Manana Baiboly eny an-tanana mba hitadiavana ny andininy izay mety hampahatsiahiviny antsika. Rehefa avy mihaino, dia “miteny”, nefa miteny amin’ny fahatsiarovana ny halehiben’Andriamanitra, ny fahamasinany, ary koa ny fitiavany. Rehefa maharitra amin’io firesahana amin’Andriamanitra io, io fifanatrehan-tava aminy io, dia hianatra hahatakatra ny sitrapony isika, sy ny lamina tadiaviny ho antsika. Izany no fomba fivavak’i Mosesy, ary azo antoka fa matetika sy tsy miovaova. Ny sasany tamin’ireo vavaka nataony dia voatahiry ho antsika, indrindra rehefa manalalana i Mosesy.

5.4.2        Mosesy mpanalalana

Imbetsaka ilay mpitarika no nanalalana ho an’i Isiraely; zava-nitranga telo no ndeha ho jerentsika:

1.    Refidima (Eksodosy 17. 8-13)

Tsy maintsy niatrika ady nampitahotra tokoa ny vahoaka, ary, raha ny marina, dia ady roa sosona: Josoa, niady tamin’ny Amalekita, — Mosesy, tamin’ny ady ara-panahy teny an-tampon-kavoana. Josoa niaro tena tao an-dohasaha, amin’ny sabatra sy lefom-pohy eny an-tànana; Mosesy, eo an-tendrombohitra, miady amin’ny fiadiana ara-panahy. Ny Efesiana 6. 12 dia manambara amintsika fa: “Isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa… amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra”. Misy ady atao amin’io hery io. Tsy tokony hiahiahy foana amin’izany anefa isika, satria ny Tompo Jesoa dia efa nandresy ireo fahefana sy fanapahana ireo (Kolosiana 2. 15), nefa kosa misy izy ireo; ary amin’izany ady izany, dia ny vavaka no fiadiana tena mahery.

Nahoana i Mosesy no niakatra eny an-tampon-kavoana? Satria, voalohany indrindra, eny aloha no mahatazana tsara izay miseho etỳ ambany. Nahita ireo mpiady i Mosesy. Afaka nivavaka an-tsaina izy. Alohan’ny hanalalana, dia tokony hamakafaka tsara ny tena zavatra ilaina isika. Ohatra, momba ny asan’ny Tompo any an-tany hafa, dia aoka isika hamaky tsara ny “Taratasy momba ny asa” na izay mitovitovy amin’izany amin’ny fiteny hafa. Aoka isika hanadihady momba ny zavatra iainan’ireo rahalahintsika aloha, mba hanalalanantsika ho azy amin’ny fahafantarana izay tokony ho lazaina.

Hita koa ny tena eo an-tampon-tendrombohitra. Ireo mpiady tamin’i Amaleka dia nahita an’i Mosesy nananga-tànana nanalalana ho azy ireo. Fampirisihana izany ho an’ireo mpanompon’Andriamanitra any lavitra any, amin’ny fahafantarana fa, any ho any, ireo rahalahy sy anabavy dia mivavaka foana amin’ny hafanam-po, na tsirairay na miaraka, ho an’ny zavatra takian’ny asa ataon’izy ireo.

Mafy ny ady. Rehefa nanangana ny tanany i Mosesy, dia nahery i Isiraely; ary mety hieritreritra isika hoe: rehefa nampidina ny tànany izy izany, dia tsy dia nandeha loatra ny toe-javatra? Tsy toy izany no filazan’ny Teny azy: “fa raha nampidininy ny tànany, dia nahery kosa ny Amalekita”! Tsy misy izany tsy an’ny atsy tsy an’ny aroa izany ny ady ara-panahy. Na Andriamanitra no mandresy, na ny fahavalo no mahery. Rehefa manalalana isika, dia tokony ho ao an-tsaina lalandava izany: tsy misy ny hoe tsy an’ny atsy tsy an’ny aroa. Ny ady any an-dohasaha dia miankina amin’ny vavaka atao eny an-tendrombohitra.

Reraka i Mosesy. Isika koa, amin’ny vavaka ho an’ny hafa, dia mety hilavo lefona. Tsara raha misy Arona sy Hora. Marina fa io kisarisary io dia misy dikany roa: Arona dia manambara ny Tompo Jesoa, izay velona mandrakariva mba hanalalana ary tsy mety reraka. Amin’ny lafiny iray koa, ireo lehilahy roa ireo dia endrik’ireo rahalahintsika, izay miombom-bavaka amintsika sy miara-mifampahery amintsika mba tsy hitsahatra.

Tsy fantatsika ny teny notononin’i Mosesy, fa ny vokany kosa dia fantatsika: ny fandresen’ny vahoakan’Andriamanitra.

 

2.       Ilay ombilahy kely volamena (Eksodosy 32. 7-14)

3.       Ireo mpitsikilo roa ambin’ny folo lahy (Nomery 14. 11-20)

Misy zavatra mitovitovy amin’ny fanalàlan’i Mosesy nandritra ireo tranga roa ireo; koa hampiarahantsika ny fandinihana izany.

Raha nilaza tamin’ny mpanompony i Jehovah momba ny fitsarana ataony amin’ny vahoaka, dia tsy ny hizaha toetra an’i Mosesy ihany no nokatsahiny, fa tamin’ny fomba manetriketrika tokoa no nanambaràny ny famaizana takian’ny fahamarinany.

Ny fanalalana nataon’ilay mpanoratra ny lalàna dia nahatonga an’Andriamanitra hanenina, hanemotra ny hampiharany ny fitsaràny, hanova ny vokatr’izany famaizana izany, ary tonga hatramin’ny famelàn-keloka aza. Izany no herin’ny fanalalana (Eksodosy 32. 14; Nomery 14. 20). Nihaino an’i Mosesy i Jehovah ka nihazona ny sandriny! Tsy mahagaga ve izany? Ny maha-tsitoha an’Andriamanitra dia ahafahany manapaka hevitra iray, dia manova izany indray avy eo, arakaraky ny toe-pon’ilay olona eo anoloany. Na namela heloka aza Izy, dia mbola teo ihany ny voka-dratsy lehibe noho ny fikomiana: taorian’ilay ombilahy kely volamena, telo arivo no maty; taorian’ny fandavana tsy hiditra ny tany Kanana, valo amby telopolo taona nirenireny tany an’efitra, ary fahafatesan’ny taranaka iray. Any ifotony, dia namela heloka Andriamanitra, saingy tsy maintsy nampihatra ny fanapahany Izy, fa tamin’ny fomba malefadefaka kokoa mba ahafahan’i Isiraely hiditra ny tany Kanana ihany tamin’ny farany.

