[Page principale | Nouveautés | La Bible | Chant- Cantiques]

 

Foto-kevitra

sasantsasany

momba ny

 Fiangonana

F.B.Hole

Quelques principes de base concernant l’Assemblée

Editions Bibles et traités chrétiens, Vevey

 

Aiza no sehatra tokony hiangonantsika?

Nanahirana kristiana maro tamin’ny taon-jato lasa io fanontaniana io. Ary tamin’ny fomba mahavariana tokoa no nanehoan’Andriamanitra tamin’izy ireo ny andinin-tSoratra Masina milaza ny fihevitr’Andriamanitra sy ny zavatra notadiaviny momba ny Fiangonana. Be no nilofo mafy hanoa ny fahamarinan’ireo zavatra hitany ireo. Lasa tantara ny vokany. Nefa nisy ny fahasimbana toy izay manjo ny zavatra rehetra ankinina amin’ny olombelona, hany ka mifangaroharo daholo ny zavatra ao an-tsain’ny olona. Ankehitriny dia betsaka ny mieritreritra fa tokony hisy valiny vaovao io fanontaniana io ary atao laharam-pahamehana. Izany no mahatonga anay hanao izay hamaliana izany indray.

Raha fintinina, dia tsy miova tamin’ny valinteny taloha ihany ny zavatra holazainay:

 

Ny sehatra tokony hiangonantsika dia ny fahamarinana rehetra nambara momba ny Fiangonan’Andriamanitra, na ny fiangonana manerana izao tontolo izao no jerena, na ny fiangonana isan-toerana.

Mora soratana sy mora vakiana izany teny izany. Nefa ny zavatra fonosin’izany dia tsy voazava mora ary tsy azo vetivety. Mety izany raha ho raisintsika tsirairay ny foto-kevitra momba an’io, ary zarazaraintsika mazava tsara.

 

1

 Marihina aloha fa nambara ny fahamarinana mba hankatoavantsika azy.

 

 

 

Tsy natao ho zava-mahaliana fotsiny na foto-kevitra atao ambentin-dresaka no nanomezana antsika ny fahamarinana; tsy hoe hanazavana ny saintsika akory aza; nomena antsika ny fahamarinana mba hitarika antsika sy hanosika antsika hampihatra ny fampianarany, satria efa mazava ny saintsika. Raha toriana ny filazantsara, dia ny mba “hahatonga fanekena sy finoana” (Romana 1. 5). Raha naseho ny “zava-miafina”, dia ny mba hahatonga “fanekena sy finoana” (Romana 16. 26). Raha miverina amin’ny lalàna ny mpino sasany nefa efa nandeha teo amin’ny fahasoavana, dia mipetraka aminy ny fanontaniana hoe: “Iza no nisakana anareo tsy hanaiky ny marina?” (Galatiana 5. 7)

Tokony ho ohatra tsara ho antsika izany. Mazava amintsika tsara ny antony nitenenan’ny Tompo hoe: “Koa tandremo ny fihainonareo; fa izay manana dia omena; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ataony ho ananany aza dia halaina aminy” (Lioka 8. 18). Ny ankabeazantsika dia faly ampitombo fahalalana. Mahatsapa firehetam-po isika mahita ny Soratra Masina sy ny fahamarinana raketiny izay mazava amin’ny saintsika; nefa mihena io firehetam-po io ary lasa fahononana, indraindray aza lasa fampiasam-pahaizana lalina, rehefa tsy maintsy hampihatra io fahamarinana io ary haneho izany amin’ny fitondrantenantsika. Mety ho mamy toy ny tantely ao am-bavantsika ny fahamarinana, fa rehefa voatelina voalevona tsara ao an-kibontsika, dia tsapantsika ny heriny sy ny hangidiny (Jereo Apokalypsy 10. 9-10).

 

2

 Ampahiny betsaka amin’ny fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina no milaza momba ny Fiangonan’Andriamanitra, ary tokony hekentsika toy ny hanekentsika ny fahamarinana sasany izany.

