[Page principale | Nouveautés | La Bible | Chant- Cantiques]

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Ilay Anarana mampivory

 

 

 

 

 

 

 

 

G. André

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Le Nom qui rassemble

 

Bibles et Publications chrétiennes

30, rue Châteauvert — 26000 Valence (France)

 


 

 

 

 

 

 

FANDAHARANA

 

 

Sasin-teny

Fampidirana

I.                 Ny tenan’i Kristy

II.                Ny tranon’Andriamanitra

III.              Ny faharavana

IV.              Tafavory ho fiangonana

Ny fanompoam-panahy

Ny fivoriam-bavaka

Ny fivoriana fampandrosoana

V.               Ny fanompoana sy ny fanomezam-pahasoavana

VI.              Ny Fanasàn’ny Tompo sy ny Latabany

Ny fifehezana

VII.            Ny vady

 


Sasin-teny

 

Maro ireo boky sy raki-tsoratra miresaka momba ny Fiangonan’Andriamanitra, izay mbola azontsika vakiana hatramin’izao.

Ny sasany amin’ireo dia mamakafaka izany amin’ny ankapobeny. Anisan’ny vao haingana indrindra amin’ireny dia: “Ny Fiangonan’Andriamanitra”, nosoratan’i A. Gibert, ary mifandray tsara amin’ny lohahevitsika. Ny sasany, izay efa tranainy kokoa, dia mbola mifandraika amin’izao vanim-potoana izao ihany, toy: “Ny Fanasàn’ny Tompo sy ny Latabatry ny Tompo”, nosoratan’i A. Ladrierre. Misy asasoratra hafa, miresaka lohahevitra manokana, ohatra: “Inona no atao hoe fivoriam-piangonana?”, nosoratan’i H. Rossier; “Inona no atao hoe sekta?” sy “Ny fanompoam-panahy araka ny Soratra Masina” ary “Ny fifehezana”, nosoratan’i J. N. Darby; na koa: “Taratasy dimy momba ny fanompoam-panahy sy ny fanompoana entanin’ny Fanahy Masina”, nosoratan’i W. Trotter.

Maro ny lohateny azo tanisaina. Koa nahoana àry no nosoratana ity boky kely ity? Tsy natao hamintina velively, na indrindra hanolo ireo raki-tsoratra sarobidy ananantsika izy ity. Vokatra dinidinika nifanaovana tamina zatovo izy ity, nohavaozina nandritra ny taona maro, matetika niaraka tamina mpanompon’Andriamanitra efa nantsoiny any Aminy ankehitriny; ary ny tanjony dia ny hamahavaha izany lohahevitra midadasika izany. Tsy tena hisy voka-tsoa ho azo amin’izany, raha tsy mitodika lalandava amin’ny Soratra Masina, sy mandalina ireo raki-tsoratra notanisaina terỳ aloha, izay iverenana hatrany, ato amin’ity lahatsoratra ity.

Ny taranaka tsirairay dia mila miverina any amin’ny loharano, ho fanasoavany ny tenany, mba hitoerany ao amin’izay zavatra tsy hoe “nampianarina” ihany, fa “nampinoana” koa (2 Timoty 3. 14). Tsy hoe mitandrina riba, na manaraka fombafomba izay mazàna nampianarina, fa mifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra sy mahay manararaotra ireo asasoratra navelan’ny Tompo ho antsika, tamin’ny alalan’ireo mpanompony, ka manolotra tanteraka ny fo ho an’ilay sarobidy indrindra aminy eto an-tany, dia ny Fiangonana, izay notiaviny sy nanolorany ny ainy.

G. André

 


 

Fampidirana

 

 

“Na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho” (Matio 18. 20).

 

“Izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka” (Matio 12. 30b).

 

 Anarana mampivory ny navotanao manodidina Anao, na tsy eo aza Ianao

(Fihirana).

 

Jesoa — “Tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra, nomena ny olona, izay hahazoantsika famonjena” (Asan’ny Apostoly 4. 12). Tsy misy koa anarana hafa mety ho ivon’ny fivorian’ny olom-boavotra (Matio 18. 20).

Rehefa avy nanafaka ny Zanak’i Israely avy tany Egypta Andriamanitra, dia sitrany ny hanangona azy ireo sy hitoetra eo anivony, ao amin’ny tabernakely (Eksodosy 25. 8; 29. 45-46).

Nony tafiditra tao amin’“ny tany” nomen’Andriamanitra azy izy ireo (Deoteronomia 12), dia tsy maintsy nitady izay toerana hametrahan’i Jehovah ny anarany ny vahoaka. Taonjato maro no nifandimby, vao azo i Jerosalema, ary izay vao natsangana teo amin’ny tendrombohitra Moria ny tempoly. Teo amin’io tendrombohitra io no nanoloran’i Abrahama an’i Isaka, ary teo koa i Davida no nanao fanatitra tamin’ny andron’ny areti-mandringana. Nameno ny tempoly ny rahona (2 Tantara 5. 13), tahaka ny namenoany ny tabernakely (Eksodosy 40. 34). Taoriana taonjato maro niodinan’ny vahoaka sy nanehoan’Andriamanitra fahari-po, dia niala teo amin’ny tempoly ny voninahitr’i Jehovah (Ezekiela 10. 4, 18 ; 11. 23). Indroa rava sy indroa narenina ny tempoly, ary farany, dia potika tanteraka efapolo taona taorian’ny nahafatesan’ny Mpamonjy.

Ankehitriny, tsy trano nataon-tànana intsony no fonenan’Andriamanitra etỳ an-tany, fa ao am-pon’ny olony, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Ny Efesiana 2. 21 dia mampiseho amintsika fa ny mpino dia toy ny trano amboarina, “mitombo tsara ho tempoly masina ao amin’ny Tompo”, ary tsy ho vita raha tsy amin’ny fiverenan’ny Tompo. Fa ny andininy faha-22 dia milaza amintsika fa ny mpino amin’izao fotoana izao dia miaraka aorina mba ho “fonenan’Andriamanitra amin’ny Fanahy”.

Ny ondrin’i Israely dia voafehy hikambana tamin’ny lalàna sy ny didy: andron’ny “valan’ondry” izany (Jaona 10. 1). Nentin’ny Tompo nivoaka avy ao ny ondriny Jiosy (and 3-4), nefa hoy koa Izy hoe: “Manana ondry hafa izay tsy amin’ity vala ity Aho [ireo izay halainy avy amin’ny Jentilisa]; ary ireny koa dia tsy maintsy hoentiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry” (and 16). Nanomboka hatreo, izany, tsy rindrina intsony no mampiray ny ondry, fa ivo iray: ilay Mpiandry tokana.

Hitantsika ao amin’ny Asan’ny Apostoly ny olom-bonjena izay nanampin’ny Tompo ho amin’“ny fiangonana” (2. 47), “nino ny Tompo” (5. 14: ireo izay avy amin’ny Jiosy) ary mbola “ho an’ny Tompo” ihany koa (11. 24: ireo izay avy amin’ny Jentilisa), mba hamorona “ny fiangonana” (11. 26).

Izy irery no ivon’ny fivoriana. Izy, Izay Kristy fantatra noho ny heriny sy ny fahasoavany, no tokony hamory ny olona hanodidina Azy, fa tsy foto-pampianarana, na dia ilaina aza ireo, araka ny toerana misy azy ireo.

Ny Tenin’Andriamanitra dia mampiasa kisarisary efatra, ilazana ny fikambanan’ny mpino:

 

Andian’ondry, izay ny Mpiandry no ivony

Vatana iray, izay Kristy no Lohany

Trano, izay Jesoa Kristy no vato fehizoro

Ny Vady, izay ny Zanak’ondry no Mpampakatra.

 

Antsoina hanara-dia ny Tompo ny mpino tsirairay. Amin’izany dia izany, dia i Kristy no ataony Modely. Fa sitraky ny Tompo koa ny hanangona manodidina Azy, ireo navotany, mba ho Izy no ho Ivon’izy ireo. Koa tokony hitandrina tsara, izany, mba tsy hihambo hoe manaraka an-tsakany sy an-davany ara-poto-kevitra fotsiny ny fahamarinan’ny fivoriana, ka rehefa mandeha irery dia hanala baraka ny Tompo: izany dia fanevatevana ny Anarany sy ny fijoroana ho vavolombelona manambara Azy, ary fanafintohinana ho an’ireo izay mba te hanatona Azy.

 


I. Ny tenan’i Kristy

 

“Nahoana ianao no manenjika Ahy?”, hoy ilay Tompon’ny voninahitra tamin’i Saoly, izay lavo teo amin’ny làlana nankany Damaskosy; tsy i Jesoa nefa no nenjehin’i Paoly, fa ny olony; ary raha nanenjika ireo izy, dia toy ny nanenjika ny Tompo ihany, satria iray tamin’ny Tompo ireo. I Saoly no fitaovana nampiasain’Andriamanitra hanambaràna ny zava-niafina hatrizay hatrizay: ny fiombonan’i Kristy ho tena iray (ho vatana iray) miaraka amin’ireo navotany.

 

1-  Iza no isan’ny tenan’i Kristy?

 

Izao no hitantsika ao amin’ny 1 Korintiana 12. 13: “Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy na jentilisa, na andevo na tsy andevo.” Tamin’ny andron’ny Pentekosta no nisian’ny batisan’ny Fanahy Masina; io fiteny io dia tsy ampiasaina afa-tsy tamin’ny niforonan’ny tenan’i Kristy. Nanomboka teo, ireo rehetra nandre ny Filazantsara ka nino, dia “nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina” (Efesiana 1. 13). Ny mpino rehetra, izany, dia tonga mandray anjara amin’io batisa io, ary noho ny Fanahy Masina, dia lasa vatana iray. Ny Fanahy Masina, izay Persona, tonga tetỳ an-tany tamin’ny Pentekosta, dia handao izao tontolo izao miaraka amin’ny Fiangonana, amin’ny fiavian’ny Tompo (2 Tesaloniana 2. 7). Ny mpino rehetra, izany, nanomboka tamin’ny Pentekosta ka mandra-piverin’ny Tompo, dia isan’ny tenan’i Kristy (Efesiana 1. 23). Io voambolana io dia ampiasaina koa, ilazana, na ny olo-masina rehetra etỳ an-tany amina fotoana iray voatondro (Romana 12. 5), na ireo olo-masina amina fotoana iray sy toerana iray (1 Korintiana 12. 27).

Iray ihany, izany, ny tenan’i Kristy; ny Fanahy Masina no mahatanteraka izany, vokatry ny asan’ny Tompo Jesoa teo amin’ny hazofijaliana. Ny atao dia tsy hoe hamorona indray io firaisana io, fa ny hitandro izany (Efesiana 4. 3) sy ny haneho azy[1]. Araka ny 1 Korintiana 10. 17, ny fandraisana anjara amin’ny famakiana ny mofo no anehoana ampahibemaso ny maha-iray ny tenan’i Kristy.

Manana aina ny tenan’i Kristy, fa tsy fikambanana idirana an-tsitrapo satria mino zavatra iray na hoe manaiky lohahevitra maromaro ao. Na fantany na tsia, na tiany na tsia, izay olona rehetra navotan’ny Tompo dia isan’ny tenan’i Kristy, noho ny efa nataon’ny Tompo Jesoa taminy sy namboarany azy. Ny atao, izany, dia ny maneho ny maha-isan’ny tenan’i Kristy anao, fa tsy ny hitady hanjary ho isan’izany tena izany.

 

 

2-  Ahoana no fomba fiasan’ny tenan’i Kristy?

 

Ny Efesiana 4. 15-16 sy Kolosiana 2. 19 dia mampiseho amintsika fa ny vatana dia miankina tanteraka amin’ny loha: Kristy izay any an-danitra. Avy Aminy no iasan’izay rehetra momba io vatana io, araka izay mety ho anjara asany avy, ka “ny tena… dia mahatonga… ny fitomboan’ny tena.” Ao amin’ny tena, izay “akambana sy ampiraisina tsara” ary “velomina”, dia tsy hisy fitomboana raha tsy manao izay asa nankinina taminy avy ny “isan-tonony” sy “izay rehetra momba azy amin’izay mety ho anjara asany”; raha tsy izany, dia fahalemena sy savorovoro no ho hita.

Avy amin’ny Loha ny zava-drehetra; nefa sitraky ny Tompo ny hampiasa ny rantsambatana rehetra, hampandeha io vatana io etỳ an-tany. Iray ny tena, nefa misy rantsana maro, ary maro samihafa ny anjara asany sy ny fanomezam-pahasoavana noraisiny (Romana 12; 1 Korintiana 12; Efesiana 4).

Tsy misy mifidy ny anjara asany, “fa Andriamanitra efa nametraka izay rehetra momba ny tena, samy ho eo amin’ny tena, araka ny sitrapony” (1 Korintiana 12. 18); tiany “mba hifampiahy ny momba ny tena rehetra”. Misy “fanomezam-pahasoavana” napetraka ao amin’ny fiangonana, fa misy koa andraikitra samihafa: fifanampiana, fitondrana, fanompoana, fizaràna, fiantrana.

Loza telo no manambana ny rantsambatan’ny tena.

Ny voalohany sady mateti-pitranga indrindra, dia ny tsy fahafantarana na tsy fanatanterahana ny asa nankinin’ny Tompo taminao. Matory ianao, tsy miraharaha izay hahasoa ny fiangonan’Andriamanitra; tsy misy fanazaran-tena, na mba hahafantarana hoe inona ny fanomezam-pahasoavana mety nomen’ny Tompo anao, na mba haniriana fatratra fanomezam-pahasoavana lehibebe kokoa (1 Korintiana 12. 31). Fatiantoka izany, na ho anao na ho an’ny rehetra!

Ny loza faharoa dia ny fialonana (1 Korintiana 12. 15-17): tsy dia misy lanjany ny asa ankinina amiko; aleoko ny anjara asan’olon-kafa, izay mba manaitra kokoa!

Ny loza fahatelo dia ny fihamboana amin’ny asa nankinina taminao, hany ka tonga manao tsinontsinona ireo osa ianao (1 Korintiana 12. 21-23): ny fanomezam-pahasoavana noraisiko ihany no misy lanjany, tsy mila ny hafa aho. Ary loza mateti-pitranga io, fa tsy araka ny ieritreretana azy! Hadinontsika ve ny fananarana ao amin’ny 1 Korintiana 4. 7, hoe: “Inona no anananao, izay tsy noraisinao? Fa raha nandray ihany ianao, nahoana no mirehareha ohatra ny tsy nandray?”