Mitondra fampianarana tokoa ny mandinika ny zavatra nangatahan’i Mosesy: mitovitovy ireo vavaka roa ireo. Amin’ireo tranga roa ireo, dia nilaza tamin’ny mpanompony Andriamanitra fa hanao azy ho firenena lehibe, rehefa avy handringana ireo mpikomy. Inona no mety ho navalintsika? Angamba isika hiteny hoe: Mpikomy ireo, tsara ho azy ny haringana; raha tianao hatao firenena lehibe aho, nahoana moa aho no handà? — Kanefa dia lehibe tokoa ny fanetren-tena sy ny fitiavan’i Mosesy ny vahoakan’Andriamanitra, hany ka nanalalana ho azy izy, na dia manohitra ny tombontsoany aza izany. Tamin’ny vavaka iray hafa aza, dia tonga hatramin’ny fangatahana tamin’Andriamanitra ny hamafana ny anarany amin’ny bokiny izy raha tsy afaka hamela ny helok’izy ireo Andriamanitra (Eksodosy 32. 32). Indroa izy no nandà tsy ho rain’ny firenena lehibe. Averiny foana fa hohitsakitsahan’ny firenena manodidina ny voninahitr’Andriamanitra raha maty any an’efitra i Isiraely, izay nafahany avy tany Egypta; hilaza izy ireo fa tsy zakan’i Jehovah ny mitondra azy ireo ho any amin’ny tanjona nampanantenainy azy! Rehefa mivavaka ho an’ny hafa isika, dia aoka hampahatsiahy mandrakariva ny teny fampanantenan’Andriamanitra: Hoy Ianao… Nampanantena Ianao fa… Kanefa fantatsika tsara ve ireo teny fampanantena ao amin’ny Baiboly mba hiankinantsika amin’izany?

Tatỳ aoriana anefa, raha nangataka i Mosesy mba hahazo hiditra ao amin’ny tany sy hahita izany, dia ampahany amin’ny vavaka nataony ihany no tanteraka. Tsy nisy teny fampanantenana azony nampahatsiahivina. Hoy mantsy Andriamanitra: Tsy hiditra any ianao. Fa teny an-tampon’ny tendrombohitra Nebo, izay niakaran’ilay antidahy irery, dia nanatona azy Ilay Namany mahatoky niaraka taminy foana nandritra ny diany, ary nampiseho azy “ny tany… rehetra” (Deoteronomia 34). Mbola tatỳ aoriana ihany, dia hametraka ny tongony amin’ny tany Kanana i Mosesy: hiseho am-boninahitra miaraka amin’i Elia izy, ary hiresaka amin’ny Tompony eo amin’ny tendrombohitra niovàna tarehy.

Raha miverina amin’ireo vavaka roa nataon’ity mpitondra ity isika, dia mahita fa namela heloka Andriamanitra, saingy teo ihany kosa ny vokatry ny fahotana. Afaka mivavaka ho an’ireo zanatsika isika, ho an’ny fiangonana eo an-toerana, ho an’ny namana iray, ary afaka mamela heloka Andriamanitra ka hiditra an-tsehatra amin’ny fomba mahagaga. Kanefa mety avelany hitoetra koa ny vokatry ny fahadisoana, na dia malefaka kokoa aza; tsy adino anefa fa mandritra ny vanim-potoan’ny fahasoavana, dia afaka manarina tanteraka koa izy, toy ny tamin’i Petera.

Ny fanalalana dia vavaka, fa ny vavaka rehetra akory tsy fanalalana avokoa. Ny manalalana, dia mipetraka eo anelanelan’Andriamanitra sy olon-kafa, ary foana ny maha-tena ny tena. Tsy izaho no resahina, ho an’olon-kafa no ivavahako. Tsy mangataka ho ahy aho, fa ho azy. Mety hanana hery miavaka tokoa ny fanalàlana. Manantena Andriamanitra fa hanao izany ireo zanany, mba hampiova zavatra betsaka. Ao amin’ny Isaia 59. 16, dia talanjona Izy satria tsy nisy olona na dia iray aza, tsy nisy mpanalalana. Raha azo lazaina, dia nalamin’Andriamanitra ny zavatra rehetra mba hidiran’ireo olony ho mpanalalana ary hahatonga Azy hamela heloka, hampitraka ary hanarina. Izany no tadiaviny, ary talanjona Izy fa tsy nisy mpanalalana. Ao amin’ny Salamo 106. 23, dia: “Nikasa handringana azy Izy, raha tsy Mosesy voafidiny no nandroso hijoro tamin’ny banga teo anatrehany hampiala ny fahatezerany mba tsy handringanany azy”. Vonona ve isika “hijoro amin’ny banga” ho an’ireo fiangonana, ho an’ny fianakaviantsika, ho an’ny asan’ny Tompo, ho an’ny mpanompony? Mitady olona toy izany Andriamanitra, ary “talanjona” satria tsy dia be izy ireo.

 

 

5.4.3        Ny nahafantaran’i Mosesy miandàlana hoe iza Andriamanitra

Nandritra ireo asany sy ny vavaka marobe nataony no nandrosoan’i Mosesy tamin’ny fahalalana an’Andriamanitra. Toy izany koa ny antsika: maneho ny tenany miandalana amin’ny olony Andriamanitra, azo heverina fa amin’ny Teniny aloha, fa koa mandritra ny fiainam-bavaka izay hianarana mahalala bebe kokoa ny heriny sy ny fitiavany.

Ny nihaonan’i Mosesy voalohany tamin’Andriamanitra dia teo amin’ilay roimemy nirehitra (Eksodosy 3. 1-14). Naneho ny tenany ho Ilay Andriamanitry ny razany Izy (and 6), Ilay Andriamanitra nanome fampanantenana. Izy koa no Ilay Jehovah miasa: Efa hitako, efa reko, efa nidina Aho (and 7). Tsy hoe mpiahy any lavitra any, fa Andriamanitra mitady izay hiasàna eo amin’ny fiainan’ny olony. Naneho ny tenany ho toy Ilay misy Izy: “Izaho Izay Izy”. Io no singa voalohany amin’ny finoana: “Misy Andriamanitra” (Hebreo 11. 6).

Tsy maintsy mianatra mahalala an’Andriamanitra lalindalina kokoa i Mosesy. Ao amin’ny Eksodosy 19. 16-21, dia tany Sinay ny vahoaka, ary teo no nisehoan’Andriamanitra tamin’ny fomba mahatahotra tokoa. Ho hitan’ilay mpanoratra ny lalàna bebe kokoa noho ny tao amin’ny roimemy ny fahamasinan’Andriamanitra; tsy afaka manatona Azy araka izay nahim-pony ny olona. Nidina teo an-tampon’ny tendrombohitra ny voninahitr’i Jehovah; niantso an’i Mosesy Izy, niresaka taminy; fa ny vahoaka kosa dia tsy maintsy nihataka lavitra. Nandritra ny enina andro ilay mpitarika dia nijanona teny an-tendrombohitra voarakotra zavatra “tahaka ny afo mandevona”; “Dia niantso an’i Mosesy tamin’ny andro fahafito teo afovoan’ny rahona Izy” (24. 16).