 

 

Ampahiny lehibe amin’ny fahamarinana no mahakasika antsika tsirairay, amin’ny maha-mpino antsika, ary betsaka ireo fitsipika momba ny fifandraisana no mahakasika antsika manokana, na tsy irery aza isika. Ohatra, zanak’Andriamanitra isika. Zanaka ny tsirairay amintsika, ary misy ny fianakaviana. Nefa tamin’ny làlan’Andriamanitra, dia nisy fotoana tsy maintsy nampiraisina ireo zanaka rehetra ireo tamin’ny fomba vaovao. Izany no naminanian’i Kaiafa, na dia tsy fantany aza, tamin’ny nilazany ao amin’ny Jaona 11 hoe: “Izy dia naminany fa Jesoa ho faty hamonjy ny firenena; ary tsy hamonjy io firenena io ihany, fa mba hanangona ny zanak’Andriamanitra izay efa niely ho antoko iray” (and 51-52). Io fanangonana ho iray io dia tanteraka tamin’ny nahatongavan’ny Fanahy Masina, vokatry ny fahafatesana, ny fitsanganana tamin’ny maty ary ny fiakaran’i Kristy tany an-danitra.

Voaorina ny Fiangonan’Andriamanitra. Tafiditra tao isika satria nandray ny Fanahin’Andriamanitra, ary isan’izany isika, na ekentsika izany na tsia. Ireo epistily ao amin’ny Testamenta Vaovao dia maneho antsika ny fiantsoana sy ny tombontsoan’io Fiangonana io, ny fandaminana tokony hisy ao mandritra ny fandalovany etỳ an-tany ary ny andraikitra mifanaraka amin’izany. Io antso io, ireo foto-kevitra ireo, io baiko io, ireo andraikitra ireo dia ho antsika rehetra; noho izany dia tokony hamaly izany tsirairay isika, araka ny anehoan’ny epistily azy mazava amintsika. Tsy misy iray amin’izy ireo azo raisina ho famelabelarana foto-kevitra fotsiny. Izy rehetra ireo dia fampiharana ny fahamarinana naseho ary manazava ny fanatontosana izany, mba hahatakarantsika ny heviny. Indraindray ny fianarana toro-hevitra hanatanterahana azy aza dia mampiseho amintsika zavatra betsaka kokoa noho ny fanambaràna tsotra ilay fahamarinana.

Isan’io vondrona iray mahagaga io isika, dia ny Fiangonan’Andriamanitra, ary tokony hitady tsy an-kitsahatra izay hahalalantsika bebe kokoa izay misy antsika isika, mba hanekentsika ny fahamarinana mifamatotra amin’izany.

 

3

 Tsy mila mitady toro-hevitra momba io fahamarinana tsy maintsy hekentsika io any an-toeran-kafa ankoatry ny ao amin’ny Baiboly isika. Ny fahamarinana rehetra dia ao anaty Soratra Masina.

 

 

Tsahivintsika izany, tsy hoe satria izany no hevitr’ireo kristiana “protestanta” rehetra taloha, fa satria izany no lazain’ny Soratra Masina: “Izay soratra rehetra dia nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra... mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra” (2 Timoty 3: 16-17). Tsy voalaza hoe nomena ny Soratra Masina mba ho tanteraka “ireo zaza bodo ao amin’i Kristy”; raha izany, mitombina ny fanakianana hoe raha ampy ho an’ny “zaza bodo” ny Soratra Masina mba hahatanteraka azy, dia tsy ho ampy intsony kosa ho an’ny mpino izay efa matotra ka azo antsoina hoe “olon’Andriamanitra” . Raha ohatra koa ka nijanona tamin’ny hoe “mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra” io andininy io, dia azo atao koa ny milaza hoe notanterahan’ny Soratra Masina raha ny momba ny foto-kevitra ankapobeny amin’ny fahamarinana, fa tsy nanome antsika izay ilaina rehetra momba ny antsipiriany amin’ny fitondrantena hampiharina sy ny làlana izorana ny Soratra Masina. Tsia! Ny Soratra Masina dia manatanteraka ny olon’Andriamanitra, amin’ny antsipiriany rehetra, ho amin’ny asa tsara rehetra. Izany hoe izay asa rehetra azo lazaina hoe “tsara”.