Tsy tokony ho takon’ireo loza ireo, nefa, ny hasoan’io vatana tsy manam-paharoa io. Ho an’ny Tompo sy ny finoana, dia velona io tena io ankehitriny, toy ny tamin’ny andro voalohany indrindran’ny tantaran’ny Fiangonana eto an-tany. “Iray ihany ny tena.” Tsy miahiahy ny amin’izany ny finoana, fa akambany ao amin’io tena io avokoa ireo rehetra navotan’ny Tompo, na inona na inona tany fiaviany, na toetrany, na vondrona misy azy, izay matetika manakona ny tena maha-izy azy[2].

Fa nahoana ny Fanahin’Andriamanitra no nametraka ny 1 Korintiana 13 ho ao anelanelan’ny toko faha-12, izay miresaka ny tena sy ny rantsambatana ao aminy, sy ny toko faha-14, izay manazava ny fomba fiasan’ny fiangonana? Satria tsy misy zavatra afa-mandroso raha tsy eo ny fitiavana. Izany no lazain’ny Efesiana 4. 15-16 hoe: “hanaraka ny marina amin’ny fitiavana … hampandrosoany ny tenany amin’ny fitiavana”[3]. Tsy ny fitiavana tadiavina any amin’ny hafa; tsy ny fitiavana izay lazaina fa tsy hita ao amin’ny fivoriana eo an-toerana; fa ny fitiavan’ny Tompo, izay efa mameno antsika ka manosika antsika ho tia, “satria Izy dia efa tia antsika taloha”; fa raha tsy misy io fitiavana io, “dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho… Tsinontsinona aho… Tsy mahasoa ahy akory izany.” Fitiavana, izay “lehibe indrindra” eto amin’izao tontolo izao; fitiavana “tsy ho levona mandrakizay”.


II- Ny tranon’Andriamanitra

 

1 Petera 2. 4-7

 

Araka ny Soratra Masina ihany koa, ny fitambaran’ny mpino dia toy ny tranon’Andriamanitra etỳ an-tany.

Kisarisarin’izany ireo takelakazo atao amin’ireo ilan’ny tabernakely: nalaina tsirairay tamina hazo maniry etỳ an-tany izy ireo, narafitra, norakofana volamena, natsangana teo ambony fanambaniny volafotsy[4]. Toy izany ny olo-navotana, notsoahina avy amin’izao tontolo izao, nosalorana ny fahamarinan’Andriamanitra ao amin’i Kristy, naorina tamin’ny fanavotana. Raha takelakazo iray monja, nefa, tsy ho afaka nitsangana; tsy maintsy nakambana ho iray ireo, vao nahavita ny tabernakely, izay lasa Tranon’Andriamanitra[5].

Toy izany koa ireo vato nanaovana ny tempolin’i Solomona. Notsoahina avy tany amin’ny fihadiam-bato, nopehina ho amin’ny refy ilàna azy, vao nentina teo amin’ny tempoly, izay niakatra tsikelikely.

Ary ankehitriny, dia hoy ny Soratra Masina amintsika: ianareo koa, dia toy ny vato velona, “atsangana ho trano fanahy”. Io trano fanahy io no “fonenan’Andriamanitra amin’ny Fanahy” etỳ an-tany, amina fotoana iray voafaritra, ary koa “tempoly masina ao amin’ny Tompo”, izay mitombo tsara mandra-pahavitany ary mandra-pakan’ny Tompo azy ho eo akaikiny. (Efesiana 2. 21-22).

 

Araka izany fomba ijerena azy izany, ny tranon’Andriamanitra dia:

 

1.      araka ny anorenan’ny Tompo azy

Hoy Izy ao amin’ny Matio 16: “Haoriko ny fiangonako.” Izy, izany, no te hanorina azy; saingy mbola ho avy izany; ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-2 vao hitantsika ny fiorenany. Izy tenany no vatolampy iorenan’izany trano izany (Matio 16. 18), vato fehizoro (Efesiana 2. 20). Mandritra ny vanim-potoana mifandimby, dia manampy vato velona apetraka tsirairay amin’izany Izy, mandra-pahavita ny asany, ka ho tonga tanàna masina ny Fiangonana, ilay tanàna hitantsika mamirapiratra ao amin’ny faran’ny bokin’ny Apokalypsy[6].

Nefa ny fanorenana an’io trano io, amin’ny lafiny hafa, dia:

 

2.      nankinina tamin’ny olona

Hazavain’ny 1 Korintiana 3. 9-17 amintsika izany.

Napetraka ny fototra: Jesoa Kristy. Nanorina teo ambonin’io fototra io ny Apostoly, ary ny mpanompo hafa, taorian’izy ireo, nandritra ny vanim-potoana nifandimby. Nefa tsy izy rehetra, tsy akory, no nitondra “volamena, volafotsy ary vato sarobidy”, izany hoe fampianarana araka ny Tenin’Andriamanitra, ka “miteraka” olona manana ny ain’Andriamanitra, misalotra ny fanamarinan’Andriamanitra ao amin’i Kristy, miorina amin’ny fanavotana, maneho ny sasantsasany amin’ireo voninahitry ny Tompo Jesoa. Ny fampianarana sasany dia toa “hazo, mololo, bozaka”: tsara ivelany, makadiry (mifanohitra amin’ny vato sarobidy), nefa tsy misy fahamarinany. Rehefa sedraina amin’ny afo izany asa izany, dia lasa lavenona, na dia voavonjy toy ny avy tao anaty afo aza ilay mpanompo  —raha tena nanana ny ain’Andriamanitra. Ny sasany indray, tsy vitan’ny hoe nitondra akora ratsy, fa nanimba mihitsy ny tempolin’Andriamanitra, ary “mba hosimbain’Andriamanitra kosa izy” (and 17).

Ao amin’izany trano izany  —ny tontolo kristiana—, dia mifangaro àry ny olona manana ny fiainan’Andriamanitra, ny hafa izay mety manana fiainana manaraka ny môraly nefa mbola tsy nateraka indray, ny hafa ihany koa izay tena lo. Lasa “tranobe” ny “tranon’Andriamanitra”, araka ny mbola ho hitantsika ao amin’ny 2 Timoty 2.

Ny tenan’i Kristy, izany, dia mampisongadina amintsika ny firaisana tsy mety levona, ny maha-iray ny olom-boavotra; ary ny tranon’Andriamanitra dia mametraka eo anoloantsika ny andraikitra sahanin’ireo manorina azy sy ireo milaza ho isany[7].


III- Ny faharavana

Nahoana moa io trano tena tsara fototra sy tsara rafitra teo aloha io, no lasa rava ka maneho fisavorovoroana toy izao ankehitriny izao? “Fahavalo no nanao izany … raha mbola natory ny olona” (Matio 13. 25, 28)

Ny Tompo dia efa nilaza izany mialoha, indrindra ao amin’ireo fanoharana nataony ao amin’ny Matio 13. Ny fanoharana momba ny tsimparifary dia manazava amintsika ny fifangaroan’ny zanaky ny fanjakana amin’ny zanak’ilay ratsy; ny voantsinapy dia milaza ny fitomboana tsy ara-dalàna nahatonga azy ho hazo ngezabe manalokaloka ny ratsy ao anaty rantsany; ny lalivay kosa dia manambara fa ny fatra telon’ny koba  —mampahatsiahy ny fahalavorariana sy ny fahadiovan’ny Tompo mbamin’izay rehetra mifamatotra aminy—  dia nosimbain’ny masirasira kely fotsiny nentin’ireo fampianaran-diso, hany ka simba ny koba manontolo. Ny 1 Korintiana 5. 6 dia mampiseho amintsika ny loza ateraky ny lalivay (ny “masirasira”), dia ny faharatsiana ara-moraly amin’ny fitondrantenan’ireo antsoina hoe “rahalahy”; io voambolana “masirasira” io koa no ampiasaina ao amin’ny Galatiana 5. 9, ilazana ireo fampianaran-diso mampivarilavo ny olona hiala amin’ny fahasoavana.

Efa nambaran’ireo Apostoly mialoha koa io faharavana io. Nolazain’i Paoly ny momba ireo “amboadia” ho tafiditra ao amin’ny loholon’ny Efesiana, ka tsy hiantra ny andian’ondry; olona avy amin’izy ireo ihany, hitsangana “hitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy”. Epistily maro, toy ny epistily faharoa ho an’i Timoty, ny epistily faharoa nosoratan’i Petera, ireo epistily nosoratan’i Joda sy nosoratan’i Jaona, no mamelatra amintsika io faharatsiana izay tsy hitsaha-mitombo io. Ary ny epistily ho an’ny fiangonana fito ao amin’ny Apokalypsy 2 sy 3, dia mampiseho fa taorian’ny nialan’ny fiangonana tamin’ny fitiavany voalohany, dia vao mainka nanalavitra ny Tompo izy ka tonga toy ny tao Laodikia, izay tsy nanome toerana ho Azy intsony! (Apokalypsy 3. 20).

Hita manodidina antsika ihany koa io faharavana io. Firifiry moa ny fiaraha-monina potiky ny tsy finoana sy ny fandalàm-pisainan’ny olombelona? Any an-kafa, dia ny fanompoan’ny olona sy ny ambaratongam-pahefana napetraka; saika hatraiza hatraiza, dia ny fanarahana fombafomba, ny fisaraham-bazana sy kiantranoantrano.

Tsy azo lavina io faharavana io. Tsy maintsy ekena ny fisiany, tsy maintsy manetry tena noho izany, tsy maintsy manaiky ny vokany. Hiroso amina faharavana vaovao indray, raha mihevitra fa afaka “hamerina”, satria ny olombelona dia olombelona hatrany, na inona na inona nentin’ny fahasoavana ho azy.

Noho izany, isika dia tsy tokony hanantena fanarenana ny Eglizy, ho vavolombelona etỳ an-tany. Matetika Andriamanitra tsy mamboatra intsony izay efa nosimbain’ny olombelona.

Nefa tokony hatoky tanteraka koa isika fa mitoetra hatrany izay efa nataon’i Kristy: “Ny vavahadin’ny fiainan-tsy hita, tsy haharesy azy.” Tokony havahana tsara, izany, izay rava: ny tranon’Andriamanitra, izay nankinina ho andraikitry ny olona ny fanorenana azy; sy izay mitoetra: ny tenan’i Kristy, ny vadin’ny Zanak’ondry, ny fampanantenana ny fanatrehan’ny Tompo eo afovoan’ny roa na ny telo miangona amin’ny anarany (Matio 18. 20).


 

Koa inona izany no hatao?

 

Tokony hitoetra ho irery ve? Misy ireo voasinton’izany foto-kevitra izany. Hoy i J. N. Darby indray mandeha: Mora kokoa ny mandeha irery, toy izay mandray anjara amin’ny zavatra mampalahelo ataon’ny Eglizin’Andriamanitra etỳ an-tany! Nefa tsy ny hanangona ny olony ve no fanirian’ny Tompo? Amin’alahelo lehibe tokoa no nilazany ao amin’ny Jaona 16. 32 hoe: “Indro, avy ny andro … izay hielezanareo samy ho any amin’ny azy avy.” Nefa toy inona ny hafaliany, tonga teo afovoan’ireo mpianany, ny harivan’ny nitsanganany tamin’ny maty, nampiseho azy ireo ny tànany sy ny lanivoany! “Dia faly ny mpianatra raha nahita ny Tompo.”

Misy fampianarana azo ampiharina amin’izao vaninandro izao, ao amin’ny Ezekiela 43. 10, manao hoe: “Asehoy amin’ny taranak’i Israely ny trano, mba hahamenatra azy ny amin’ny helony.” Ataon’ny Tompo eo anoloantsika ny zavatra nataony, ny tranon’Andriamanitra araka izay nanorenany azy. “Ary raha menatra ny amin’izay rehetra efa nataony izy, dia asehoy azy ny endriky ny trano mbamin’ny fombafombany sy ny fivoahana avy ao aminy sy ny fidirana ho ao aminy ary ny endriny rehetra sy ny didy rehetra aminy” (and 11). Raha manetry tena amin’ny fontsika tokoa isika ary malahelo, mahita ny nanaovantsika ny zavatra nankinin’ny Tompo tamintsika  —satria mpiara-miombona antoka sy tompon’andraikitra daholo isika—  raha tena menatra tokoa isika, tsy hasehon’ny Tompo antsika ve izay làlan-kaleha? Tsy hampahafantariny antsika ve ny fiheviny, na dia be aza ny zava-manahirana ankehitriny?

Ankehitriny, toy ny taloha, dia antsoiny isika hivoaka ho any Aminy, eo ivelan’ny toby, ary ankehitriny, hanatanteraka izany amin’ny maha-isan’ny tenany antsika.

Mba hahatakarana tsara ny zavatra azon’ny olo-navotan’ny Tompo atao ankehitriny, raha te hivory manodidina Azy izy ireo, na inona na inona miseho, dia misy foto-kevitra roa notsoahina tao amin’ny Baiboly, tokony hodinihina:

1-     ny foto-kevitra momba ny “sisa tavela”;

2-     ny foto-kevitra fa izay avy amin’Andriamanitra dia mitoetra hatrany.


 

 

1-     Ny foto-kevitra momba ny “sisa tavela”

 

Nony nanao ilay ombilahy kely volamena i Israely, dia tokony ho nandringana ny vahoaka ny fahamarinan’Andriamanitra. Nanaiky ny fifonan’i Mosesy nefa Izy, ka tsy nanao izany. “Naka ny lay (i Mosesy) ka nanorina azy eo ivelan’ny toby lavidavitra, ary ny anarany dia nataony hoe “ny trano lay fihaonana”. Ary izay rehetra nitady an’i Jehovah dia nivoaka ho eny amin’ny trano lay fihaonana, izay teo ivelan’ny toby” (Eksodosy 33. 7). Ny ankabeazan’ny vahoaka dia tsy nivoaka; avy eo am-baravaran’ny lainy avy izy ireo no nanara-maso an’i Mosesy mankeny amin’ny lay fihaonana (and 8); fa nisy kosa vitsivitsy, tena nivoaka teo ivelan’ny toby tokoa (and 7): ireo no sisa tavela, nifikitra tamin’Andriamaniny.