Ny zavatra fahatelo hitan’i Mosesy momba an’Andriamanitra dia ny famindrampony (Eksodosy 33). Nangataka ilay mpanompo hoe : “Mba ampahitao ny voninahitrao Aho”. Dia namaly Andriamanitra hoe: “Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao”. Teny an-tendrombohitra, dia nataon’i Jehovah teo an-tsefaky ny harambato izy, ary nandalo teo anatrehany i Jehovah niantso hoe: “Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana, mitahiry famindrampo amin’ny olona arivo mandimby, mamela heloka…”. Tamin’ny vavaka nataon’i Davida ao amin’ny Salamo 63, dia mangataka ny hahita ny hery sy ny voninahitr’Andriamanitra izy. Fa tahaka an’i Mosesy, dia nianatra koa izy fa “tsara noho ny aina ny famindramponao”. Any aoriana vao ho tonga ny voninahitra; ny famindrampo kosa dia efa sitrahina dieny izao.

Hitan’i Mosesy fa misy Andriamanitra; hitan’i Mosesy ny fahamasinan’Andriamanitra; hitan’i Mosesy ny famindrampon’Andriamanitra. Noho izany, dia misy fizarana telo lehibe ny vavaka nataony ao amin’ny Salamo 90: voalohany, misy Andriamanitra (and 2-6). Manaraka izay, masina Izy; “ny herin’ny fahatezerany” dia miantefa amin’ny ota (and 7-12). Farany, ny fizarana fahatelo dia manoritra ny famindrampony sy ny fahasoavany (and 13-17).

Izany no sekoly nianaran’i Mosesy tamin’ny fifandraisany tamin’Andriamanitra, raha niresaka taminy izy. Rehefa niaina izany sekoly izany ilay mpanompo, ka nahalala ny famindrampon’Andriamanitra, dia inona ny zavatra niseho? Ao amin’ny Eksodosy 34. 29 no ahitantsika ny famintinana mahagaga izany: “Namirapiratra ny hoditry ny tavany noho ny nitenenany taminy”.

Tsy mety ho toy izany koa ve eo amin’ny fiainantsika, raha mahay miresaka Aminy eny an-tendrombohitra isika?

 

6         IREO VOKATRY NY VAVAKA

Betsaka kokoa, tsy araka ny hieritreretantsika azy, angamba izy ireo, na ny eto an-tany hita maso na ny any amin’ny tsy hita maso; hiezaka ny hitsongo sasantsasany amin’izy ireo isika.

 

6.1        Ny fiadanan’Andriamanitra

Izany no teny fampanantenana ao amin’ny Filipiana 4, rehefa manambara ny fangatahana amin’Andriamanitra ka matoky fa mijery izay hahasoa ny olony Izy. Rehefa avy namoaka ny tao am-pony teo anatrehan’i Jehovah i Hana, dia niova ny endriny. Raha tsy mivavaka isika, dia be ny fanahiana. Fa raha mianatra mametraka ny fanahiana rehetra Aminy kosa, ary matoky fa miahy antsika Izy (1 Petera 5. 7), dia maivamaivana aoka izany! Izao ny hira ao amin’ny Isaia 26. 3: “Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy”.

Saingy ny fiadanana akory tsy midika hoe fidonanam-poana. Rehefa avy nanambara ny fangatahana tamin’ny Tompo, dia ilaina ny ho vonona hanao zavatra, hankatoa; aoka hatoky fa hamaly Izy, ary mandra-pahatongan’izany, dia mailo amin’ireo filàna sy ny fambara asehony antsika, na amin’ny fampianaran’ny Teniny izay aidiny indrindra ao am-pontsika.

 

6.2        Ny fifaliana noho ny valim-bavaka

Raha mivavaka araka ny sitrapon’Andriamanitra isika (fahasoavana lehibe raha tsy araka ny sitrapontsika!), dia nampanantenaina valim-bavaka, kanefa tsy hoe tsy maintsy araka ny niheverantsika azy. Misy fomba efatra azon’Andriamanitra hamaliana:

1.       Omeny izay angatahintsika. Araka ny sitrapony ny vavaka, toy ny ho nataon’i Jesoa raha Izy no teo amin’ny toerantsika.

2.       Miandry kely aloha, mandra-pahatongan’ny fotoana heverin’Andriamanitra fa ahazoana manome antsika ny valim-bavaka.

3.       Mamaly antsika araka ny fahendreny Izy, mety tsy araka ny fomba nangatahintsika, fa kosa amin’ny fomba ahatrarana ny tanjona kendrena.

4.       Farany, dia afaka mamaly Izy hoe: Tsia, — tahaka ny nataony tamin’i Paoly izay nangataka intelo tamin’ny Tompo ny hanesorana ny tsilo tao amin’ny nofony, izay nanelingelina ny asa fanompoany; kanefa dia nahazo toky ny apostoly, toky izay mbola mampahery kristiana maro nandritra ny taon-jato nifandimby: “Ampy ho anao ny fahasoavako” (2 Korintiana 12. 9). Tsy valim-bavaka mahagaga ve izany, na dia mbola teo ihany aza ilay tsilo?

Izany no hilazan’ny Tompo Jesoa amin’ny mpianany hoe: “Mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo” (Jaona 16. 24). Io fifaliana io dia mifamatotra amin’ny fankatoavana (15. 11), indrindra amin’ny fahitana Azy amin’ny finoana (16. 22 sy 14. 19).

Tamin’ny fotoana farany vao nafahana avy tao an-tranomaizina i Petera (Asa 12. 11). Rehefa nandondòna teo am-baravaran’i Maria ilay apostoly taorian’ny nanafahana azy, dia faly dia faly ilay ankizivavy atao hoe Roda; fa ny sasany kosa tsy nety nino raha tsy nahita (jereo Jaona 20. 29). Dia “talanjona” izy ireo (and 14-16).

Ny tsy finoana dia manala ny fifaliana. Tsy nanana firaisana tamin’i Abrahama tamin’ny vavaka i Saraha. Nila asa manokana avy tamin’Andriamanitra mba “handraisany hery” (Hebreo 11. 11). Alohan’ny hanomezana an’i Isaka, dia tsy maintsy havaozina aloha ny toe-pon’izy mivady, tsy maintsy niaiky ny fifanarahany handainga (Genesisy 20. 13) aloha izy ireo. Izay vao afaka mitahy Andriamanitra. Noho ny fifaliany, dia nantsoin’i Saraha hoe Isaka (hehy) (21. 6) ilay zaza, araka ny efa nanambaràn’Andriamanitra azy tamin’i Abrahama (17. 19).

Zakaria sy Elizabeta dia efa nampionon-tena hitoetra tsy hanan-janaka. Impiry impiry anefa izy no efa nivavaka mba hahazoana zaza! Raha niteny tamin’ilay lahiantitra ny anjely hoe: “Efa nohenoina ny fangatahanao… ary ho faly sy ravoravo ianao”, dia tsy nino ilay mpisorona; ho moana izy mandra-pahaterak’ilay zaza nampanantenaina. Ary teo, dia feno ny Fanahy Masina izy ka nisaotra ny Tompo (Lioka 1. 13-14, 67-79).