Zava-dehibe io satria misy ny olona te-hametraka fitsipika ho an’ny Fiangonan’Andriamanitra, na fenitra momba ny fitiavana izany, na momba ny fahamasinana, izay mihoatra lavitra noho izay voafaritra ao amin’ny Soratra Masina. Nefa ny “fitiavana” izay tia kokoa noho ny tokony ho izy, ny “fahamasinana” izay masina kokoa noho ny tokony ho izy, dia tsy fitiavana na fahamasinana marina.

 

4

 Ny fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina momba ny Fiangonan’Andriamanitra dia azo zaraina tsotsotra ho lohahevitra roa : voalohany, ny Tenan’i Kristy; faharoa, ny Tranon’Andriamanitra.

 

 

Ny lohahevitra voalohany, ny Tenan’i Kristy, dia hevitra izay tsy hita afa-tsy ao amin’ny Testamenta Vaovao, ilay faharoa kosa dia hita koa ao amin’ny Testamenta Taloha. Ny filazana voalohany momba ny tranon’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly dia hitantsika ao amin’ny Genesisy 28. 17; nefa tsy voaorina teo anivon’ny olona tetỳ ambonin’ny tany io trano io , na dia an-tsary aza, raha tsy tanteraka ny tena famonjena, (tandindona fotsiny no hita tao amin’ny Testamenta Taloha) (Jereo Eksodosy 14. 2,13; 25. 8). Raha vao voavidy ny Zanak’Isiraely ka lasa firenena, dia hita teo aminy ny tranon’Andriamanitra; vao tsy teo intsony ny trano, dia tapitra teo koa ny maha-firenena azy. Nefa fotoana kely talohan’ny nandrodanana ny tempoly teo amin’ny tendrombohitra Moria tamin’ny taona 70 taorian’i Kristy, dia efa nanorina ny tranony tamin’ny fomba vaovao Andriamanitra. Ny mpino an’i Kristy izay nandray ny Fanahy Masina, dia natsangana ho “trano fanahy”, toy ny vato velona (1 Petera 2. 5). “ Niaraka naorina” izy ireo (ny Jiosy sy ny jentilisa), “ho fonenan’Andriamanitra amin’ny Fanahy” (Efesiana 2. 22). Nisy toetra izay nananan’ny tranon’Andriamanitra izany, dia ny fanakaikezana an’Andriamanitra sy ny fifandraisana lalina aminy, izay tsy nisy taloha; vakiantsika tokoa fa: “Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ny olona masina sady ankohonan’Andriamanitra” (Efesiana 2. 19). Ireo izay manorina ny tempolin’Andriamanitra izany dia isan’ny ankohonany, ary noho ny Fanahy, dia mitoetra ao amin’ny tranony amin’ny fomba lalindalina kokoa sy mitondra aina kokoa noho ny azony natao taloha Andriamanitra.

Tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha, tsy mbola nisy firesahana ny tenan’i Kristy, satria i Kristy aza tsy mbola naseho; tsy fantatra mihintsy izany io hevitra io. Nefa tonga i Kristy; taorian’ny nahafatesany sy ny nitsanganany tamin’ny maty, dia naparitaka ny Fanahy Masina, ary ny mpino rehetra, na Jiosy na jentilisa, dia natao batisa ho tena iray, iray ihany, ny tenan’i Kristy. Afaka niteny ny Tompo Jesoa hoe: “ Tena no namboarinao ho Ahy” (Hebreo 10. 5) ary nijaly Izy tao amin’izany vatana masina izany. Efa vita ny “nanaterana ny tenan’i Jesoa Kristy indray mandeha” (Hebreo 10. 10). Efa any an-danitra Izy ankehitriny, manana tena ara-panahy, ary ny tena izay hany ekeny etỳ an-tany dia ny tena naorina tamin’ny batisan’ny Fanahy izay avy Aminy, izay Lohany efa nasandratra. Ao amin’io tena io no tokony hanehoana an’i Kristy etỳ an-tany ary hanambaràna ny toetrany ara-panahy.