Ao amin’ny Ezekiela 9 no ahitantsika ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay nanisy marika ny handrin’ireo olona misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra natao tao Jerosalema. Hiharan’ny fitsarana ny daholobe, fa voatsimbina kosa ireo sisa izay natahotra an’i Jehovah.

Foto-kevitra mitovy amin’izany ihany no hitantsika koa ao amin’ny Malakia 3. 16. Taonjato iray no lasa, taorian’ny fiverenana avy tany amin’ny fahababoana; tamin’ireo nihoby fahiny tamin’ny nananganana ny tempoly indray, dia vitsy sisa, teo anivon’ny daholobe izay niodina tamin’Andriamanitra, no “natahotra an’i Jehovah ary samy niresaka tamin’ny namany avy”; ireo dia sisa tavela nahatsiaro ny Anarany, ary noho izy ireo, dia “nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana.”

Mbola io foto-kevitra io ihany koa no hitantsika ao amin’ny 2 Timoty 2. 17-22. Maro ny miady teny, nefa tsy mahasoa akory izany, fa “mamadika ny mpihaino”. Nisy ny “fibedibedena foana”: ireo izay nanao izany dia mbola handroso amin’ny haratsiam-panahy ihany; hikiky toy ny homa-miadana ny tenin’ireo. Nasongadina manokana ny trangam-pampianaran-diso, ohatra tamin’ireny ry Hymeneo sy Fileto. Nisy ny nihaino azy ireo, ary nivadika ny finoany. Andraikitra lehibe izany, ho an’ireo izay nampiana-diso, fa andraikitra ihany koa ho an’ireo izay nihaino azy ireo. Inona no azo atao, manoloana izany?

Izay naorin’Andriamanitra dia mitoetra, araka ny ho hitantsika aoriana kely, ary “ny Tompo mahalala ny azy.” Roa sosona, amin’izay, ny andraikitr’ireo olona manara-dia ny Tompo: “miala amin’ny ratsy”, izany hoe amin’izay rehetra nataon’ny olombelona ka tsy mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra; ary “manadio tena” mba tsy ho fanaka halaim-baraka. Raha dinihina ny 1 Korintiana 3, dia azo ampitahaina amin’ny fanaka volamena sy volafotsy ireo olom-boavotra manana ny ain’Andriamanitra sy miorina amin’ny fanavotana; ireo izay tsy manana ny aina, kosa, dia toy ireo fanaka vita amin’ny hazo sy tany, akora izay tsy mahatanty afo. Araka ireo andininy ireo koa, dia azo oharina amin’ny “fanaka halaim-baraka”, ao amin’ny 2 Timoty 2, ireo manao fampianaran-diso sy ireo mihaino azy. Tsahivina fa io andraikitra io dia tsy mikasika fotsiny ny fiainan’Andriamanitra tena misy ao am-po  —izay ny Tompo ihany, indraindray, no mahalala azy (and 19)—  fa koa ny fijoroana ho vavolombelona (and 22).

Fa tsy sitrapon’Andriamanitra ny hitoeran’ny mpino ho irery: “Miezaha, hoy ny apostoly, mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio.” Misy, izany, ny fiforonan’ny “sisa tavela”, toy ny araka ny foto-kevitra ao amin’ny Testamenta Taloha, ary ireo olona ireo dia manara-dia ny Tompo sy tsy manonona foana ny Anarany.

Raha toa tsy maintsy mivoaka “eo ivelan’ny toby”, araka ny lazain’ny Hebreo 13, dia tsindrian’ny Tenin’Andriamanitra ny hoe “hivoaka hankeo Aminy”: i Kristy no ivom-pivoriana; io Anarana io ihany, ankehitriny toy ny tamin’ny andro voalohany, no mampivory.

 

2-     Ny foto-kevitra fa izay avy amin’Andriamanitra dia mitoetra hatrany

 

Efa hitantsika fa na rava aza ny tranon’Andriamanitra nankinina ho andraikitry ny olombelona, tsy toy izany kosa ny tenan’i Kristy, izay misy ny olom-boavotra rehetra ary, eo imason’ny Tompo sy ho an’ny finoana, dia mbola mitoetra ankehitriny, toy ny tamin’ny andro voalohany. Raha toa amin’ny maha-sisa tavela no ivoriana, dia tokony ho amin’ny maha-isan’ny tenan’i Kristy antsika, fa tsy hamorona fikambanana miorina amin’ny fifanarahan’ny olona ao aminy. Satria ny Tompo Jesoa no nampiray antsika, dia zo sy adidintsika ny mivory araka ny maha-isan’ny tenany antsika; tsy misy fototra hafa iorenan’izany fivoriana izany. Tsy hoe hamorona zavatra hafa, tsy akory, fa araka ny efa voalaza, “hampiseho izay efa misy”. Ao amin’izany fivoriana izany, dia ny Tompo no ekena: Izy no Lohan’ny tena ary Mpanapaka ny fiangonana, Izy irery no manome fahasoavana manokana sy miantso ny mpanompony. Tsy hisy ny fanamasinana ofisialy na ny ambaratongam-pitondrana araka ny olombelona. Ny Tenin’Andriamanitra ihany no hoekena, ary ny Teny manontolo. Hohalavirina izay fomba fijerin’olon-tokana. Ny Fanahy Masina no hitarika ny asa ao amin’ny fiangonana[8], fa tsy mpitondra fivavahana napetraka.

Olana sarotra ary matetika mahangirifiry ny fandravonana ireo foto-kevitra roa ireo: raha tsy mampihatra afa-tsy ny foto-kevitra momba ny “sisa tavela”, dia lasa mpanavakavaka[9]; ary raha tsy mampihatra afa-tsy ny foto-kevitra hoe izay avy amin’Andriamanitra dia mitoetra hatrany, dia manjary miray amin’ny mpino rehetra tsy anavahana.

Raha ny tena izy, ny olom-boavotra rehetra dia ao amin’ny tenan’i Kristy, ary tsy afaka hivory raha tsy isan’io tena io, fa tsy hoe satria manaiky foto-kevitra sasantsasany ao na foto-kevitra azo iombonana. Rehefa “nivoaka hankeo Aminy eo ivelan’ny toby”, dia “mivory satria Izy no nampiray antsika.” Ny famakiana ny mofo no anehoan’io fivoriana io ny maha-iray ny tena, araka ny 1 Korintiana 10. 17; esoriny ny lamina rehetra ataon’olombelona sy izay fikambanana miorina amina fototra hafa; tafiditra ao anatiny ny mpino rehetra, ary misokatra ho an’ny mpino rehetra izy, satria isan’ny tenan’i Kristy ireo; raisiny avokoa ireo isan’ny tenan’i Kristy izay mitady ny hivory manodidina ny Tompo Jesoa noho izany maha isan’ny tenan’i Kristy azy izany, mitondra ny foto-pampianaran’i Kristy tsy voalotona fampianaran-diso na miray amin’ireo, ary mandeha amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.

Raha mifanerasera amina fikambanana miorina amin-javatra hafa ianao, ary indrindra raha mizara ny mofo miaraka aminy, dia maneho fa tsy azonao ny tena fototra iorenan’ny fivoriana te haneho ny maha-iray ny tenan’i Kristy, ary azo ambara mihitsy ho manaiky fivondronana miorina amina foto-kevitra hafa.

Tsy mahakasika ny fifandraisan’ny samy zanak’Andriamanitra nefa izany, satria iray ny ankohonan’Andriamanitra, ary iray ny Ray, iray ny fiainan’ireo zanak’Andriamanitra ireo: “Mitoetra hatrany io foto-kevitra firaisana io, ary indraindray ny fiombonan’ny mpirahalahy aterany dia tanteraka, ary mety ho amim-pomba fatratra tokoa, na dia eo amin’ny zanak’Andriamanitra tsy mitovy fiangonana aza.”

Na oviana na oviana, tsy tokony ho toy ny fifandraisantsika amin’ny olon’izao tontolo izao ny fifandraisantsika amin’ny tena zanak’Andriamanitra mandeha am-patahorana Azy, na dia tsy afaka miara-mivory aminy manodidina ny Tompo aza isika, noho ny foto-kevitra toaviny. Ny tsy mpino dia antsoin’ny Tenin’Andriamanitra hoe “zanaky ny devoly” (1 Jaona 3. 10), “olon-ko azy amin’ny fiainan’Andriamanitra” (Efesiana 4. 18), ka na inona na inona antony, dia tsy afaka ny hiray “zioga tsy antonona” amin’izy ireo isika.

Fantatsika tsara fa hain’ny fahavalo loatra ny manamaizina sy manaratsy ny fanehoana an’ireny fahamarinana ireny, nefa tsy izany tsy akory no tokony tsy hanoavana azy ireny intsony. Izao no mijanona ho anjarantsika: manaiky ny faharavana sy ny zavatra aterak’izany; matoky fa izay avy amin’Andriamanitra dia mitoetra mandrakariva; manao am-panetrentena izay rehetra mety mbola ho azo avy amin’ny fahasoavana, nefa mahatsiaro ary malahelo fa be ny tsy ampy; matoky ny fampanantenàn’i Jesoa Tompo hoe eo afovoan’izay roa na telo mivory amin’ny anarany Izy. Mety matoky izany isika, nefa aoka ho mailo tsara, mba tsy hametraka ambo diso toerana, ka hiharan’ny fitsaràn’Ilay hany manana ny zo hilaza hoe: “Fantatro ny asanao” (Apokalypsy 2 sy 3).

Raha efa ao anatina fivoriana tahaka izany, noho ny fahasoavan’Andriamanitra, dia aoka hankasitraka, na dia eo aza ny fahalemena rehetra sy ny fisavorovoroana mety hiseho ao. Tokony hiezaka, omban’ny fiankinana tanteraka amin’ny Tompo sy ny fifanekena amin’ny fatahorana an’i Kristy (Efesiana 5. 21), ny ho fitaovana mitondra ny tsara, manampy, mampiorina, mankahery (Romana 14. 19), ho fanaka “mahasoa ho an’ny Tompo, voavoatra ho amin’ny asa tsara rehetra” (2 Timoty 2. 21). “Mihazona ny Loha” (Kolosiana 2. 19), ny Ivo: izany no hiaro antsika tsy hiraviravy tànana sy tsy hiavonavona.

 


IV. Tafavory ho fiangonana

 

Misy fotoana izay eken’ny Tenin’Andriamanitra fa “mivory” ny fiangonana, eo imason’ny Tompo, ary mino ny fampanantenàny: “Eo afovoan’ny roa na telo miangona amin’ny anarako Aho.”

Ny fivoriana toy izany dia manana toetra efatra:

a)      manolotra: io no fanompoam-panahy

b)      mangataka: ny vavaka izany

c)      mandray: ny fampiorenana

d)      misaona: fanetrentena.

 

Misy fivoriana hafa, amina fotoana tsy voafaritra na fotoana voafetra ihany, tsy manana io endrika fivoriam-piangonana io: ny sekoly alahady, fihaonana ho an’ny tanora, fivoriana itoriana ny filazantsara ataona evanjelista nomen’ny Tompo fahasoavana manokana ho amin’izany. Arakaraka ny zava-misy, ny fivoriana hafa dia hanana endrika fivoriam-piangonana na tsia, ohatra ny mariazy, na ny fampianarana ny fiangonana araka ny Asan’ny Apostoly 11. 26, na koa fampahafantarana ny fiangonana ny fandroson’ny asan’ny Tompo any an-tany lavitra, toy ny ao amin’ny Asan’ny Apostoly 14. 27 sy 15. 7, 12[10].

 

1-     Ny fanompoam-panahy[11]

 

Diniho tsara ireto tenin’ny Soratra Masina ireto:

Jaona 4. 23-24; 1 Petera 2. 5; Hebreo 13. 13-16; Filipiana 3. 3

 

Inona no atao hoe fanompoam-panahy? “Fiarahana mitsaoka an’Andriamanitra, noho ny maha-Izy Azy tenany ary noho ny maha-Izy Azy ho fanasoavana antsika sy ny zava-bitany ho antsika”, hoy H. Rossier sy J. N. Darby.

Io no fanompoana avo indrindra ataon’ny kristiana etỳ an-tany; mamaly ny fanirian’ny Ray mitady mpivavaka Aminy izany (Jaona 4. 23); ny Tompo mihitsy, tamin’ny nitsanganany tamin’ny maty, no nanomboka izany antsam-piderana izany (Salamo 22. 22); amin’ny alalan’ny Fanahin’Andriamanitra ihany no ahazoantsika manao izany fanompoana izany (Filipiana 3. 3).

Ny fanompoam-panahy dia miantefa amin’ny Ray sy ny Zanaka. Tsy voakasik’izany ny Fanahy Masina: Izy no hery mitarika izany.

Ny votoatin’ny fanompoam-panahy dia tsy hoe mankasitraka an’Andriamanitra sy ny Tompo Jesoa noho ny zavatra nataony ho antsika ihany, indrindra fa ny asa vitany teo amin’ny hazofijaliana, fa koa manompo an’Andriamanitra amin’ny maha-Izy Azy tenany, amin’izay nataony ho an’i Kristy sy izay nanaovany an’i Kristy, midera ny Tompo Jesoa amin’ny maha-Izy Azy tenany, ny fahafoizantenany ho an’Andriamanitra, ny asany ho antsika; mbola afaka miakatra avo kokoa aza izany fanompoana izany, mankalaza ny fitiavana tsy manam-petra atolotry ny Ray ho an’ny Zanaka, ary atolotry ny Zanaka ho an’ny Ray.

Ireo sorona ao amin’ny Levitikosy dia manampy antsika hiditra lalindalina kokoa amin’ny lafiny samihafa momba ny fitsaohana, mifandraika amin’ny asa vita teo amin’ny hazofijaliana[12].

 

Ahoana ny fizotran’ny fanompoam-panahy?

“Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy, tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana” (Jaona 4. 24). Ny 1 Petera, indray, dia milaza ny “fanati-panahy sitrak’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy” (1 Petera 2. 5). Ary ny Hebreo 13. 15 dia manipika ny “vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany”.

Ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny voavotra ihany no mihira. Ny hira voalohany hitantsika dia ny nataon’ny Zanak’i Israely afaka avy tany Egypta, nony tafita ny Ranomasina Mena, ary manandratra hira fiderana an’Ilay nanavotra azy. Ny hira na andininy sasantsasany amina hira dia miresaka an’Andriamanitra na i Kristy; ny sasany, avo lenta kokoa, dia mitodika mivantana amin’ny Ray na ny Zanaka.

Rahalahy iray, misolo vava ny fiangonana, no hanao fisaorana, ary raha tena tarihin’ny Fanahy Masina izy, dia hanambara ny fihetseham-pon’ny fiangonana manontolo, ka tsy hivaona amin’izay làlana itarihan’ny Fanahy ny fanompoam-panahy amin’io andro io.

Nefa mety hisy koa, fotoam-panginana mandritra ny fanompoam-piderana: “Ho Anao ny fanginana sy ny fiderana, Andriamanitra any Ziona ô!” (Salamo 65. 1). Tamin’ny namakian’i Maria ny tavoarany, dia tsy nisy fitenenana, fa “fenon’ny hanitry ny menaka ny trano” (Jaona 12. 3)

Ny famakiana, araka izay maha-mety izany, andininy vitsivitsy amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia mety handrisika, hanoro ny làlan-kizorana amin’ny fiderana, ary hanampy ny fanehoana izany; fa ny fanompoana iandraiketan’olona iray, kosa, dia tsy manana anjara toerana ao anaty fanompoam-panahy. Rehefa tapitra, nefa, ny fotoana natokana ho an’ny fitsaohana, dia azo atao ny mampiasa izany fanompoana izany, izay ilaina sy ahazoana tombontsoa, ary mifanaraka amin’ny eritreritra novolen’ny Fanahy Masina tao am-po sy teo am-bavan’ny mpivory.

Ny asa fanasoavana koa dia tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanompoam-panahy. Hoy ny Hebreo 13. 16: “Fa fanatitra toy izany no sitrak’Andriamanitra”; izany dia mampahatsiahy ny Deoteronomia 26. 12-13, izay mametraka eo anoloan’ny fon’ny Israelita tonga hanatitra ny voaloham-bokatra, ny filàn’ireo mpanompon’Andriamanitra, mbamin’ny an’ny kamboty sy ny an’ny mpitondratena ary ny an’ny vahiny.

Mihoatra noho ny teny, ny hira, ny vavaka, ny fandraisana ny Fanasàn’ny Tompo dia hanambara ny fankasitrahana sy ny fitsaohana: io no tokony ho ivon’ny fanompoam-panahy, ny fara-tampony, na dia azo atao aza ny manao fanompoam-panahy tsy misy Fanasàn’ny Tompo[13].

Rehefa tena ny “Fanahin’Andriamanitra” no mitondra ny fanompoam-panahy, dia mirindra ny eritreritry ny mpivory, ary hisy soritra iraisana mitodika atsy na arỳ, mba hiderana ny Ray noho ny fitiavany, na ny Zanak’ondry noho ny fahafoizantenany; na hampahatsiarovana ny fomba nanokafana ny fitoerana masina indrindra; na koa hankalazana ny nietren’ilay “mameno izao rehetra izao” sy ny nisandratany.

Tsy handray fitahiana na hanovo hery no ahatongavana ao amin’ny fanompoam-panahy; indrindra, moa, tsy hoe hahazo famelan-keloka; fa satria efa nahazo izany rehetra izany isika, dia tsara raha maneho fankasitrahana noho izany. Tsy tanteraka ny tena fanompoam-panahy, raha tsy efa mihavana amin’Andriamanitra, miditra ao amin’ny fitoerana masina indrindra “amin’ny fatokiana be avy amin’ny finoana” (Hebreo 10. 22).

Ny mpino rehetra dia samy mpisorona avokoa; koa tena tsara indrindra, izany, raha mba rahalahy maromaro no maneho ny fiderana  —amin’ny alàlan’ny hira sy ny vavaka—, fa tsy hatokana ho an’olona roa na telo izany. Ary raha tsapantsika lalina fa tsy ampy ny fiderana ataontsika, dia tadidio fa ireo dia atolotra ho an’Andriamanitra “amin’ny alàlan’i Jesoa Kristy” (1 Petera 2. 5), ilay Mpisorona lehibe (Hebreo 10. 21); noho Izy, dia ankasitrahina ireny (jereo Eksodosy 28. 36-38).

Tsy misy eto an-tany ora sarobidy kokoa, na fanompoana ambony kokoa, noho ny mamaly ny hetahetan’ny Ray mitady mpivavaka Aminy; mamaly ny fanirian’ny Tompo Jesoa, izay mangataka antsika hanao izany “ho fahatsiarovana Azy”; toy ny nataon’i Maria, dia “asa soa no nataony Amiko”.

 

 


 

2-     Ny fivoriam-bavaka

 

“Raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin’ny tany, na amin’inona na amin’inona, ka hangataka izany, dia ho azony avy amin’ny Raiko izay any an-danitra izany” (Matio 18. 19).

Io fampanantenana io dia mialoha avy hatrany ny filazàn’ny Tompo fa eo afovoan’ny roa na telo miangona amin’ny anarany Izy (and 20): izany no maha-zava-dehibe ny fivoriam-bavaka sy ny fanatrehana izany.

Ireo izay mivavaka dia “mifanaiky”. Tsy hoe fifanekena efa natao mialoha nefa izany; tsy hoe “nanao fifanekena” izy ireo; fa ny Fanahy Masina no mamboatra io fifanekena io ao amin’izy ireo, ary izay manonona ny vavaka dia tsy manao afa-tsy ny maneho izany. Hitantsika, amin’izany, fa ratsy ny vavaka maneho fisaraham-bazana eo amin’ny mpirahalahy, ary miafara amin’ny fitsarana voalaza ao amin’ny Jakoba 5. 9 izany.

Toy ny amin’ny fanompoam-panahy ihany, dia ilaina ny mivavaka “ao amin’ny Fanahy Masina” (Joda 20). Ho fohy ny vavaka atao, “zavatra iray” no hangatahina (Matio 18. 19), ary fadiana ny manao lisitra lavareny satria, araka ny efa voalaza, dia “mampiraviravy tànana” ireo izay mbola te hivavaka amin’ny fo izany! Tsy natao hamelabelarana fahamarinana amin’Andriamanitra ny vavaka atao ao am-piangonana. Marina fa azo tsahivina ny fampanantenana na fampianaran’ny Soratra Masina, fototr’ireo zavatra tadiavina; fa zavatra tena hafa izany. Ary farany, tsy ny zavatra mikasika ny tena manokana no holazaina, fa ny an’ny fiangonana na ny an’ny mpiangona, ny asan’ny Tompo etỳ an-tany, ny fanahy izay very; raha fintinina, dia ireo zavatra marobe irin’ny fiangonana hoentina eo amin’ny Tompo, amin’ny alàlan’ilay manonona ny vavaka.

Ny rahalahy rehetra dia tokony hanonona ny vavaka, mihoatra noho ny atao amin’ny fivoriana hafa rehetra; misy andraikitra manokana ho an’ny tanora ao, raha ampirisihan’ireo zokiny izy ireo, ka mandray anjara mavitrika amin’izany fivoriana izany, miankina tanteraka amin’ny Tompo, mahay manaja ary mandajalanja.

Ampiana koa fa ny olona rehetra  —na rahalahy na anabavy—  dia tsy hoe afaka ihany, fa tokony hamarana ny vavaka amin’ny “amen”[14], raha tsy hoe angaha tsy fantatra mihitsy izay zavatra nolazaina (1 Korintiana 14. 16) na tena diso toerana. Tsy tokony hatao an-tsaina fotsiny ny amen, fa tokony hotononina.

Mba hahafahana miteny amin’ny fivoriam-bavaka, dia tokony nizatra miara-mivavaka amin’ny hafa: miaraka amin’ny namana, ny fianakaviana, rehefa mamangy olona. Tsy misy manamafy ny fifankatiavana ao amin’i Kristy toy ny fiarahana manatona ny Tompo amin’ny alalan’ny vavaka. Aoka isika tsy hatahotra ny hanazatra tena amin’izany dieny tanora.


 

Ny firioriovan-tsaina

 

Io dia tena fiadiana mahery vaika eo am-pelatanan’ny fahavalo, mba hahavery ny tombontsoa tokony ho azontsika amin’ny fanompoam-panahy sy ny fivoriam-bavaka!

Mba tsy hampiriorio ny saintsika any amin’ireo zava-manahirana nandritra ny herinandro, dia aoka isika hizatra “manidy ny saintsika” amin’ireo, toy ny nanidian’i Nehemia ny varavaran’ny tanàna fahizay, raha vao “malomaloka”, amin’ny andro alohan’ny andron’ny Tompo, ka tsy hamoha izany raha tsy dify io andro io. Raha matoky Azy amin’ny vavaka isika, dia homeny hery hahavitana izany. (Nehemia 13. 19-21)

Ny momba ireo zava-manahirana antsika, ireo olana eo amintsika, dia “aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra ... hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo, ao amin’i Kristy Jesoa” (Filipiana 4. 6-7). Fampanantenana sarobidy izany, tokony horaisintsika, ary tokony hampiharintsika ny fampirisihana raketiny.

Rehefa tafavory manodidina ny Tompo isika, dia aoka hampifantoka ny saintsika sy ny masom-panahintsika Aminy, fa tsy amin’ny manodidina antsika; tsy mifanipaka amin’ny fanatrehan’Ilay tsy hita maso, ve, ny topy maso sy ny tsikitsiky ifanakalozana indraindray eny an-dabilio eny? Ka mety ho tafavoaka alohan’ny fotoana tao amin’ny toeram-pivoriana ianao, an’eritreritra, na dia mbola mipetraka eo aza ny vatanao!

 


 

3-     Ny fivoriana fampandrosoana

 

Ny 1 Korintiana 14 no manazava antsika izany. Mivory ny fiangonana manontolo, ary ny Tompo no manome “salamo iray, fampianarana iray, fanambaràna iray”, amin’ny alalan’ny iray amin’ny mpivory. Tsy dia tena io, tsy akory, ny hoe fampiasana ny fanomezam-pahasoavana; fa “mahazo maminany tsirairay ianareo rehetra.” Amin’ny fivoriana iray, dia “roa na telo” no tokony hanao izany (io dia tsy mametra toy ny amin’ny fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra, hoe “avelao ho roa na telo, fa aza atao mihoatra noho izany”); nefa, amin’ireo fivoriana mifandimby, ny tsirairay dia mety ho fitaovana ampiasain’ny Tompo.

Ny zavatra rehetra atao dia tokony “ho fampandrosoana”; famakiana ampahibemaso ny Tenin’Andriamanitra (1 Timoty 4. 13), fampirisihana sy fampiononana avy amin’izany; ny hira koa dia afaka mampandroso (Kolosiana 3. 16), toy ny vavaka (1 Korintiana 14. 15).

Ny fikatsahana Azy Tompo sy ny fatokiana ny fiasan’ny Fanahy ao amin’ny fiangonana, no hahitana fitahiana amin’izany fivoriana izany. Zava-dehibe ny fizàran’ny rahalahy rehetra mandray anjara mavitrika amin’ny fivoriana; tsy ankinina amin’itsy na iroa izay manana fanomezam-pahasoavana manokana, na sendra mandalo. Nefa ahoana moa no itondranao zavatra tsy niainanao akory? Ahoana koa no iankinanao amin’ny Tompo rehefa mivory, raha tsy niara-dia taminy isan’andro ianao, niombona taminy sy nanaraka Azy?

Zava-dehibe ihany koa ny mahatsiaro fa izay miteny dia miteny “toy ny milaza tenin’Andriamanitra” (1 Petera 4. 11). Andraikitra mavesa-danja ho azy, nefa koa andraikitra ho an’izay mihaino!

“Aza mamono ny Fanahy”, hoy ny apostoly tamin’ny Tesaloniana (1 Tesaloniana 5. 19). Mety hitranga izany, raha mandray fitenenana amin’ny tsy tokony ho izy, na koa tsy miteny nefa atosiky ny Fanahy. Fa ny azo antoka hoe sakana lehibe indrindra amin’ny fiasa malalaky ny Fanahy, ao amin’ny fivoriana, dia ny fanakianana matetika loatra ataon’ny mpivory, ilay toe-tsaina malaky mitsikera. Ary fanamarihina iray, na dia mitombina tanteraka aza, nefa atao tsy am-pandanjalanjana na tsy am-pitiavana, dia afaka mamono ny Fanahy koa.

Mazava ho azy fa ny “fanomezam-pahasoavana” nomen’ny Tompo ny olony dia hampiasaina malalaka, mandritra ny fivorian’ny fia²ngonana, nefa tsy ho ireny irery ihany mihitsy.


V. Ny fanompoana sy ny fanomezam-pahasoavana

 

Vakio : 1 Korintiana 12; Efesiana 4. 7-16; Romana 12. 4-8; 1 Petera 4. 10-11[15].

 

Zavatra iray loha lehibe no misongadina amin’ireo andinin-tSoratra Masina ireo: ny Tompo no manome. Ao amin’ny Efesiana, i Kristy no nanome; ao amin’ny Korintiana, Andriamanitra no nametraka ao amin’ny fiangonana; ao amin’ny Romana sy ao amin’ny Petera Voalohany, misy ny fanomezam-pahasoavana samihafa.

Tsy safidin’ny olona, izany, na dia rahalahy malaza aza izy, tsy safidina vondron’olona, na safidina fiangonana ao an-toerana iray aza, no hiantso olona hampianatra ny Tenin’Andriamanitra na hanao asa fanompoana hafa, fa Andriamanitra no manome ny fanomezam-pahasoavana “araka ny sitrapony”, “araka izay tiany”. Tsy misy, izany, na fanomezam-pahefana, na fanokanana, na fifandimbiasana. Ny fiangonana no manolotra “ny tànana ankavanan’ny fihavanana” (Galatiana 2. 9) ho an’izay nahazo izany fanomezam-pahasoavana izany; hanaiky ny zavatra nataon’Andriamanitra izy, fa tsy hanome na inona na inona.

 

Inona no tanjon’io fanompoana io?