Nivavaka mangina tamin’ny Andriamanitry ny lanitra i Nehemia, teo anoloan’ny mpanjaka. Teo noho eo ihany dia nisy ny valiny mahafa-po. Feno fankasitrahana tokoa ilay mpandroso divay noho “ny soa nataon’ny tànan’Andriamanitro tamiko” (Nehemia 2. 5 sy 8).

Raha miresaka ny zanaky ny hafa firenena izay manaiky an’i Jehovah mba hanompo sy ho tia Azy Andriamanitra, dia hoy Izy hoe: “Hampifaliko ao an-tranoko fivavahana” izy ireo (Isaia 56. 7).

6.3        Ny fankasitrahana (fisaorana)

Efa nosoritantsika ny maha-zava-dehibe izany. Ohatra maro no mampibaribary ny lanjany. I Daniela sy ireo namany telo lahy, izay mpiara-dia vitsy, dia nangataka “famindrampo amin’Andriamanitry ny lanitra ny amin’izany zava-miafina izany”. Nambara tamin’i Daniela ilay nofy. Dia “nisaotra an’Andriamanitry ny lanitra i Daniela”: “Ianao, ry Andriamanitry ny razako ô, no deraiko sy isaorako, satria… efa nampahafantarinao ahy izay nangatahinay taminao” (Daniela 2. 17-23).

Nanoloana ny fanafihan’ny Moabita sy ny Amonita, dia “nanatrika tsara hitady an’i Jehovah” i Josafata (2 Tantara 20. 3). Dia niangona ny Joda avy tamin’ny tanàna rehetra mba hangataka famonjena amin’Andriamanitra. Izao no namaranan’ny mpanjaka ny vavaka nataony: “Ry Andriamanitray ô… izahay dia tsy mana-kery hanohitra ireo olona betsaka ireo, izay avy hamely anay, koa tsy hitanay izay hataonay; fa Ianao no handrandrain’ny masonay” — Nanoloana ny fahavalo, dia niara-nidinika tamin’ny vahoaka i Josafata ary… nametraka mpihira ho an’i Jehovah! Raha vao nanomboka ilay hiram-pandresena, dia resy ireo mpanafika, ary nifamono. Rehefa avy namabo ny haren’izy ireo ny mpanjaka sy ny miaramilany, dia “nivory tao amin’ny lohasaha Beraka (Fisaorana) izy, fa tany no nisaorany an’i Jehovah… fa Jehovah nampifaly azy ny amin’ny fahavalony”.

Ao amin’ny Genesisy 24. 14, dia nivavaka ilay mpanompo mba hahay hahafantatra izay “ho voatendrinao ho an’Isaka mpanomponao”. Mazava ny valim-bavaka azony; kanefa te haka toky izy fa tena taranak’i Nahora ilay tovovavy, izany hoe fianakavian’i Abrahama. Dia niondrika ka niankohoka izy: “Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr’i Abrahama tompoko… fa izaho dia notantanan’i Jehovah teny an-dàlana” (and 27).

6.4        Ny fiombonana

Tao amin’ny fiangonana tao Laodikia, dia tsy nanan-toerana intsony ny Tompo; teny ivelany Izy. Noho ny fahasoavany anefa, dia mbola mandondòna eo am-baravarana ihany Izy: “Raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko” (Apokalypsy 3. 20). Fiombonana feno fitahiana amin’Ilay nametraka tao am-ponareo ny faniriana hamoha ny varavaran’ny fonareo.

Ao amin’ny 2 Mpanjaka 4, araka ny efa hitantsika, dia nandrindrim-baravarana ilay vehivavy sy ny zanany; feno diloilo tao amin’ny mangingina ireo tavoara. Fiombonana no nisy teo amin’ilay reny sy ny zanany! Ohatra amin’ny finoana iombonana ao amin’ny fianakaviana iray, izay niara-nivavaka ary miandrandra ny Tompo ahazoana valim-bavaka, amin’ny tranga iray, amin’ny fanapahan-kevitra tsy maintsy raisina, amin’ny fizahan-toetra na ny fahoriana.

Fiombonana amin’ny mpivady, “mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiainana” (1 Petera 3. 7); fiombonana eo amin’ny mpisakaiza, toa an’i Petera sy Jaona izay niara-niakatra nankeo an-tempoly tamin’ny ora fotoam-pivavahana (Asa 3. 1); fiombonana ao amin’ny fiangonana, rehefa “miara-manandratra ny feony ho amin’Andriamanitra” (Asa 4. 24).

 

6.5        Ny faharetana

Rehefa avy nametraka ny vavaka nataony teo anoloan’Andriamanitra ny mpanao salamo, dia milaza hoe: “Hanandrandra aho” (Salamo 5. 3) — “Tsara ny miandry ny famonjen’i Jehovah amin’ny fanginana”, hoy Jeremia (Fitomaniana 3. 26); fahanginan’ny saina izay matetika miroaroa, fahanginan’ny fo izay mirona amin’ny fimonomonomana. Raha nampirisika ny mpianany ny Tompo Jesoa mba “hivavaka mandrakariva… ka tsy reraka”, ary nitaona azy ireo haharitra, dia nanampy Izy hoe: “Andriamanitra hanome rariny ny olom-boafidiny… na dia hampiandry azy ireo aza Izy!” (Lioka 18. 1 sy 7[9]). Manazatra ny finoana Izy, mbola tsy masaka ny voa, tsy maintsy ekena aloha ny fampianarana entin’ny fizahan-toetra.

6.6        Ny fahafoizan-tena

Rehefa nahazo valim-bavaka i Hana, dia “natolony” an’i Jehovah ilay zaza amin’ny andro rehetra hiainany. Tsy zavatra kely ho an’ny reny izany manolotra ny zanany izany, mba hanompo ny Tompo any lavitra any, na amin’izay tranga mety ataon’ny Tompo eo anatrehany!

Hoy i Petera tamin’i Jesoa (ny vavaka voalohany nataony): “Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho”. Tsy neken’ny Tompo izany fangatahana izany; izao fotsiny no navaliny hoe: “Aza matahotra”. Inona no vokany? “Nahafoy ny zavatra rehetra (izy ireo) ka nanaraka an’i Jesoa” (Lioka 5. 8-11).

 

6.7        Manome fiainana

(eo ambany fitondràn’Andriamanitra)

Ao amin’ny 1 Jaona  5. 16, raha misy olona mahita ny rahalahiny manota, dia tsy ho maika ny hitantara izany amin’ny hafa izy, fa mitondra izany am-bavaka kosa, ary “hanome fiainana ho azy”. Izany no nataon’i Abrahama tamin’i Abimeleka, ao amin’ny Genesisy 20. 7. — Nikasa ny handevona an’i Arona i Jehovah, saingy nifona ho azy i Mosesy, ary tsy nataon’Andriamanitra izany (Deoteronomia 9. 20). Nilaza i Jehovah fa handringana an’i Isiraely, kanefa nivavaka i Mosesy: “Nifona tamin’i Jehovah aho ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, aza mandringana ny firenenao…”; dia namela heloka Andriamanitra (and 26).