 

5

 Ny tenan’i Kristy sy ny tranon’Andriamanitra dia samy manambara ny Fiangonana amin’ny maha-fiangonana velona sy miaina azy etỳ an-tany, fa tsy eritreritra ara-pinoana sy ara-pisainana fotsiny, momba ny any an-danitra.

 

Matetika no ahitana sy andrenesana fiteny toy ny hoe “ny vatan’i Kristy miafina” sy “Fiangonana tsy hita maso”. Mety ho marina ny fisainan’ireo olona mampiasa izany voambolana izany, saingy ireo voambolana ireo kosa, araka ny eritreritray, dia mamitaka, satria manafina, na tena mandà mihintsy aza, ny fahamarinana fa ny Tenan’i Kristy dia fahamarinana azo tsapain-tànana. Misy etỳ an-tany io tenany io, toy ny tamin’ny andron’ny apostoly, na dia matroka tokoa aza ny fanehoana azy noho ny fidiran’ny herin-tsain’ny olona tao sy ny toetry ny olona. Ny tokony ho lazaina izany dia hoe tsy hita toy ny tamin’ny andron’ny apostoly intsony izy, nefa kosa tokony ho takarina an-tsaina. Tsy tokony hifantoka amin’ny zavatra hitantsika izao ny saintsika, fa kosa amboarina amin’izay hita ao amin’ny Soratra Masina. Io fahamarinana tsy tsapantsika raha tsy an-tsaina io anefa dia tena misy tokoa, toy ny zavatra hitantsika amin’ny fomba azo tsapain-tànana.

Noho izany, dia misy akony tena mivaingana amintsika izany, dia ny fandaminana ny fifandraisantsika amin’ny Tompo Jesoa, amin’Andriamanitra, amin’ny mpino sasany, ary izany dia amin’izao fotoana etỳ an-tany izao. Tsy misy iray akory amin’ireo zava-dehibe ireo no nolazaina fa ho tanteraka any aoriana rehefa any amin’ny voninahitra isika, na nomena antsika ho fampirisihana fotsiny; naseho tamintsika fa zavatra tena misy ankehitriny ireo, mba hanamboarantsika ny làlantsika arak’izany.

 

6

 Rehefa ampiharina io fahamarinana momba ny tenan’i Kristy io, dia mibaribary ny maha-faratampony an’i Kristy amin’ny maha-Lohany azy, ny herin’ny Fanahy amin’ny fahefany, ary koa ny firaisana, ny fitiavana sy ny fitomboan’ny tena ara-panahy izay vokatr’izany.

 

Mampiseho mazava an’izany ny andininy manambara fa ny Fiangonana dia tenan’i Kristy. Andeha aloha ho raisintsika ny Romana 12. Tsy novelabelarina ao amin’io toko io ny fahamarinana momba ny tenan’i Kristy. Safeli-teny fotsiny no hanambaràna izany, ary amin’ny fomba fohy dia fohy tokoa, mba hilazana ny fanomezam-pahasoavana samihafa misy eo amin’ny mpino, mba ampiasana izany amim-pahakingana sy fitiavana.