Ao amin’ny Efesiana 4. 12-16 ny valin’izany:

a)      “ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin’ny asan’ny fanompoana amin’ny fiangonana, ho amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy” (and 12). Ny tanjona voalohany amin’ny fanompoana, izany, dia ny fampandrosoana, ny fananganana ilay trano nankinin’ny Tompo tamin’ny olony: ny evanjelista, manao ny asa fanompoany, dia hitondra olona avy amin’izao tontolo izao ka ho ao amin’ny fiangonana, noho ny fahasoavan’ny Tompo; toy ilay Samaritana nahita naratra teo amoron-dàlana, nangoraka azy, nitsabo azy, nampitaingina azy teo amin’ny bibiny ary nitondra azy ho any amin’ny tranom-bahiny. Tao, dia nankininy tamin’ilay tompon’ny tranom-bahiny ny fikarakarana azy, kisarisarin’ny Fanahy Masina miasa amin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana mpaminany, mpiandry ary mpampianatra ao amin’ny fiangonana, ho fanatanterahana sy ho fampandrosoana.

b)      “Mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe” (and 13). Fitomboana, izany, no tanjona. Ny zaza bodo ao amin’i Kristy, izay vao “nateraka indray”, dia efa manana ao Aminy izay rehetra ho azy mandrakizay; nefa tsy fantany na ny toerana misy ny tenany na ny lovany. Ny tanjon’ny fanompoana, izany, dia ny hampahalehibe azy, mba ho tonga lehilahy lehibe izy sy izay rehetra toa azy: ho lasa mpino mahatsapa marina ny toerany ao amin’i Kristy, ka matoky sy misitraka izany. (“Ianareo ato Amiko, ary Izaho ao aminareo!”)

c)      “Mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samihafa rehetra” (and 14). Izay tsy miorina ao amin’ny fahamarinana sy tsy nianatra nanavaka ny tsara amin’ny ratsy, dia mora verezin’ny fitaritan-tsaina samihafa. Noho izany, andaniny, ilaina ny fanompoana, mba hampiorina ao amin’ny fahamarinana, ary ankilany, mety hampidi-doza, indrindra ho an’ireo tanora, ny mamaky na mihaino fampianarana tsy azo antoka mialoha hoe araka ny fihevitry ny Tompo. Mora mihitsy ny hidiran’ny eritreritra hafa ao an-tsaina, ary mitombo ao izany, ka “mamery amina làlana miolikolika”, an-kafetsena.

d)      “Fa mba hanaraka ny marina amin’ny fitiavana, ka hitombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’Izay Loha, dia i Kristy” (and 15). Io no tanjona avo indrindra, amin’ny fanompoana: “ho amin’Izay Loha, dia i Kristy”. “Mba hahalala Azy”, hoy ny apostoly. Ny Tenan’ny Tompo no ambonin’ny sakafo sy ny fampandrosoana, ambonin’ny fiorenana ao amin’ny fahamarinana, ambonin’ny fahalalana. Tsy afaka hitombo hahatratra ny ohatr’i Kristy, raha tsy marina amin’ny fitiavana, fitiavana Azy sy ny olony.

 

Inona no fanoitran’izany fanompoana izany?

Ny 1 Korintiana 13, izay tsara fipetraka anelanelan’ny 1 Korintiana 12 sy 1 Korintiana 14, no manoro antsika ny tsiambaratelon’izany: ny fitiavana. Ny fanomezam-pahasoavana tsara indrindra, raha tsy misy fitiavana, dia kipantsona maneno ihany, tsinontsinona ary tsy mitondra na inona na inona. Ny fanoitra iray hafa koa, dia ny voninahitr’Andriamanitra, araka ny teny ao amin’ny 1 Petera 4. 11 hoe: “mba hankalazana an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy”.

Ny fitadiavan-tena, ny faniriana hanan-danja, ny fireharehana, ny fahazarana, dia mety hamono na dia ny fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra aza, ambara-piverin’ny olona amin’ny loharanony, raha mitsara an’ireo toe-dratsy ireo izy.

 

Inona avy ny fanomezam-pahasoavana nomena?

“Samy nomena ny fahasoavana araka ny ohatry ny fanomezan’i Kristy avy isika rehetra”, hoy ny Efesiana 4. 7. Miditra an-tsipiriany kokoa ny 1 Korintiana 12. 7, amin’ny hoe: “Izy rehetra dia samy nomena ny fampisehoana ny Fanahy, hahasoa.” Noho izany, ny olona rehetra isan’ny tenan’i Kristy dia samy nahazo zavatra tsirairay, avy amin’ny Tompo, izay tokony hampiasaina ho an’ny hafa (1 Petera 4. 10) mba “hahasoa” (1 Korintiana 12. 7). Ny fanomezam-pahasoavana noraisina dia mitarika andraikitra mba hanekena io fahasoavana io, nefa kosa tokony hotsaroana lalandava fa tsy misy avy amintsika: “Inona no anananao, izay tsy noraisinao? Fa raha nandray ihany ianao, nahoana no mirehareha?” (1 Korintiana 4. 7).

Nefa misy koa fanomezam-pahasoavana ifotony, izay tsy nomena ny rehetra, fa nomen’ny Tompo hahasoa ny fiangonany:

a)              ny apostoly sy ny mpaminany (1 Korintiana 12. 28, Efesiana 4. 11), izay nametraka ny fototra (Efesiana 2. 20). Tsy misy intsony ny fanomezam-pahasoavana ifotony ho apostoly, nefa mbola miasa eo anivontsika ihany izy ireo, amin’ny alalan’ny soratra avy tamin’ny tsindrimandry, izay navelany ho antsika. Tsy misy ny fifandimbiasan’ny apostoly, tsy misy milaza izany, ao amin’ny Soratra Masina.

b)              Ny evanjelista, ny mpiandry sy ny mpampianatra dia mbola manohy hatrany ny asa fanompoany, ankehitriny. Ny evanjelista, mba hitaona ny olona; ny mpiandry sy ny mpampianatra  —ary koa ny mpaminany, izay miteny amin’olona ho fampandrosoana sy ho fampirisihana ary ho fampiononana, araka ny lazain’ny 1 Korintiana 14. 3—, mba hampiorina ny olo-masina, mba hiteny amin’ny fon’izy ireo sy amin’ny eritreriny ary amin’ny sainy.

Ireo mpanompo ireo koa, dia namela asasoratra ho antsika; izany, nefa, dia tsy azo oharina velively amin’ny Soratra avy amin’ny tsindrimandrin’ny Fanahy Masina; nefa dia tena ilaina tokoa, ho an’ireo tena te hitombo amin’ny fahalalana ny zavatr’Andriamanitra.

Voalaza koa, fanomezam-pahasoavana miaraka amin’ny famantarana: fahagagana, fiteny amin’ny teny tsy fantatra, fanomezam-pahasoavana hoenti-manasitrana; ny tena tanjon’izy ireny, tany am-boalohany, dia ny hanamarinana ny finoana kristiana, araka ny Marka 16. 20: “ary ny Tompo … nanamarina ny teny, tamin’ny famantarana izay nomba azy.” Azo eritreretina fa mety mbola ho hita izany fanomezam-pahasoavana izany, mandritra ny fitoriana ny teny any amin’ireo tany mbola manompo sampy, mila ny “fanamarinana” ny filazantsara, amin’ny voalohany; fa ny amin’ny fitenenana amin’ny teny tsy fantatra kosa, dia voalaza mazava fa “hitsahatra” ireny. Etsy an-daniny koa, ny faminaniana sy ny fahalalana dia “ho levona” (rehefa miverina i Kristy, araka ny lazain’ny andininy manaraka) (1 Korintiana 13. 8-13).

Misy koa ny fanomezam-pahasoavana samihafa, izay tsy voatery hiaraka amin’ny fanomezam-pahasoavana ifotony: ny tenim-pahendrena, ny tenim-pahalalana, ny finoana, ny fahaiza-manavaka, araka ny 1 Korintiana 12. 8-10. Tsy ho hadino ny ao amin’ny Romana 12. 8, dia ny mananatra, ny manome, ny mitarika, ny miantra.

Fanetrentena diso toerana ny mieritreritra hoe tsy tokony hitady ireny fanomezam-pahasoavana ireny. Mazava nefa ny lazain’ny Teny hoe: ”Maniria fatratra ny zava-panahy” (1 Korintiana 14. 1). Tsara, izany  —ary araka an’Andriamanitra—, ny mitondra izany am-bavaka, ka ho tonga hahatakatra izay ankinin’ny Tompo amintsika, noho ny fianteherana aminy.

Mety hisy koa, fanomezam-pahasoavana noraisina, nefa navela hihamalemy, na ho faty mihitsy aza, satria tsy nampiasaina. Izay no mahatonga ny 2 Timoty 1. 6 hilaza hoe: “Mampahatsiaro anao aho, mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, izay ao anatinao.”

Misy aza  —ary matetika kokoa, tsy araka ny hanampoizana azy—  ny mety ho tonga amin’ny tsy firaharahana mihitsy izany fanomezam-pahasoavana noraisina izany. Akory angamba ny hagagan’i Arkipo, tamin’ny namakiana voalohany tao am-piangonana ny epistily ho an’ny Kolosiana, raha nandre tampoka izy, taorian’ireo fiarahabana isan-karazany, hoe: “Lazao amin’i Arkipo hoe tandremo ny fanompoana izay noraisinao tao amin’ny Tompo, mba hahatanterahanao izany!” (Kolosiana 4. 17). Tadidin’ny zanak’i Filemona (?) angamba izany.

Farany, aoka hotsaroantsika ny Tenin’Andriamanitra mampirisika antsika “mba hanaiky izay mikely aina eo amintsika sy mitondra antsika amin’ny Tompo ary mananatra antsika, ary mba hohajaina indrindra amin’ny fitiavana izy, noho ny asany” (1 Tesaloniana 5. 12-13). Atsaharo ny fanakianana mandrava, ny fanambaniana, fa ny fankasitrahana, ny firahalahiana, ny fitiavana, ny fankatoavana no atao betsaka, mba ho “amin’ny fifaliana, fa tsy amin’ny fisentoana” no hanaovan’ireo “miambina ny fanahintsika” ny asany (Hebreo 13. 17).

 


 

VI. Ny Fanasàn’ny Tompo sy ny Latabany

 

Mitodika amin’ny fontsika, aloha, ireo andinin-tSoratra Masina mikasika ny fanorenana ny Fanasàn’ny Tompo, ao amin’ny filazantsara telo voalohany sy ao amin’ny 1 Korintiana 11. “Naniry koa raha naniry” (Lioka 22. 15) ny Tompo, mba hiara-mihinana farany ny Paska tamin’ireo mpianany; tsy dia noho ny maha-Paska azy, loatra, fa satria tamin’io fotoana io no tiany hanorenana ny Fanasàn’ny Tompo, izay hampahatsiahy ny olony, mandritra ny taona hifandimby, ny haben’ny fitiavany azy ireo. Ny fitenenana hoe “dieny mbola tsy mijaly Aho” sy “ny alina namadihana Azy” dia manamarika ireo fotoana handrenesana ilay Feo mamerina hoe: “izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy” (and 19). Dia tsy te hamaly miaraka amin’i Isaia ao amin’ny 26. 8 ve isika, hoe: “Ny Anaranao sy ny fahatsiarovana Anao no irin’ny fanahinay” ?

Nahoana moa ny Fanahin’Andriamanitra no mampiseho antsika ao amin’ny Lioka 22. 24 ny fifandirana teo amin’ny apostoly mba hahafantarana “izay iray aminy hatao lehibe”, avy hatrany dia aorian’ny fanorenana ny Fanasàn’ny Tompo? Tsy efa fantatry ny Tompo mialoha ve, fa mandritra ny taona maro hifandimby, dia mbola hisy fifandirana toy izany eo amin’ireo olona na dia tia Azy aza, ary indrindra indrindra mikasika ny Fanasàn’ny Tompo? Tsy tiany hampahafantarina an’ireo olony ve ny fomba tokony hifampitondran’izy ireo? Marina fa tokony harovana ny marina, ary tokony hofadiana ny mampivaona na manova endrika ny fampianaran’ny Tompo, nefa toe-tsaina manao ahoana no tokony hanaovana izany? Izy ihany no manome antsika ohatra mavesa-danja tokoa, tamin’ny nilazany hoe: “Izaho dia eo aminareo toy izay manompo” (and 27). “Izaho izay Izy”, Tompo Andriamanitra, ilay Tsy miova, no teo afovoan’izy ireo. Fahasoavana tsy hita lany no nanetreny tena toy izany. Ary manoatra noho izany: tsy hoe tamin’ny fahefany rehetra sy ny voninahiny no naha-teo afovoan’izy ireo Azy, fa “toy izay manompo”. Tsy ohatra fanetrentena tokony hananantsika, manoloana izay rehetra momba ny fahatsiarovana ny nijaliany, ve, izany navelany ho antsika izany? fanetrentana tsy mifanohitra velively amin’ny fanarahana ny Teniny sy amin’ny ady ho amin’ny “finoana, izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an’ny olona masina” (Joda 3).

Lohahevitra efatra manazava ny momba ny Fanasàn’ny Tompo no ndeha hodinihintsika.


 

1.                Fetin’ny kristiana

Fahatsiarovana ny fanafahana avy tany Egypta no nankalazan’ny Jiosy ny Paska. Izay Jiosy ara-pirazanana ihany, ary voafora sy tsy maloto, no nahazo nihinana ny zanak’ondry natsatsika tamin’ny afo (Nomery 9. 2-12). Raha nisy vahiny mba te hitandrina ny Paska koa, dia tsy maintsy voafora izy ary manaiky izay rehetra isarahan’ny Israelita amin’ny vahoaka hafa (and 14; Eksodosy 12. 48)[16].

Ankehitriny koa, ny Fanasàn’ny Tompo dia voatokana ho an’ny zanak’Andriamanitra, dia ireo olona voavotry ny ra sarobidin’i Kristy.

Indray mandeha isan-taona no nanamarihana ny Paska; tsy misy fitsipika kosa ny momba ny fankalazana ny Fanasàn’ny Tompo, fa ny andro voalohany tamin’ny herinandro, ny harivan’ny nitsanganany tamin’ny maty, no nahatongavan’ny Tompo teo afovoan’ny olony, nampiseho azy ireo ny tànany sy ny lanivoany. Niandry valo andro indray izy, vao niverina toy izany. Ny andro voalohany amin’ny herinandro ihany koa no namakian’i Paoly mofo, niaraka tamin’ny mpianatra, tany Troasy (Asan’ny Apostoly 20. 7).