 

6.8        Ny fanafahana

Noho ny tsy faharetan’ny fokon’i Isiraely tany an’efitra, dia nandefa teny amin’ny olona ny menarana afo nanaikitra azy ireny i Jehovah; maro no maty (Nomery 21. 6). Niaiky izy ireo fa nanota ary nangataka tamin’i Mosesy hoe: “Ifony amin’i Jehovah izahay mba hanesorany ny menarana aminay”. Dia nanantona ny menarana varahina tamin’ny hazo lava i Mosesy; izay nijery an’izany dia velona (21. 9; Jaona 3. 14).

Tamin’ny vavaka nataony, dia fantatr’i Solomona mialoha fa ho be ireo tsy fahatanterahana hanjo na ny olona tsirairay, na ny vahoaka; fa nangataka tamin’Andriamanitra izy hoe “Mihainoa, Ianao… ka mamelà ny fahotan’ny mpanomponao” rehefa hitodika Aminao sy hiaiky ny fahotany ireo diso (1 Mpanjaka 8. 30-50),ary naverimberiny matetika tamin’io vavaka io izany.

Na dia i Manase aza, izay ratsy indrindra tamin’ny mpanjakan’i Joda, nony niverina ary “nanetry tena indrindra teo anatrehan’ny Andriamanitry ny razany ka nivavaka taminy, (dia) nanaiky Jehovah ka nihaino ny fifonany, ary nampody azy ho any Jerosalema” (2 Tantara 33. 12-13).

Ao amin’ny Asa 4. 24, tamin’ny vavaka voalohany nataon’ny fiangonana, dia nomena azy ireo ny fahasahiana ho valin’ny fitarainany. Ao amin’ny Asa 12 dia misy ny fanafahana an’i Petera. Ao amin’ny Filemona 22, dia mangataka i Paoly, izay tany am-ponja, mba hanomanana trano, “satria manantena aho fa homena anareo noho ny vavaka ataonareo”.

Fa Andriamanitra, amin’ny fahendreny, dia tsy manafaka foana akory. Ny Salamo 138. 3 dia manome antsika fampaherezana tsara tokoa: “Tamin’ny andro nitarainako dia namaly ahy Ianao; nomenao fahasahiana aho, ka nisy hery ny fanahiko”. Tsy manome fanafahana Andriamanitra, fa mba hisedrana ny fizahan-toetra, dia manampy hery ho an’ny fanahy Izy.

6.9        Mahatakatra ny sitrapon’Andriamanitra

Tiana ny hahazo ny hevitr’Andriamanitra, ny hahafantatra ny làlan-kizorana, ny hanavaka ny tranga ahazoana manome, na ara-materialy na ara-panahy — zava-dehibe tokoa izany ny fahamailoana mba hahitana ireo famantarana momba ny valinteny mety homen’Andriamanitra, fa tsy ho dila an’izany.

Tamin’ny ora fahenina i Petera dia niakatra teny ambonin’ny tampon-trano mba hivavaka. Nasehon’ny Tompo azy tamin’ilay lamba lehibe feno biby, fa tsy tokony hihevitra na iza na iza ho toy ny olona tsy madio izy. Tsapan’ilay apostoly tamin’izay fa sitrapon’Andriamanitra ny handehanany any amin’i Kornelio. Namaly ilay fanasana izy, fa “tsy nandà” (Asa 10).

Raha hitan’i Manoa fa hahazo taranaka izy, dia nanontany ilay anjely hoe : “Raha tanteraka ilay teninao, ahoana ange no hitondranay ny zaza, ary inona no asany?” (Mpitsara 13. 12). Tiany ho fantatra ny sitrapon’Andriamanitra momba ny fitaizana io zazalahy izay niriny fatratra io. Voalohany indrindra, tsy maintsy mitandrina tsy hihinana zava-padina ny reniny. Rehefa nitombo ilay zaza, dia notahian’i Jehovah. Nijanona ho Nazarita izy mandra-pivarony ny tsiambaratelony tamin’i Delila ary lasa jamba. Tsy nahatakatra ny sitrapon’Andriamanitra izy, ary tsy nitady izany akory.

6.10   Mampahiratra ny maso

Ilay mpanompon’i Elisa dia raiki-tahotra raha nahita ireo miaramila nanodidina ny tanàna. Ao amin’ny 2 Mpanjaka 6. 17, dia mivavaka i Elisa hoe: “Jehovah ô,… ampahirato ny masony mba hahitany”. Rehefa nampahiratin’i Jehovah ny mason’ilay zatovolahy, “indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an’i Elisa”. Tsy matetika ve isika no mila hazavaina ny masontsika mba hahaizana mahatsikaritra izay rehetra omen’ny herin’Andriamanitra sy ny fahasoavany ho antsika, mba hanafahana na hampaherezana antsika?

Nandritra ireo telo andro naha-jamba an’i Saoly sy nifadiany hanina, dia izao no zavatra voalohany nolazaina antsika momba azy: “Indro, efa mivavaka izy”. Nirahina nankany aminy i Ananiasy; nisy toy ny kiran-trondro niala tamin’ny masony, ary nahiratra izy; tsy fahitana ara-batana fotsiny ihany; fa nanomboka nisokatra tamin’ny zava-mahagaga nambaran’Andriamanitra ny mason’ilay ho tonga apostoly lehibe ho an’ny jentilisa.

Afaka hitanisa ohatra maro momba ireny valim-bavaka mahagaga ireny isika, rehefa ny finoana no ao am-po ary rehefa mahatoky ny hamoram-pon’ny Ray. Ny tsirairay koa dia afaka mitantara ny zavatra niainany manokana.

Ny amin’ny zavatra ara-panahy indrindra indrindra, raha mamaly ny vavaka ataontsika Andriamanitra ka manome antsika fampaherezana, fampianarana amin’ny Teniny, aoka tsy hohazonintsika ho antsika fotsiny izany noho ny fitiavan-tena, fa aoka isika hahay hizara izany amin’ny sasany: “Omeonareo hanina izy”, hoy Jesoa tamin’ny mpianatra (Matio 14. 16). Mba hahazoany manome hanina ny vahoaka, dia tsy maintsy nentiny teo amin’ny Tompo ireo mofo dimy sy hazandrano roa. Fa rehefa nampitomboin’ny Tompo kosa izany, dia “natolony ny mpianatra, ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an’ny vahoaka”. “Efa nahazo ianareo… koa manomeza” (Matio 10. 8).

Nahery nivavaka tokoa i Davida tamin’ny fiainany; be ireo valim-bavaka sy toro-lalana azony, ary mandra-pahatapitry ny diany, dia nisitraka foana ny fahasoavan’Andriamanitra, Izay mamela heloka sy manarina, izy. Tamin’ny farany, dia neken’i Jehovah ny vavaka nataony mba ho i Salomona no hisolo azy eo amin’ny seza fiandrianana. Namorona ny Salamo 72 ilay mpanjaka antitra tamin’izany, angamba ny salamo farany nataony, ary toy izao no hamaranany azy: “Tapitra ny fivavak’i Davida, zanak’i Jese”.