Ao amin’ny epistily voalohany ho an’ny Korintiana, toko faha-12, no tena miditra an-tsipiriany momba io lohahevitra io. Noraisina ho ohatra ny vatan’olombelona, ary ara-panahafana an’izany, dia naseho ny maha-tena iray manan’aina ny Fiangonana, fa tena misy rantsana samihafa. Naorina tamin’ny batisan’ny Fanahy Masina ny Fiangonana. Foana ny toetra ara-voajanahary, ara-pirazanana na ara-piaraha-monina ho an’ireo izay tafiditra ao, noho izany dia iray izy amin’ny herin’ny Fanahy Masina irery ihany. Mazava ho azy anefa fa ireo izay naorina ho iray ireo dia mbola olona samihafa ihany. Ny fandraisana ny Fanahy Masina izany dia midika koa hoe vonto na henika ny Fanahy ny tsirairay, hany ka ny rantsana tsirairay dia voafehy sy tarihin'ny Fanahy izay manome aina ny rehetra. Ao amin’ity toko ity, dia ny Fanahy no miseho ao amin’ny vatana. Ireo fanomezam-pahasoavana samihafa dia fisehoan’ny Fanahy (and 7).

Fa ny Fanahy manao izany rehetra izany dia ny Fanahin’i Kristy nasandratra, nalefan’i Kristy nasandratra. Ny tena izany dia tenan’i Kristy (and 12 sy 27) ary Izy no mitarika azy. Amin’ny taon-jato ho avy, ny fanapahany amin’ny maha-Tompo Azy dia hanenika ny tany iray manontolo. Amin’izao fotoana izao, dia ny Fiangonana no sahan’asany etỳ an-tany. Ny sitrapon’Andriamanitra, araka ny fitondran’ny Tompo, dia tsy maintsy hita ao amin’ny fiangonana etỳ an-tany (and 5)

Ny fampiharana izany toe-javatra izany dia hita amin’ny fifampikarakarana, ny fifanajana ary ny firahalahiana, na eo amin’ny fijaliana izany na eo amin’ny voninahitra, araka ny voalazan’ny faran’io toko io. Miseho koa izany amin’ny fifankatiavana, izay velarin’ny toko faha-13 amin’ny fomba tanteraka indrindra, sy ny fitsipika tsara ao amin’ny toko faha-14, izay mandamina ny fampiasana ny fanomezam-pahasoavana ao amin’ny Fiangonana. Ny toko faha-12 dia mampiseho ny hery ao amin’io tena io — ny herin’ny Tompo sy ny Fanahy; ny toko faha-13 dia mampiseho ny fitiavana izay mifehy ny tena; ny toko faha-14 dia mampiseho ny fahendrena mahalala onony izay mandamina azy. Izany no fomba fiasan’ny tenan’i Kristy etỳ an-tany, araka ny nandaminan’Andriamanitra azy.

Ao amin’ny Efesiana indray, dia ny fizakàn’ny tenan’i Kristy ny tombontsoa tsy hay lazaina nomen’Andriamanitra azy no velabelarina. Ny hazofijalian’i Kristy no fototra nanorenana azy (2. 16). Ny asany, dia “ny fahafenoan’Izay mameno izao zavatra rehetra izao amin’ny rehetra” (1. 23) , izany hoe fanampiny na izay mifanaraka Aminy — ny zavatra maneho Azy tanteraka. Ho hitan’izao tontolo izao ny haben’ny tombontsoany rehefa aseho ny maha “Lohany manapaka ny zavatra rehetra” an’i Kristy ary rehefa nomena “ho an’ny fiangonana” Izy (1. 22). Efa nisy kisarisary nampiseho izany, nandritra ny fotoana fohy ihany, dia tamin’i Adama natao mpanapaka ny zavaboary manan’aina rehetra sy lohan’i Eva, izay nalaina tamin’ny tenany ary niara-nanjaka taminy.

Ao amin’ny toko faha-4 ao amin’io epistily io no ahitantsika ny fomba fampiharana izany fahamarinana izany: “amin’ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin’ny faharim-po mifandefitra amin’ny fitiavana, mazoto mitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny fehim-pihavanana” — “hitombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’izay Loha, dia Kristy”, itomboan’ny tena rehetra “ka hampandrosoany ny tenany amin’ny fitiavana” (and 2,3,15,16).