Imbetsaka no miverina ao amin’ny Eksodosy sy any an-toeran-kafa ny filazana fa ny Paska dia Pask’i Jehovah. Ny 1 Korintiana 11. 23-31 dia manipika fa ny Fanasana dia an’ny Tompo, eo no anambaràna ny nahafatesan’ny Tompo, eo no ahitana imaso ny tenan’ny Tompo, ny ran’ny Tompo, ny kapoaky ny Tompo. Tsy iadian-kevitra fa Izy no Mpamonjy, nefa ny zony amin’ny maha-Tompo Azy, ny voninahitra sy ny fahefana miaraka amin’izany, dia asongadina manokana ao amin’ny Fanasàn’ny Tompo.

 

2-     Ny tsangambato fahatsiarovana

Ny mampiavaka manokana ny Fanasàn’ny Tompo koa, dia noho izy tsangambato fahatsiarovana, izany hoe fahatsiarovana ny Tompo: “Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy.” Ho Azy, izany, ary ho fahatsiarovana Azy, fa tsy hahazoana fahasoavana na fitahiana, no antony andraisantsika ny Fanasàn’ny Tompo; io fahatsiarovana io dia tsy voafetra ho amin’ny nahafatesany ihany, na ny asany, na ny fahafahana vokatr’izany ho antsika, fa ho an’ny Tenany mihitsy: “... ho fahatsiarovana Ahy”.

“Ity no tenako”, hoy ny Tompo tamin’ireo mpianany nivory tao amin’ny efitrano ambony. Mety ho zavatra hafa ve ilay mofo, fa tsy mofo ihany, tamin’ny natolotry ny Tompo  —izay mbola velona—  an’ireo mpianany ary nolazainy hoe: “Ity no tenako”? Ary rehefa nitsangana tamin’ny maty i Jesoa, nampiakarina tam-boninahitra, ka azo atao hoe nanavao io fanorenana io tamin’i Paoly (“Izaho efa nandray tamin’ny Tompo izay natolotro anareo kosa”), tsy tany an-danitra ve ny tenany feno voninahitra sy natsangana tamin’ny maty? Ahoana àry no hahatonga ny mofo hanjary ny tenany ara-bakiteny? Raha mampiseho sary isika, ka milaza hoe: “ny raiko ity”, dia tsy misy olona mandray an’izany ho zavatra hafa. Rehefa miteny ny Tompo hoe: “ity no tenako”, dia milaza Izy izany fa ny mofo dia fanehoana ny tenany, ary ny divay dia fanehoana ny rany; nefa angamba mbola misy mihoatra noho izany: ho an’ny fanahintsika ary ara-panahy, ny mofon’ny Fanasàn’ny Tompo sy ny kapoakan’ny Tompo, ho an’ny finoantsika, dia “fiombonana amin’ny tena sy ny ran’i Kristy” (1 Korintiana 10. 16).

“Ity dia … ho anareo”, hoy ny Tompo. Efa nolanjaiko ny fitsarana, ny fandaozana, ny fijaliana; “ity dia ho anareo”. Ho tsinontsinoavintsika ve izay omeny antsika toy izany sy izay asainy ataontsika mba ho fahatsiarovana Azy?

“Izao no ataovy …”: tsy izany ve no zava-dehibe indrindra azontsika atao ho Azy etỳ an-tany? Dia tsy hankasitraka ireo izay manao izany mba ho fahatsiarovana Azy ve ny Tompo, eo amin’ny toeram-boninahiny, na dia tsy mahalala na manadino ny ampahan’ny dikan’io tsangambatom-pahatsiarovana io aza izy ireo? Miezaka mamaly ny faniriany isika, manaraka ny Teniny araka izay azo atao, nefa aoka tsy hanao tsinontsinona an’ireo izay mandray ny Fanasàn’ny Tompo amin’ny fony tanteraka, na dia mifangaro amin’olon-kafa aza izy ireo, na manao izany amina fomba maneho tsy fahalalàna. Tsy midika izany hoe tokony hoekena ny fivilian’ny fanorenana nataon’ny Tompo, tsia; ilaina tokoa ny miaro ny marina eo anoloan’ny fanodinkodinana na fampiasana tsy araka ny tokony ho izy io tsangambatom-pahatsiarovana io. Fa hafa tanteraka ny hoe manabanty ireo izay te hahatsiaro amin’ny fony tokoa ny nahafatesan’ny Tompo, na tsy dia mahalala ny andraikiny amin-javatra maro aza izy ireo.

 

3-     Ny fanambaràna ny nahafatesany

”Na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo ianareo” (1 Korintiana 11. 26).

Fanehoana am-pahefana mazava, tsy amin’ny teny, eo anoloan’izao tontolo izao sy ny anjely, ny fahafatesan’ny Tompo, no atao amin’izany. Tsy mahagaga i Satana raha milofo hanakona sy hanamaloka ary hanodinkodina izany, na mitady hamotraka ny olona manao izany, mba hanalana baraka azy ireo. Asa mivantana ataon’ny fahavalo ny mamorona fifandirana sy fifanipahana isan-karazany eo amin’ny mpirahalahy, mba hanodinana ny fanahy tsy hibanjina na io tsangambatom-pahatsiarovana io na ny Tompo mihitsy. Koa tokony hitandrina manokana isika, mba tsy hanome vahana ny fahavalo, fa am-panetrentena sy amin’ny fomba tsy azo hozongozonina kosa, hiambina mba hohazonina io fanehoana ny nahafatesan’ny Tompontsika io.

Na dia be aza ny lazain’ny Tenin’Andriamanitra momba ny faharavana, efa nambaran’ny Tompo sy ny apostoly, dia tsy misy vanim-potoana lazainy hoe tsy hahazoana mandray ny Fanasàn’ny Tompo intsony  —tsy resahina eto izay sehon-javatra manokana eo amina toerana sasantsasany. Ny mifanohitra amin’izany, aza, no lazaina mazava amintsika, hoe: “… mandra-piaviny”. Rahatrizay tonga ny Tompo, dia tara loatra ny famaliana ny faniriany sy ny fanehoana ny nahafatesany. Mety ho “fotoana kely dia kely sisa” ahazoantsika manao izany!

 

4-     Ny fanehoana ny maha-iray ny tena

Tsara raha dinihina akaiky ny 1 Korintiana 10. 14-22, ary jerena miaraka amin’ny teny eo alohany sy eo aoriany. Manomboka eo amin’ny toko faha-8, dia resahin’ny apostoly ny fanompoan-tsampy sy ny fanatitra ho an’ny sampy. Rehefa avy niresaka zavatra hafa isan-karazany izy, dia miverina amin’io ihany, ao amin’ilay andininy faha-14: “Koa amin’izany, ry malala, mandosira ny fanompoan-tsampy.” Omeny ao amin’ireo fehezan-teny manaraka ny antony tokony handosirana izany fanompoan-tsampy izany.

Miray amin’ny ra sy ny tenan’ny Tompo ary mifandray ny kristiana, rehefa mamaky ny mofo; toy izany koa, niombona tamin’ny alitara ny mpisorona tany Israely rehefa nihinana ny fanatitra; dia toy izany koa no iraisan’ny olona amin’ny demonia miafina ao ambadiky ny sampy, raha mihinana fanatitra ho an’ny sampy izy. Izany no maha-tsy azo atao ny misotro amin’ny kapoaky ny Tompo sy amin’ny kapoaky ny demonia.

Ny tanjon’io andalan-tSoratra Masina manontolo io, dia ny anaporofo fa rehefa mandray anjara amina latabatra, amina alitara, dia miombona amin’ilay alitara sy amin’izay zavatra atolotra eo ary amin’ireo olona mandray anjara amin’izany. Io “foto-kevi-piraisana” io, izay maneho koa ny firaisan-kina sy ny fiombonana andraikitra, no foto-kevitra fahatelo ampiharina miaraka amin’ny foto-kevitra momba ny “sisa tavela” sy ny foto-kevitra hoe “izay an’Andriamanitra dia mitoetra hatrany”, ka mampiseho antsika ny fomba ivoriana araka an’Andriamanitra, ankehitriny.

Satria ny fiteny hoe “latabatry ny Tompo” no nampiasain’ny apostoly tamin’io fotoana io, dia izany fiteny izany koa no matetika ampiasaina rehefa manondro ny lafin’ny fiombonana, izay tena mivoitra ao amin’ny Fanasàn’ny Tompo.

Roa lafy io fiombonana io: ankilany, dia ny fiombonana amin’ny ran’i Kristy sy ny fiombonana amin’ny tenan’i Kristy (and 16); andaniny, ny fiombonana amin’ireo olona miaraka aminao: rehefa mandray anjara amin’ny mofo iray ihany isika, dia mampiharihary fa isika rehetra dia “mofo iray, tena iray” (and 17). Ary izany no fomba anehoantsika ampahibemaso etỳ an-tany fa mikambana ho tena iray ihany ny mpino.

Noho izany isika dia tsy tokony hanohitra izany maha iray izany, amin’ny fivoriana na fiarahana mizara ny mofo, izay miorina amin-javatra hafa na antony hafa. Ambonin’izany, manjary miombona antoka amin’izay hadisoana ampianarina na ankatoavina ao isika. Ilaina, izany, ny manalavitra fikambanana izay miorina amin-javatra manohitra io fivoriana manodidina ny Tompo io, amin’ny maha-isan’ny tenan’ny Tompo anao. Nefa tokony hazava tsara ao an-tsaina, ao am-po, ao amin’ny fahitànao, ny fijerin’ny Tompo ny olom-boavotra rehetra: isan’ny tenan’ny Tompo daholo izy ireo, na dia ny sasantsasany ihany aza no maneho izany amin’ny famakiana ny mofo.

 

Ahoana ny fomba fandraisana anjara amin’ny Fanasàn’ny Tompo ?

Iza no mendrika handray anjara amin’izany tsangambato fahatsiarovana izany? Tsy misy, raha ny tenantsika no dinihintsika; nefa tsy mendrika ny hotsarovana ve ny Tompo? Ny nanolorany ny tenany no nahavitany ny zavatra rehetra, ka “nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina” (Hebreo 10. 14). Koa dia vokatry ny “fisasaran'ny fanahiny” (Isaia 53. 11) sy ny “nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin’ny Malala” (Efesiana 1. 6) no ahafahantsika manatona ny latabany.

Nefa misy toetra ara-panahy takiana amin’izany, araka ny anambaràn’ny 1 Korintiana 11. 27-34 azy. “Aoka ny olona hamantatra ny tenany…”, mba hahalalàny ve raha mendrika izy? Tsia, fa “… dia aoka izy hihinana!” Rehefa mamantatra ny tenanao ianao, dia hahita fa tsy mendrika; ao amin’ny mazava no hahatonga anao hitsara ireo fahadisoanao sy hitsara ny tenanao; nefa eo koa no hahatsiarovanao fa efa nofafan’ny asan’i Kristy izany rehetra izany; hatoky ilay fampanantenana ianao hoe “raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy, ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jaona 1. 9). Izany toetra izany no hihinanana ny mofo sy hisotroana amin’ny kapoaka, amin’ny fahatsiarovana ny fahasoavana izay hany mamela antsika handray anjara amin’io fanasana io.

Noho izany, dia heverina fa tsy tokony handray anjara amin’ny Fanasàn’ny Tompo ny ankizy kely, na dia an’ny Tompo aza. Mila fahaizana manavaka ny zavatra ara-panahy, “mandeha”, “mamantatra ny tenany”, ary “manan-tsaina” (1 Korintiana 10. 15) hahalala izay ataony. Tsy hoe fahalalàna an-tsaina izany, fa kosa toetra ara-panahy afaka manavaka ny ratsy sy ny tsara.

Ampitandremana isika mba “tsy hihinana ny mofo sy hisotro amin’ny kapoaky ny Tompo amin’ny fanahy tsy mendrika”. Ny dikany ara-bakiteny dia hoe “amin’ny fomba tsy mendrika”, izany hoe toy ny nataon’ny Korintiana, izay nanana fihetsika sy fitondràntena toy izany, tamin’izay fotoana izay, tsy mifanaraka amin’ny zavatra natao; nefa hita eo amin’ny hevitry ny lahatsoratra, fa raha manatona ianao nefa tsy mamantatra ny tenanao, dia manao izany amin’ny fomba tsy mendrika koa. Ny mandray anjara amin’ny Latabatry ny Tompo, nefa manana eritreritra hafa ankoatra ny fahasoavana, ohatra ny fanamarinan-tena  —mba mendrika toy ny sasany ihany anie aho e!—  na ny tsy fiheverana lalina, dia manao izay andraisana anao ho “meloka ny amin’ny tena sy ny ran’ny Tompo”.

Mety hitarika anao “hanabanty ny fiangonan’Andriamanitra” ny fihetsikao, ny toe-panahinao, ny fiainana ao anaty fifandirana sy fifandrafiana. Raha tsy raharahaina ny fitsarana ny tena, dia faizin’ny Tompo isika: “Noho izany dia betsaka ny marary sy marofy eo aminareo, ary maro ihany ny efa nodimandry.” Sazy mihatra na ara-nofo na ara-panahy.

 

Iza no afaka mandray anjara?

Ny “Fanasàn’ny Tompo atao isan’alahady” dia an’ny Tompo. Koa dia Izy no manapaka hoe iza no afaka mandray anjara.