 

7         ILAY OHATRA FARA-TAMPONY

Betsaka ny olona nivavaka, na tao amin’ny Testamenta Taloha na tao amin’ny Vaovao. Efa nojerentsika ihany ny momba ny vavaka nataon’izy ireo, ny finoana nanetsika azy, ary ny vokany. Fa misy kosa ohatra fara-tampony, dia ny an’ny Zanak’olona, Ilay Andriamanitra tonga nofo, ary ny vavaka no nanamarika ny diany rehetra tetỳ an-tany. Ireo Filazantsara aloha no tena mampiseho Azy amintsika, amin’ny firesahany amin’Andriamanitra, amin’ny Ray. Ao amin’ny epistily ho an’ny Hebreo (10. 5-9), raha vao “niditra tamin’izao fiainana izao” Izy, moa tsy azo atao hoe nanonona ny vavaka voalohany nataony ve Izy, tamin’ny hoe: “… Fa tena no namboarinao ho Ahy… Inty Aho tonga… hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô”? Ary nandritra ny androm-piainany tao amin’ny nofo, dia afaka nilaza Izy hoe: “Fa izaho kosa dia mivavaka” (Salamo 109. 4).

Ny Filazantsaran’i Lioka, izay manambara ny Zanak’olona, dia mampiseho indrindra ny Tompo Jesoa mivavaka. Impito Izy no hitantsika manao izany, tamin’ny tranga nanamarika io lalana feno fanetrentena sy fitiavana io; ny vavaka fahavalo dia notononona tao Getsemane; ny farany, teo amin’ny hazofijaliana. Marihina kely fa ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona, izay manambara ny Zanak’Andriamanitra, dia tsy mivavaka i Jesoa, afa-tsy “noho ny vahoaka” (11. 41), sy ny toko faha-17 izay hiresahany amin’ny Rainy, mazava ho azy.

Nisy tranga telo, izay nambara tany amin’ny filazantsara hafa koa, fa ao amin’ny Lioka ihany no miaraka amin’ny vavaka: ny batisa, ny fifidianana ny mpianatra, ny fiovan-tarehy.

1.       Nandritra ny batisa (3. 21-22), dia hoy i Jesoa ao amin’ny Matio: “Izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra”. Nijoro ho vavolombelona nanoloana ny vahoaka Izy, niombona tamin’izy ireo tamin’ny fibebahana, na dia tsy nilainy mihitsy aza izany; fa io hetsika io dia nifanaraka tamin’ny toerana noraisiny. Ao amin’ny Lioka, raha vao vita ny batisa, dia nanoloana an’Andriamanitra i Jesoa: nivavaka Izy. Dia nisokatra ny lanitra; nifamotoana ny Telo Izay Iray: hoy ny Ray: Ianao no Zanako malalako; nidina teo amboniny ny Fanahy masina toy ny voromahailala; ary mivavaka ny Zanaka.

2.       Ao amin’ny Lioka 5. 15-16, niely ny lazan’ny Tompo; be ireo vahoaka nivory hihaino Azy sy hositranina. “Ary niala teo Izy, dia nitoetra tany an’efitra ka nivavaka”. Amin’ny ankapobeny, dia zavatra roa loha no soritana amintsika momba ny vavaka nataon’ny Tompo: ny toerana nivavahany (tamin’ilay teo aloha, tany Jordana, amin’ity any an’efitra) ary ny zava-niseho tamin’izany. Amin’ity andàlana ity, dia nampianatra Izy, nanasitrana, nanatontosa ny asa nanirahana Azy; amin’ izao, am-panetrentena sy tsy misehoseho no hiatahany, rehefa vita ny asa. Fifandanjana manao ahoana no ao amin’izany fiainana izany! Ohatra toy inona izany ho antsika hahaizantsika mihataka sy mikolokolo amin’ny vavaka io fifandraisana amin’Andriamanitra io, izay tena ilaina tokoa rehefa avy nampiseho ny Teniny na nahatonga fitahiana ho an’ny olona iray.

3.       Nandeha teny an-tendrombohitra i Jesoa mba hivavaka (6. 12). Irery manoloana ny Andriamaniny Izy. Safidy no hatrehany: nony maraina, dia niantso ireo mpianany Izy, ary amin’ireo no nifidianany roa ambin’ny folo izay nantsoiny koa hoe apostoly. Safidy nanan-danja lehibe tokoa izany. Amin’ny iray tamin’ireo no tsy maintsy nilazany indray andro fa: “Mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery”. Ny roa amin’ireo dia homeny anarana hoe “zana-baratra”. Ary tamin’ireo roa ambin’ny folo ireo no nisy ilay mpamadika, ary isaky ny voatonona ny anarany dia lazaina foana ny fahotana nataony; izy no ilazana tamin’ny alina iray hoe: “Ry sakaiza, haninona eto ianao?”. Fiankinan-doha manao ahoana no nilain’Ilay olona lavorary tamin’izany safidy izany. I Lioka ihany no milaza amintsika fa, tsy vitan’ny hoe nivavaka ny Tompo, fa naharitra “nandritra ny alina” Izy nivavaka tamin’Andriamanitra, — io ihany no tranga ampiasana io fomba fiteny io. Nandany alina iray manontolo Izy nivavaka! Tsy mankaleo an’Andriamanitra mihitsy isika amin’ny vavaka ataontsika tsirairay manokana; afaka mamoaka ny ao am-pontsika rehetra eo anatrehany isika, na dia lava aza izany. Fa tsy toy izany kosa rehefa eny imasom-bahoaka. Ny vavaka ataontsika dia mety mankaleo ireo izay mandre, sy Ilay mihaino, indrindra raha te “hampianatra amin’ny vavaka” isika!

4.       Dia “nivavaka tao amin’ny mangingina” indray i Jesoa; tamin’ity indray mitoraka ity, dia “teo aminy ny mpianany” (9. 18). Rehefa nitsangana Izy, dia nijery ny manodidina Azy; niaraka taminy nandritra ny fotoana kely ireo; nitodika tany amin’izy ireo Izy ary nanontany hoe: “Ataon’ny olona ho iza moa Aho?”. Dia tohizany hoe: “Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza?”. Miankina amin’ny valinteny ataon’ireo ny tohin’ny zavatra rehetra. Azon’izy ireo ve, na dia kely fotsiny aza, hoe iza Izy? Vao avy nivavaka teo anoloany Izy. Tsy hanomana ny fon’izy ireo ve no antony? Dia nanome ity valinteny tsara marihina ity i Petera: “Ny Kristin’Andriamanitra”.

Niara-dia tamin’ny Tompo isika nandritra ny fotoana fohy; toy ny milaza amintsika Izy hoe: Inona moa no anjara toerako ao amin’ny fiainanao? Amin’ny zavatra diavinao? Amin’ny maha Izaho Ahy? Inona no ho valintenintsika? Nampian’i Jesoa ilay valintenin’i Petera, ary tamin-kery tokoa no nilazany hoe: “Ny Zanak’olona tsy maintsy hijaly mafy”. Ho Azy, dia tsy fandresena, tsy voninahitra, tsy seza fiandrianana, fa hazofijaliana. Ary ho anareo izay manaraka Ahy, “Raha misy ta hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, dia hitondra ny hazofijaliany isan’andro”.