Farany, dia miresaka ny tena koa ao amin’ny Kolosiana, saingy tsy dia misy antsipiriany, satria ny votoatin’ny epistily dia ny voninahitry ny Loha. Na dia izany aza, manipika ny andraikitry ny momba ny tena tsirairay izy mba “hihazona ny Loha” (2. 19). Hitantsika ao ny apostoly Paoly, izay isan’ny tena , mifaly amin’ny fiaretana ho an’ny tena (1. 24), ary ny toetra mampitolagaga sy feno fahasoavan’i Kristy ao amin’ny mpino, izay eo amin’ny fara-tampon’ny fitiavana sy ny fiadanana.

Noho izany, malalaka ny fampiharana ny fahamarinana momba ny tenan’i Kristy: mahakasika ny mpino rehetra izany. Iray ihany izy ireo satria iray ao amin’i Kristy ary manaiky Azy, hany ka aseho amin’ny Tena ny maha-Loha Azy.

 

7

 Amin’ny fampiharana ny fahamarinana momba ny tranon’Andriamanitra indray, dia voasoritra mazava ny fanatrehan’Andriamanitra amin’ny alàlan’ny Fanahy Masina izay ao amin’ny Fiangonana, ary noho izany, amin’ny filaminana, ny fitiavam-bavaka, ny fahamasinana izay mendrika ny tranony; satria tsy maintsy arak’Ilay tompony ihany ny trano.

 

Mora ihany koa ny manamarina izany voalaza izany amin’ny fandinihana ireo andinin-tSoratra masina maneho ny Fiangonana. Voambolana roa no ampiasaina, dia ny “trano” sy ny “tempoly”. Marina fa misy maha-samihafa azy ireo, saingy tsy ho dinihintsika eto aloha izany, satria mitovitovy ny hevitra omena azy, ary mitovitovy toy izany koa ny fampiharana azy.

Ao amin’ny 1 Korintiana 3, ny mpino dia “tempolin’Andriamanitra” satria monina ao aminy ny Fanahy Masina: tsy maintsy misy izany ny fahamasinana (and 16,17). Io fahamarinana io dia velabelarina ao amin’ny 2 Korintiana 6. 14 ka hatramin’ny 7. 1, ary feno tokoa ny fahamasinana takiana: tsy mila zioga tsy antonona, mitaky fisarahana tanteraka amin’izao tontolo izao izay lo; mitaky ihany koa ny fandavana izay rehetra mety handoto ny tena sy ny fanahy.

Hita ihany koa ao amin’ny Efesiana toko faha-2 io fahamarinana io; mpamaritra iray ihany no ampiasaina mikasika ny tempoly, dia ny hoe “masina”.

Ny 1 Timoty kosa, dia manambara fa ny Fiangonana dia “tranon’Andriamanitra… andry sy fiorenan’ny fahamarinana”, ary ny epistily iray manontolo dia miresaka ny fitsipika itandroana ny filaminana sy ny fitiavam-bavaka izay tokony arahin’ireo isan’ny fiangonana. Tokony ho hita eo amin’ireo olona mandrafitra ny tranon’Andriamanitra ny toetrany rehetra.

Farany, ao amin’ny 1 Petera 2, ny trano dia lazaina hoe “trano fanahy”; naorina tamin’ireo izay nanatona ilay Vato velona, ka tonga vato velona koa. Ny tsirairay dia “vato” naorina teo ambonin’io “vatolampy” io.

Tsy malalaka izany ny fampiharana ny fahamarinana momba ny tranon’Andriamanitra: tsy azo ekena ao ny ratsy sy izay rehetra mety handoto ny toetra ary hanala-baraka ny fahamasinan’Ilay tompon-trano. Io fanesorana ny ratsy io dia mety ho tonga hatramin’ny fanesorana olona, toy ny hita ao amin’ny 1 Korintiana 5, izay andinin-tSoratra Masina manohy ny voalaza momba ny “tempolin’Andriamanitra” ao amin’ny toko faha-3. Io foto-kevitra io ihany koa no velabelarina ao amin’ny 2 Timoty 2. 15-26, izay mamerina ny fahamarinana noresahina tao amin’ny epistily voalohany — fa eto kosa, ny fampiharana azy dia ny fialana amin’ny fikambanana amin’olon-dratsy, fa tsy ny fanesorana ny mpanao ratsy.