Mazava fa ny voavotra ihany, ireo izay efa voasasa tamin’ny ran’ny Zanak’ondry, no asaina amin’izany tsangambato fahatsiarovana izany. Teo amin’ny fiantombohan’ny Asan’ny Apostoly, dia mazava ny fiovàm-po, mazava ny fisian’ny aina, hany ka tsy nisy fihambahambana mihitsy: ireo izay nandray ny Teny dia “nanampiana” fotsiny. Nefa hitantsika fa vetivety dia tafiditra ny ratsy, ary izany no nahatonga ireo fananarana isan-karazany. Ny 1 Korintiana 5 dia mampiseho antsika ny fomba tokony hanesorana ny ratsy; koa izay toy izany dia tsy mahazo mandray anjara amin’ny Latabatry ny Tompo: hitondra masirasira handoto ny fiangonana manontolo eo izy. Tsy ny haratsiana ara-panahy ihany no lazain’ny masirasira, fa ny haratsiana ara-poto-pampianarana koa, araka ny lazain’ny Galatiana 5. 9. Izay tsy mitondra ny foto-pampianaran’i Kristy dia tsy azon’ny mpino nampandrosoana (2 Jaona 10-11). Koa akory, izany, no andraisantsika anjara amin’ny faharatsiany, raha maneho firaisana aminy eo amin’ny Latabatry ny Tompo isika! Nohazavain’ny 2 Timoty 2 tamintsika fa mandroso ny faharavana, ka tokony hiala amin’ny ratsy, aloha, isika (and 19), ary hanadio tena ho afaka amin’ny fanaka halaim-baraka (and 21), izay vao ho afaka miaraka amin’ireo izay miantso ny Anaran’ny Tompo amin’ny fo madio (and 22). Nametraka famerana ihany, izany, ny Tenin’Andriamanitra ka, na dia marina aza fa ireo rehetra isan’ny tenan’i Kristy dia manan-toerana eo amin’ny Latabatry ny Tompo, dia matetika misy sakantsakana tsy ahazoan’izany firaisana izany miseho.

Iza no hanapa-kevitra hitsara fa izay te handray anjara amin’ny famakiana ny mofo dia mahafeno ny fepetra takian’ny Tompo amin’izany? Tsy rahalahy iray, na rahalahy maromaro, fa ny fiangonana, izay nandray ny famehezana etỳ an-tany avy amin’ny Tompo (Matio 18. 18). Raha ny fiangonan’i Jerosalema, aza, sahirana tamin’ny handraisana an’i Saoly raha tsy nanadihady ny amin’ny fiovàm-pony, aloha, mainka fa amin’izao andro izao, dia sarotra kokoa ny tonga dia hahafantatra hoe ity olona iray ity dia manaraka ny fampianaran’ny Tenin’ny Tompo, na eo amin’ny fiainany manokana na eo amin’ny fandraisana ny Fanasàn’ny Tompo. Tsy ny filazan’ny olona iray ihany no manaporofo fa manam-pinoana izy, fa ny asa vokatr’izany koa (Jakoba 2. 18); mety hila fotoana maharitra vao ho hita mazava izany, ary toy izany koa ny hahafantarana fa tsy misy sakana toy izay voalaza terỳ ambony. Rariny, izany, raha misy ny fangatahana ho mpandray ny Fanasàn’ny Tompo, ankehitriny; ary hisy fotoana maharitraritra vao hazava amin’ny fiangonana ny amin’ny tokony handraisana ny mpino iray. Ny zava-misy, dia mety ho diso ny fiangonana, satria dodona loatra, na koa mitarazoka loatra. Nefa mandritra izay fotoana izay, ilay olona mangataka dia tokony handalina indrindra ny fampianaran’ny Soratra Masina momba ny Fiangonana sy ny Fanasàn’ny Tompo: raha tsy izany, dia rahoviana indray vao hanao izany? Rehefa resy lahatra ny fiangonana fa zanak’Andriamanitra ilay mpangataka, ary tsy misy sakana, dia manaiky azy araka izany. Koa dia handray ny Fanasàn’ny Tompo izy, tsy hoe satria “afa-panadinana”, na “tonga isan’ny fiangonana”, fa satria zanak’Andriamanitra, isan’ny tenan’i Kristy[17].

Haka ohatra isika: raha misy olona iray mitady hiditra amina fikambanana arak’asa iray, ndeha hatao hoe dokotera, dia tsy maintsy efa mpitsabo, aloha, izy; fanapahan-kevitry ny komity na ny fivoriamben’io fikambanana io no hanaiky ny fangatahany. Rehefa izany, dia isan’io fikambanana io izy. Raha indray andro any, nefa, tsy tiany intsony io fikambanana io, dia hametra-pialàna izy, ary hoekena izany rehefa feno ny fe-potoana voafaritry ny fitsipi-pikambanana. Tsy mba toy izany ny amin’ny Fiangonan’Andriamanitra. Ny fahateraham-baovao sy ny tombo-kasen’ny Fanahy Masina no mahatonga ho isan’ny tenan’i Kristy; koa raha mangataka ny handray anjara amin’ny Latabatry ny Tompo ny mpino iray, ny hany ataon’ny fiangonana dia ny manaiky ny zavatra efa misy. Fanehoana ampahibemaso izany no atao; ary izay mandray anjara amin’ny Latabatry ny Tompo dia manao izany amin’ny maha-isan’ny tenan’i Kristy azy, fa tsy noho ny antony hafa. “Tianay ny mandray ny toerana izay ametrahan’ny asan’i Jesoa anay” (Fihirana).

Araka ny efa voalaza, raha “misy fikambanana kristiana manaiky fa ny olona ao aminy ihany no mahazo mandray ny Fanasàn’ny Tompo, dia midika izany fa ny firaisana ao dia mifanohitra tanteraka amin’ny maha-iray ny tenan’ny Tompo… Miditra tanteraka amin’ny fisainan’ny sekta, na dia tsy mitonona ho sekta aza, raha ireo ihany no ekena” (J.N.Darby).

Nahoana no be ny tanora izay efa ao amin’ny Tompo, nefa mijanona lavitra an’io tsangambato fahatsiarovana io? Matahotra ny hanombina ny fahafahany sarobidy aminy ve izy ireo? Na koa matahotra ny tsy hizotra amin’ny voninahitry ny Tompo, ka hiharan’ny fifehezan’ny fiangonana eo? Matetika, tsy dia misy dikany aminy loatra io, na ahitany sakana tsy mitombina. Avy aiza izany tsy farisihana rehetra izany? Tsy ny fahavalo ve no mahay mampitranga izany, ka amoronany antony mety hitombina aza, mba tsy anatanterahana ny faniriana farany nasehon’ny Tompo? Izany dia mampiseho amintsika indray, fa ny fitiavana ny Tompo irery ihany, atao ambonin’ny fisainana rehetra mety ho an’olombelona, no afaka hitarika antsika “hanao izany ho fahatsiarovana Azy”. Ho Azy irery ihany no maha-zava-dehibe ny fandraisana ny Fanasàn’ny Tompo, fa tsy satria misy olona mitarika, na satria mety ny manao izany, na koa “mba hatao aro fanina”.

Raha am-pitiavana no amaliantsika ny fanirian’ny Tompo, tsy afaka hino ve fa ny fahefany dia hiaro antsika amin’ny ratsy ary hahatonga antsika handini-tena eo ambany fahasoavany ?

 

 

 

Ny fifehezana[18]

Andraikitra samihafa misy ifandraisana amin’ny Fanasàn’ny Tompo: voalohany, ny fandraisana anjara. Manaraka izany, ny mandini-tena ary mahay manavaka ny Tenan’i Kristy. Ankoatra izay, tsy hitondra masirasira handoto ny fiangonana, “ny vongana rehetra”. Farany, andraikitry ny fiangonana ny manaisotra “ny masirasira ela… ny mpanao ratsy” eo anivony. Izany no atao hoe fifehezana, raha fintinina.

Nefa ambaratonga farany ihany izany. Misy ny fifehezana fisorohana ary misy ny fifehezana fanitsiana; ka rehefa nandamoka daholo izany rehetra izany, ka miharihary ny maha-“ratsy” ilay olona, vao ampiharina ny fandroahana.

Ny fifehezan’ny ray dia hampirisika, hanasa ny tongotra araka ny Jaona 13; hananatra araka ny 1 Timoty 5; hampitsangana araka ny Galatiana 6; hampitandrina araka ny 1 Tesaloniana 5. 14.

Raha tsy ampy izany fifehezan’ny ray izany, dia manambara amintsika ny Teny mba hananatra eo anatrehan’ny olona rehetra: ho an’ny loholona, ao amin’ny 1 Timoty 5. 20; ho an’ny olona mpanavakavaka, dia indroa miantoana, ao amin’ny Titosy 3. 10-11. Manoro ny fanalàna ireo tsy mitoetra tsara, ao amin’ny 2 Tesaloniana 3. 6-15; ary mbola mafimafy kokoa noho izany aza, ho an’ireo mahatonga ny fisarahana sy fiandaniana, ao amin’ny Romana 16. 17.

Raha fahadisoan’olon-tokana, dia ny Matio 18. 15-17 no manoro antsika ny làlan-kaleha.

Rehefa tsy nisy nahomby izany rehetra izany, dia tonga eo amin’ny ambaratonga farany, izany hoe ny fanesorana, araka ny 1 Korintiana 5.

Misy faharatsiana mivandravandra, masirasira izay mandoto ny fiangonana manontolo (jereo Josoa 7). Koa tokony hanadio tena ny fiangonana, hanaisotra ny ratsy eo aminy; nefa alohan’izany, miaiky eo anatrehan’Andriamanitra ny faharatsiany ary “malahelo, mba hesorina tsy ho ao aminy ilay nanao izany zavatra izany” (1 Korintiana 5. 2).

Hita ao amin’ny Levitikosy 13, momba ny habokana, fa mailo sy mitandrina tokoa ny mpisorona, vao mandray ny fanapahan-kevitra farany. Raha tamin’ny fotoan’ny lalàna, aza, no efa natao izany zavatra izany, mainka fa rehefa eo ambany fahasoavana; ny fahasoavana, nefa, tsy midika hoe tsy firaharahana ny ratsy efa hita misongadina izao.

Ny fiangonana no mampihatra ny fifehezana, fa tsy rahalahy iray na maromaro, na dia efa nandinika mialoha ilay olana aza izy ireo. Amin’ny fahefany amin’ny maha-apostoly azy, dia afaka nitsara i Paoly hoe “hanolotra izany anankiray izany ho an’i Satana, hanimbana ny nofo” (1 Korintiana 5. 5), nefa tsy izy no afaka hanaisotra ilay masirasira ela; ny fiangonan’i Korinto no tsy maintsy nanao izany. Izay ihany no azon’ny fiangonana atao; tsy anjarany ny manolotra ho an’i Satana.

Raha vao tapaka ny hevitra, izay manambara ny eritreritry ny fiangonana, dia eken’ny any an-danitra izany, araka ny Matio 18. 18; azo ampiharina amin’ny fiangonana rehetra izany. Roa ny tanjona amin’izany: “mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo”; ary ilay nanao ratsy kosa, dia averina amin’ny toerany rehefa tena notsaraina tanteraka ny ratsy. Izany no ampianarin’ny 2 Korintiana 2. 5-11 antsika. Eto koa, dia tsy afaka manao izany famerenana amin’ny toerany izany ny rahalahy iray na maromaro, na ny apostoly koa aza, fa ny fiangonana mihitsy no hany afaka “mamaha” izay efa “nofeheziny”.

Tena zava-doza sy mampalahelo tokoa, raha voatery ho tonga amin’izany dingana izany, ary matetika, tokony hanontany tena raha efa vita daholo ny ezaka tokony natao ampiharana ny fifehezan’ny ray sy ny fifehezana fanitsiana. Nefa raha tsy maintsy tonga tamin’izany fiafarana mampalahelo izany, dia tokony hanaraka koa ny fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra: “mba tsy hiharoharoanareo aminy, ... aza miara-mihinana akory amin’ny toy izany ianareo” (1 Korintiana 5. 11).

Mbola ilaina ampiana ihany ve, fa rehefa niasa ao an-tsaina sy ao am-po ny Fanahy, dia miova ny fitondrantena, ary hoy ny Teny: “aleo mamela heloka sy mampifaly azy kosa ianareo … mba hekenareo horaisina tsara am-pitiavana izy” (2 Korintiana 2. 7-8)? Tsy tokony hanao ny fihetsik’ilay ray niandry fatratra ny fiverenan-janany ao amin’ny Lioka 15 ve isika, manoloana ny toe-javatra toy izany? Raha vao tazany “raha mbola lavitra izy”, dia onena azy izy ka nihazakazaka dia namihina ny vozony sady nanoroka azy. Fahefana manokan’ny fahasoavana, izay te hampitsangana, hamerina, hamela heloka; ary rehefa tanteraka ny fampitsanganana, tsy miverina intsony amin’ny fahalavoana teo aloha.

 

 


 

VII-           Ny vady

 

Vakio Efesiana 5. 22-32; Matio 13. 45-46; Apokalypsy 19.7-9, 21[19].

 

Ny Tenin’Andriamanitra dia manome ohatra ny tena, mba hampisehoana ny firaisan’i Kristy sy ireo olo-navotany, araka ny asan’ny Fanahy Masina. Efa hitantsika ny kisarisary momba ny trano, izay naorin’ny Tompo, nefa nankininy tamin’ny olombelona ka tratran’ny faharavana. Mila kisarisary hafa, izany, hahatakarantsika ny halalin’ny fitiavan’i Kristy ny fiangonana. Aiza no ahitana izany?

Mba hahazoantsika, na dia kely ihany aza, ny fifandraisana misy eo amin’ny Telo izay Iray, araka ny nanambaràny tena tamintsika, dia nampiasain’ny Fanahin’Andriamanitra ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka. Ny zavatra iainantsika etỳ ambonin’ny tany dia maneho amintsika ny halehiben’izany fifandraisana izany.

Matoa mifankatia ny mpirahalahy, dia satria iray aina, iray karazana, iray ray, iray fiaviana.

Fa loharano hafa kosa no iavian’ny fifandraisana eo amin’ny mpampakatra sy ny ampakarina. Tsy mitovy fiaviana izy ireo: ny mifanohitra amin’izany aza. Samy nanana ny tontolo nisy azy izy ireo, tsy niray aina, tsy niray fianakaviana. Inona no mampifanatona azy sy mampiray azy mihoatra noho ny mpirahalahy? Ny fitiavana: “Notiavin’i Kristy ny fiangonana.” Io no loharanon’ny zava-drehetra.

Nanolotra ny tenany ho fanatitra” ho azy Izy: tsy hamasininy mba ho Azy ny Fiangonana, fa ataony ho Azy mba ho masina. Izay maha-Izy azy rehetra no nomeny. Ary ankehitriny, izay ao aminy rehetra dia natokana hanasoavana ny fiangonana. Satria efa nanolotra ny tenany Izy, dia tsy misy toetra na hatsarana izay tsy mihatra amintsika.