5.       “Havaloana taorian’izany teny izany” (Lioka 9. 28-32), dia niakatra teny an-tendrombohitra iray i Jesoa “hivavaka”; tamin’izany, dia tsy ny mpianatra rehetra no niaraka taminy, fa i Petera sy Jaona ary Jakoba. Ao amin’ny Matio sy Marka, dia nentiny nihataka izy ireo, “afaka henemana” niasana sy nanompoana. Ny “andro fahavalo” (aorian’ny Sabata) dia efa nampiseho sahady fahitana momba ny hoavy ao amin’ny Testamenta Taloha: fanolorana ny voaloham-bokatra, fetin’ny Pentekosta, andro lehibe ho an’ny Tabernakely (Levitikosy 23).

Teo amin’io tendrombohitra io, dia te hatory mafy ireo mpianatra telo lahy; “nefa nahari-tory ihany izy, dia nahita ny voninahitr’i Jesoa” (and 32). Miseho i Mosesy sy i Elia, toy ny ao amin’ireo filazantsara hafa; fa i Lioka irery no mitantara ny resaka nifanaovan’izy ireo tamin’ny Tompo: “Mosesy sy Elia… nilaza ny fialàny, izay efa hefainy any Jerosalema”. Ireo lehilahy roa ireo fahiny dia efa nanoloana an’Andriamanitra teny amin’ny tendrombohitra hafa. Tany Horeba dia nomena ny lalàna; re tany ilay feo malefaka. Eto isika dia eo amin’ny ivon’ny fihevitr’Andriamanitra. Napetraka teo anoloan’ny hazofijaliana ireo apostoly, ary ny vavan’Ilay hanatanteraka izany mihitsy no nilaza izany tamin’izy ireo.

6.       “Tao amin’ny fitoerana iray”, dia nivavaka i Jesoa (Lioka 11. 1). Nandinika Azy ireo mpianany. Marihina fa tsy nivavaka niaraka tamin’ireo mpianany mihitsy i Jesoa. Nivavaka ho azy ireo izy, nivavaka teo anoloany; saingy tsy afaka ny hitovy lenta Aminy izy ireo, eo anatrehan’ny Ray; na dia tamin’ny andro nitsanganany tamin’ny maty aza, dia tsy nilaza Izy hoe: Miakatra ho any amin’ny Raintsika Aho, fa “miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho”. Antsoiny hoe rahalahiny isika, saingy Izy kosa dia mitoetra ho “Ilay lahimatoa amin’ny rahalahy maro”; tsy mendrika antsika mihitsy ny miantso azy hoe rahalahy.

Imbetsaka ny mpianatra no nahita an’i Jesoa nivavaka. Farany dia mba nitsiry tao anatin’izy ireo koa ny faniriana hanahaka Azy: “Tompoko, mampianara anay hivavaka”. Te hiditra amin’izany fiainam-bavaka izany izy ireo ankehitriny. Mampirisika azy ireo ny ohatra omen’ny Mpampianatra; efa nahita sasantsasany tamin’ny valim-bavaka koa izy ireo. Mampianatra azy i Jesoa hoe: “Raha mivavaka ianareo, dia ataovy hoe: Rainay…”. Nampiany ilay fanoharana momba ireo mpinamana telo sy ilay fangatahana tsotra dia tsotra hoe: “Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho”. Ny Ray dia hanome mandrakariva “zavatra tsara”.

7.       Hifarana ny dia. Fanimpitony izao no ahitantsika ny Mpampianatra mivavaka. Mivavaka ho an’i Petera, izay halain’i Satana fanahy Izy, na dia feno fahatokisan-tena aza i Petera: “Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao” (22. 32). Fanalàlana mahatoky ataon’ny Tompo ho an’ny olony; ho an’i Petera, dia fahazoana toky fa “hiverina” izy ary mbola ho afaka hanohy ny fanompoany ihany; tsy noho ny fahatokiany sy ny fiheverany ny tenany — “Tompoko, vonona hanaraka Anao aho, na ho ao an-tranomaizina, na dia ho any amin’ny fahafatesana aza” — fa satria nivavaka ho azy i Jesoa.

Marihina fa raha toa ka tranga fito nanaovana vavaka fangatahana no hita ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka, dia misy hafa kosa izay hanaovan’ny Tompo fisaorana. Izany indrindra no hita ao amin’io toko io ihany, rehefa mamaky ny mofo Izy sy manolotra ny kapoaka ho an’ny mpianany. Ahoana moa no nahafahany “misaotra”, raha nieritreritra ny dikan’io tena novakiana sy ra alatsaka io Izy? Misaotra manoloana ny fijaliana, ny fahafaham-baraka sy ny henatra, ny fandaozan’Andriamanitra! Tsy ny “hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany” ve no nahatonga Azy hiaritra “ny hazofijaliana, fa tsy nitandro henatra”? (Hebreo 12. 2)

8.       Getsemane (Lioka 22. 39-46).

Matetika isika no efa namaky sy nisaintsaina io andàlana io, kanefa tsy torotoro foana ve ny fontsika isaky ny manao izany? Nanorina ny Fanasan’ny Tompo i Jesoa; nihira hira fiderana Izy niaraka tamin’ireo iraika ambin’ny folo lahy; izao dia mihazo ny lalana mankeny amin’ny tendrombohitra Oliva ilay andiany kely. Ao amin’ny Matio 26. 31, dia mbola miteny amin’ny olony ihany i Jesoa; notsahiviny ny tenin’ny mpaminany hoe: “Hamely ny mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry andrasana”. Ao amin’ny Lioka (22. 37), dia hevitra hafa no misongadina: “Tsy maintsy ho tanteraka amiko izao voasoratra izao hoe: Ary Izy natao ho isan’ny mpanota”. Ho vonoina ilay Zanak’ondry. Ny mba tiany, dia ny hizaràn’ny sakaizany aminy, na dia kely fotsiny aza, ny tebitebiny sy ny fijaliany: “Mivavaha…”. Ao amin’ity filazantsara ity, tsy mpianatra telo ihany no nentiny niaraka taminy, fa “ny mpianatra koa nanaraka Azy”. Nihataka sahabo ho indray mitora-bato Izy, halavirana ahafahan’ny mpiandry ondry manipy baingan-tany amin’ny tehina, mba hamerenana ny ondry mandeha lavitra. I Lioka ihany no milaza amintsika fa nandohalika Izy. Nivavaka Izy, nanao hoe: “Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao”. Natory ireo ondriny vitsivitsy; mbola tsy “nahahaka” akory izy ireo, kanefa dia irery ilay Mpiandry ondry. Mangotraka ny fitalahoany. Ao anatin’ny tebitebin’ny ady Izy; nandefa anjely ny Ray hampahery Azy. Inona no nolazain’io anjely io taminy? Tsy fantatsika. Angamba izy nampahatsiahy ny Salamo 102, izay hanehoan’ny olona ory, amin’ny fivavany, ny fitarainany eo anoloan’i Jehovah: “Efa nahaketraka ny heriko tany an-dàlana Izy; efa nahafohy ny androko Izy. Hoy izaho: Andriamanitra ô, aza maka ahy an-tenantenan’ny androko! …” — Inona ny valiny nataon’Andriamanitra? — “Ny taonanao mihatra amin’ny taranaka fara mandimby. Tany aloha no nanorenanao ny tany; ary asan’ny tànanao ny lanitra. Ireo dia ho levona, fa Ianao no maharitra… Fa Ianao no tsy miova, ary ny taonanao tsy ho tapitra” (Salamo 102. 23-27).

Teo Izy, toy ny olona naetry, ketraka tanteraka. Ny hatsembohany dia tahaka ny ra nipotrapotraka tamin’ny tany. Nitsangana Izy raha avy nivavaka, ary nahita ny mpianatra natory noho ny alahelo: “Nahoana no dia matory ianareo?”. Tsy manaitra ny saintsika ve io “nahoana” io, isika izay matetika loatra, rehefa mandray anjara amin’ny tsangambato fahatsiarovana ny nahafatesan’ny Tompo, no manadino ny “mamantatra ny tena” amin’ny mofo izay hanimbinantsika? (1 Korintiana 11. 29).

Teo amin’ny hazofijaliana, teny iray farany nataon’i Jesoa no milaza ny fivavany ho an’ireo izay nanodidina Azy: “Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony” (23. 34). Izany no fangatahany ho an’ireo izay namono Azy. Vita ny asan’izy ireo. Ny fahasoavana tsy mety ritra ananan’ny Tompo anefa no mivavaka ho azy ireo: tsy fantany izay ataony.

Mbola haverin’i Petera izany hevitra izany, raha niteny tamin’ny vahoaka teo amin’ny Fialofan’i Solomona izy: “Fantatro fa tamin’ny tsy fahalalana no nanaovanareo izany, tahaka ny mpanapaka anareo koa… Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo” (Asa 3. 17-19). Nety ho naniratsira ny Tompo sy ny asany ny olona, tsy niraharaha ny fijaliany, kanefa mbola misokatra ihany ny varavaran’ny fahasoavana. Saingy tsy maintsy mibebaka, manova fomba fisainana momba ny tena, momba an’Andriamanitra ary momba an’i Kristy. Tsy maintsy ekena ny fahadisoana lehibe tamin’ny nandàvana ny Mpamonjy, tamin’ny tsy nahafantarana fa Izy no Ilay Zanaky ny fitiavan’ny Ray, tamin’ny tsy niraharahana io fanomezana tsy hay lazaina io; — tamin’ny nanomezan-tsiny tao am-po an’Andriamanitra fa Izy no anton’izao faharatsiana rehetra izao, izay vokatry ny ota sy ny herin’i Satana anefa; — tamin’ny tsy nahafantarana fa i Jesoa no Ilay Zanaka Lahitokana nomen’Andriamanitra, “mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay”. Raha mibebaka ny olona, raha miverina sy miova fo ary mino ny Mpamonjy, dia hofafana ny heloka, ary rehefa mandray an’i Jesoa, dia tonga zanak’Andriamanitra, nateraka indray, naterak’Andriamanitra (Jaona 1. 12-13).

9.       Ndeha ho jerena kely koa ilay vavaka ao amin’ny Jaona 17, izay hany resaka nifanaovan’i Jesoa sy ny Rainy voatahiry amin’ny antsipiriany. Taorian’ny fiaraha-misakafo farany, dia teo afovoan’ny mpianany i Jesoa. Talohan’izay Izy dia nanasa ny tongotr’izy ireo, mba hananany “anjara aminy”. Rehefa avy nanorina ny Fanasan’ny Tompo Izy, dia nanome azy ireo ny fampianarana ao amin’ny Jaona 14 hatramin’ny Jaona 16. Izao dia mitodika amin’ny Rainy Izy. Fahiny, ny andry rahona dia nitarika ny vahoaka; io no fanatrehan’Andriamanitra, nefa koa nanakona ny voninahiny; raha nameno ny tabernakely na ny tempoly io andry rahona io, dia tsy nisy nahazo niditra tao. Fa amin’izao fotoana izao kosa, raha azo lazaina, dia triatra io rahona io mba hampisehoana ny voninahitra izay efa hatrizay hatrizay: “Vitako ny asa nomenao Ahy hataoko. Ary ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin’ny tenanao, dia amin’ny voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao” (and 1-5).

Dia mitohy ilay vavaka: “Nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy… Tiako mba ho any amiko amin’izay hitoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro izay nomenao Ahy izy”. Voninahitra nomen’Andriamanitra, ifampizarantsika Aminy, kanefa voninahitra ho Azy irery ihany, izay ho banjinintsika fotsiny. Ary tamin’ireo lahatsoratra rehetra nodinihintsika, izay mampiseho an’i Jesoa mivavaka, moa ve tsy nisy sombintsombin-taratr’izany voninahitra ara-moraly[10], izay nanamarika ny diany tetỳ an-tany, izany?

Dieny izao isika dia afaka mibanjina, amin’ny finoana, io voninahitry ny Tompontsika io, ka “ovàna” amin’izany fijerentsika azy izany (2 Korintiana 3. 18). Ny tavantsika, toy ny an’i Mosesy fahiny, dia hamirapiratra, satria ho “niresaka taminy” isika (Eksodosy 34. 29).

 

 

 



[1] Jereo ilay bokikely nosoratanay “Entrer et sortir”

[2] Jereo ilay bokikely nosoratan’i J. N. D.: “Ny fanompoam-pivavahana araka ny Soratra Masina”

[3] Ny tena tianay holazaina eto dia ireo heloka moraly, toy ny nambara ao amin ‘ny Efesiana 4. 25-31 na 1 Petera 2, ary mifanohitra amin’ny voalaza ao amin’ny Efesiana 5. 3.

[4] Jereo C. H. M. Momba ny fivoriam-bavaka

[5] Jereo H. Rossier “Jakoba na ny famaizana”, ary ny bokikely nosoratanay “Jakoba”.

[6] Jereo ny bokikely nosoratanay hoe “Jeremia”

[7] Jereo ilay bokikely hoe “Ireo fety fito voatendrin’i Jehovah, dingana eo amin’ny fiainana kristiana”.

[8] Momba ny fiangonana, dia jereo “Ny Fiangonan’Andriamanitra” nosoratan’i A. Gibert, ary (ho an’ireo tanora), ilay bokikely nosoratanay hoe “Ilay anarana mampivory”.

[9] Fanamarihana amin’ny dikanteny DIEM

[10] Jereo J. G. Bellett “Ny voninahitra ara-moraly nananan’ny Tompo Jesoa”