Rehefa nahazo ny fiangonana Izy, dia nanamasina azy. Ampianariny ho an’ny zavatry ny lanitra, amin’ny fanehoany izany amin’ny fahafenoany sy ny voninahiny. Amin’ny Teny no anaovany izany, ary ao amin’ny fitiavany no ampitany izay rehetra mifandraika amin’ny toetra sy fiandrianana ary voninahitr’Andriamanitra.

Fa ankoatra izany, dia dioviny izy; ny Teny ihany koa no ampihariny, hitsarana izay rehetra ankasitrahin’ny fiangonana ankehitriny nefa tsy mifanaraka amin’ny nolazainy; miasa Izy manadio antsika, mba ahafahantsika misitraka ny fitiavany.(J. N. Darby)

Misy, izany, asa efa vita: nanolo-tena ho sorona Izy; asa atao ankehitriny: manamasina sy manadio Izy; ary tanjona mbola ho avy: horaisiny ho an’ny tenany ary halaza ny fiangonana.

Izany rehetra izany dia efa voafintina tao anatin’ilay fanoharana kely momba ny vatosoa, nataon’i Jesoa, ao amin’ny Matio 13. Tamin’alahelo tokoa no nijerentsika ireo fanoharana momba ny faharavana: ny asan’ny fahavalo any an-tsaha; ny ratsy miafina ao anatin’ny rantsan’ilay hazo nitombo be loatra; ny masirasira nahazo ny koba intelon’ny famarana[20]. Fa tsy nianina tamin’izany ny Tompo. Mbola an-kafaliana ihany no nanohizany hoe “ary” (and 44) sy “ary koa” (and 45), dia noresahany antsika ilay mpandranto iray “nahita vatosoa iray sarobidy” ka “lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy”. Fanoharana tsara tokoa, mampiseho Ilay nanome ny fananany rehetra mba hahazoany ny fiangonana, nisarika azy avy tao amin’ny fanambanin’ireo ranomasin’izao tontolo izao, izay naharìna miandàlana azy, “lasa ...” nividy azy, toy ny nataon’ilay osilahy ho an’i Azazela, nitondra ny fahotan’ny Zanak’i Israely tany an’efitra (Levitikosy 16), nanome ho azy izay fananany rehetra, mba hahatonga azy ho masina sy tsy manan-tsiny.

Indray andro any, dia horaisiny “ho an’ny tenany” ny fiangonana. Ao amin’ny filazantsara dia efa nisy fanoharana nataon’ny Tompo, momba ilay mpanjaka nanao fampakarambady “ho an’ny zanany”. Finaritra isika mieritreritra ny asa vitan’ny Tompo ho antsika, nefa aoka tsy hadinoina mihitsy fa ny zava-drehetra dia “avy Aminy, amin’ny alalany ary ho Azy”.

Ny Apokalypsy 19. 7-9 dia mampiseho antsika ny azo atao hoe sary voalohany momba io fiangonana be voninahitra izay horaisiny ho an’ny tenany io, tahaka ny filazan’ny Tononkiran’i Solomona 3. 11 hoe “tamin’ny andro nifalian’ny fony”. Mandray ny valin’ny “fisasaran’ny fanahiny” (Isaia 53. 11) sy ny fitiavany ny Zanak’ondry, rehefa avy nijaly fatratra.

“Efa niomana ny vadiny.” Hevitra roa no azo tsoahina amin’izany teny izany. Ny fanasana fampakarambady any an-danitra dia mifanaraka amin’ny Fanasàn’ny Tompo etỳ an-tany. Ho fiomanana amin’ny Fanasàn’ny Tompo, dia tsy maintsy mandini-tena, ary alohan’ny handraisana anjara amin’ny fanasana any an-danitra, dia tsy maintsy mandalo amin’ny tribonalin’i Kristy: tsy hohelohina tsy akory, fa mba haseho mazava izay rehetra nataontsika tao amin’ny tena, na tsara na ratsy; mba ho levona avokoa izay rehetra mombamomba antsika; izay vao ho azontsika tanteraka ny hasarobidin’ny ra, izay namafa ny zava-drehetra; tsy hisy aloka intsony manelanelana antsika amin’ny Tompontsika. Fiomanana tsy maintsy atao sy mahagaga tokoa, mba ahafahantsika misitraka tanteraka ny fitiavany. Amin’izany “fiomanana” izany, nefa, dia misy hevitra mifandrindra amin’ilay fitafiana rongony fotsy madinika, izay “asa marina ataon’ny olona masina”. Tsy io ilay fitafiana hanamarinana nomen’Andriamanitra ao amin’i Kristy, fa fitafiana namboarintsika tsikelikely tetỳ an-tany: izay fihetsika rehetra, izay teny rehetra, izay fitondrantena rehetra nataontsika, toy ny vokatry ny fiainana avy amin’Andriamanitra, dia kofehy iray amin’izany akanjo izany, amboradara iray amin’izany. Be ny zavatra eritreretin’ny fofombady manomana ny akanjony toy izany! Faly tokoa izy mieritreritra ny andro hisalorany izany eo anilan’ny vadiny! Manazava ny toetra mahatokin’ny Tompo etỳ an-tany izany: tsy hoe fanoavana didy ara-dalàna, fa hetahetan’ny fo “hanaovana ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra” (Kolosiana 1. 10), “mamantatra izay ankasitrahin’ny Tompo” (Efesiana 5. 10), “mitandrina tsara izay fandeha” (and 15), noho ny fitiavana Azy.

Farany, ny fampakarambadin’ny Zanak’ondry; etỳ an-tany, dia ny Fanasàn’ny Tompo izany: tsy maintsy manoa Azy isika; fa rehefa tonga eo amin’ny voninahiny kosa, ny zavatra misongadina eo imason’ny rehetra dia ny toetrany amin’ny maha-Zanak’ondry Azy, eo amin’ny seza fiandrianana sy ny fanasana amin’ny fampakarambady: Izy no nijaly, nanoa hatramin’ny fahafatesana, nanatanteraka ny zava-drehetra ho an’ireo olo-navotany.

Ary ao amin’ny Apokalypsy 21, kosa, dia hitantsika ny ampakarina amin’ny voninahiny; ny andininy faha-2 ka hatramin’ny faha-5, amin’ny fiainana mandrakizay; ny andininy faha-9 ka hatramin’ny faha-22 kosa, mandritra ny fanjakana arivo taona.

Mifanohitra tanteraka amin’ilay vehivavy janga ao amin’ny toko faha-17 izany. Nentina tamin’ny Fanahy “tany an’efitra” i Jaona, mba hahita azy: tany tsy misy na inona na inona ho an’Andriamanitra. Fa mba hahitany kosa ilay tanàna masina, dia nentina “ho any an-tendrombohitra sady lehibe no avo” izy. Lavitra izao tontolo izao, lavitra ny fisafotofotoany, lavitra ny fitsiriritany, lavitra ny zava-manahirana azy. Tahaka ilay Tompo nietry fahiny, niova tarehy teny “an-tendrombohitra avo” (Matio 17. 1), izay nahitan’ny mpianany ny voninahiny.

“Midina” ny tanàna masina. Ny apostoly Paoly dia mampiseho antsika olona maty ao amin’ny hadisoany sy ny fahotany, na miaina ao anatin’ny fahotany, izay esorin’Andriamanitra amin’izao tontolo izao, avotany, velominy, atsangany tamin’ny maty, ary apetrany ao amin’ny Kristy any an-danitra. Amin’ny voninahitra no hanalana ny fiangonana teto amin’izao tontolo izao. Mifanohitra amin’izany kosa, ny apostoly Jaona dia milaza antsika momba ny Teny, izay tao amin’Andriamanitra, tonga nofo ary nonina tamintsika. Lazainy antsika ao amin’ireo epistiliny ny fivelaran’ny toetran’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao; eto kosa izy dia mampiseho ny fiangonana midina avy any an-danitra tamin’Andriamanitra, mba hamerin-taratra ny fahazavana  —ny tara-pahazavan’ny voninahitr’i Kristy—  mandritra ny fanjakàny (2 Tesaloniana 1. 10).

Manambara Azy avokoa ny zava-drehetra ao amin’ilay tanàna; ny vato jaspy: Andriamanitra miseho amin’ny voninahiny; ny vatosoa sarobidy samihafa: ny voninahitra samihafan’i Kristy; ny vavahadin’ny tanàna: pèrila mampahatsiahy ny hasarobidin’io fiangonana io eo imasony. Tsy misy afa-tsy fahadiovana, fangaraharana sy fahazavana; “ny voninahitr’Andriamanitra no nanazava azy, ary ny Zanak’ondry no fanazavana azy” (Apokalypsy 21. 23).

Nefa erỳ am-parany, dia mbola misy fampitandremana manetriketrika ihany, eo amin’ny andininy faha-27: “Tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga.” Iza, izany, no ho tafiditra ao amin’io tanàna masina io? “Izay voasoratra ao anatin’ny bokin’ny fiainana … ihany, izay nanasa ny akanjony, izay nanasa izany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry” (Apokalypsy 21. 27; 22. 14; 7. 14).

Ao amin’ny mandrakizay, dia hitantsika indray fa “nidina” ny fiangonana, toy ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin’ny vadiny, tanàna masina, Jerosalema vaovao. Inona no antony? “Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra ao aminy, dia ho Andriamaniny” (Apokalypsy 21. 3). Rehefa izany, dia “tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihany” (1 Korintiana 15. 28). Very tamin’ny fahalavoana ny fanatrehan’Andriamanitra; nisy ampahany hita ihany, tao amin’ny tabernakely, avy eo dia tao amin’ny tempoly, ary ao amin’i Jesoa no amirapiratan’izany etỳ an-tany; hita kokoa ao amin’ny fiangonana, ary ho fitahiana mandrakizay ho an’ny olona rehetra honina ao amin’ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, izany fanatrehan’Andriamanitra izany.

Miresaka farany ny ampakarina ny Tenin’Andriamanitra, hoe: “Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia” (Apokalypsy 22. 17). Hifarana ilay Boky Masina, nefa mbola misy hiaka ihany hoe: “Avia”. “Amen, avia Jesoa Tompo!”

 

Ô andro fifaliana

Raha miseho amin’ny olonao

Amin’ny voninahitra Ianao:

Hiakam-pandresena

No hitondranao anay any Aminao

Ry Jesoa!

 


FIZAHÀN-TAKELAKA

 

Fandaharana

2

Sasin-teny

3

Fampidirana

4

I. Ny tenan’i Kristy

6

            1- Iza no isan’ny tenan’i Kristy?

6

            2- Ahoana no fomba fiasany?

7

II. Ny tranon’Andriamanitra

10

III. Ny faharavana

12

1-   Ny foto-kevitra momba ny “sisa tavela”

2-   Ny foto-kevitra fa izay an’Andriamanitra dia mitoetra hatrany

15

 

16

 

 

IV. Tafavory ho fiangonana

19

            Ny fanompoam-panahy

19

            Ny fivoriam-bavaka

23

            Ny fivoriana fampandrosoana

26

V. Ny fanompoana sy ny fanomezam-pahasoavana

28

VI. Ny Fanasàn’ny Tompo sy ny Latabany

33

            1- Fetin’ny kristiana

35

            2- Ny tsangambato fahatsiarovana

35

            3- Ny fanambaràna ny nahafatesany

37

            4- Ny fanehoana ny maha-iray ny tena

37

VII. Ny vady

46

 



[1] Jereo “Letters of J. N. Darby”, III, pejy 58.

 

[2] Vakio “Il y a un seul corps”, A. Ladrierre.

[3] Jereo “L’épître aux Ephésiens”, H. Rossier.

 

[4] Eksodosy 26. 15-30; 36. 20-34.

[5] Jereo “Le tabernacle”, G. André.

[6] Jereo “Epitre aux Ephésiens”, H. Rossier, pejy 13.

[7] Jereo “Entretiens sur 1 Corinthiens”, H. Rossier, pejy 33-36.

[8] jereo “L’Assemblée du Dieu vivant”, A. Gibert, pejy 40-51.

[9] jereo “Qu’est-ce qu’une secte ?”, J. N. Darby.

[10] Vakio momba izany : “Qu’est-ce qu’une réunion d’assemblée?”, H. Rossier, sy “L’assemblée du Dieu vivant”, A. Gibert, pejy 67-89.

[11] Tsara hodinihina, momba ity lohahevitra manan-danja ity, ny bokikely: “Le culte selon la Parole”, J. N. Darby. Ny “fanompoam-panahy” lazaina eto dia ilay antsointsika mahazatra hoe “fanompoam-pivavahana”. Misy nefa ny maha-samy hafa azy ireo (fanamarihan’ny mpandika).

[12] Jereo “Une seule offrande – Divers sacrifices”, G. André.

[13] “L’Assemblée du Dieu vivant”, A. Gibert, pejy 78.

 

[14] Amen dia midika hoe : marina tokoa. Izany no fomba ilazana ny fanekena ny teny notononin’ny hafa.

 

[15] Jereo “L’Assemblée du Dieu vivant”, A. Gibert, pejy 53-66.

“Cinq lettres sur le culte et le ministère par l’Esprit”, W. Trotter.

[16] Jereo “La marche au désert” (notes sur les Nombres), G. André.

 

[17] Jereo “L’Assemblée du Dieu vivant”, A. Gibert, pejy 92; “Qu’est-ce qu’une secte?” J. N. Darby, pejy 4.

[18] Asainay manokana ianareo izay liana amin’io foto-kevitra io mba hamaky sy hamerina mamaky ny bokikely nosoratan’i J. N. Darby: “La discipline”. Ny toko momba ny fifehezana ao amin’ny asasoratr’i R.K. Campbell koa: “L”Eglise du Dieu vivant”, dia be fananarana amin’ny an-tsipiriany, momba io lohahevitra io.

[19] Momba ny Efesiana 5, dia ampirisihina mafy ianareo hamaky ny pejy 313-323 ao amin’ny bokin’i J. N. Darby : “Etude sur la Parole” mikasika ny Efesiana; anisan’ny pejy tsara indrindra nosoratan’io mpanompon’Andriamanitra io izany.

[20] Jereo “L’enseignement pratique des paraboles” , G. André.