 

8

 Raha vao azontsika izany fahamarinana momba ny Fiangonana izay asehon’ny Soratra Masina izany, ka te-hampihatra azy isika, dia mazava fa fitsipahana an’izany tanteraka ny toetry ny tontolo kristiana amin’izao fotoana izao.

 

Misy lafiny tena mibaribary ka tsy mila lazaina akory; ohatra, ny fitomboan’ny sekta, izay mandà ny maha-iray ny fiangonana; ny fampifangaroana izao tontolo izao sy ny Fiangonana amin’ny fisian’ny rafitra ara-pinoana ofisialy, izay iniana ekena; ny fahefana mandidy tanteraka asehon’ny olombelona, ary manilika ny Tompo — miseho ho ambonin’ny tenin’ny Tompo ny olona, mihambo ho afaka mamorona olo-masina amin’ny fanandratany azy sy afaka mamoaka fanahy avy ao amin’ny afo fandiovana, sns, araka ny hita ao amin’ny fivavahana romana — ; ny tsy fisian’ny fifehezana saika amin’ny sehatra rehetra, hany ka afaka mialokaloka amin’ny famaritana hoe kristiana izao karazana faharatsiana miharihary izao, na amin’ny foto-pampianarana na ara-pitondratena.

Misy lafiny sasany tsy dia mibaribary loatra. Ny tena fahotana mivoitra amin’ny fanompoam-pivavahana amin’izao fotoana izao dia ny tsy fahalalana, ary noho izany ny tsy fampiharana, na ny fanatrehan’ny Fanahy Masin’Andriamanitra na ny asany ao amin’ny Fiangonana. Ny fomba fizotry ny fivoriana kristiana dia mampiseho tanteraka ny tsy finoana ny fanatrehany ao amin’ny Fiangonana — na dia manaiky ihany aza fa mety mitoetra ao amin’ny olona tsirairay Izy. Misy olona iray izay tendrena mba ho afaka hiteny, ary izy irery; tsy misy dikany izany ny toko faha-12 sy faha-14 ao amin’ny epistily voalohany ho an’ny Korintiana. Lavina ny fanavotana, tsy ekena ny vokany mba hanatonana an’Andriamanitra: misy toerana masina naorina etỳ an-tany, misy alitara sy mpisorona miasa ho an’ny laika, hany ka voatazona lavitra an’Andriamanitra izy ireo, ary matetika aza, indrisy, gejaina ao anatin’ny tsy fahalalàna, zavatra izay tsy nanjo mihintsy ny sarambaben’ny Jiosy talohan’ny nahatongavan’i Kristy. Ny fitsipika sy ny fandaminan’ny olombelona no manolo hatraiza hatraiza ny fahatsoran’ny fandaminan’Andriamanitra araka ny nanaovan’ny apostoly azy tany am-boalohany sy araka izay voarakitra ao amin’ny Soratra Masina. Mety ho hitan’ny sain’olombelona ho mirindra tsara izany fandaminana izany, ary afaka misoroka ny tsy filaminana ateraky ny fanandramana mba hanaraka izay naorin’ny apostoly. Nefa ny “filaminana” tsy araka ny filaminan’Andriamanitra dia fikorontanana.

Misy anarana sy “fiangonana” naorina, satria manaiky fahamarinana na fanazavana fahamarinana sasantsasany, na koa nampitovy tena tamin’ny olona iray izay tena nampiasain’Andriamanitra tokoa tamin’ny fotoan’androny. Tsy ampy aminy izany ny fahalalahan-tsaina, ny fivelarana izay avy amin'Andriamanitra, satria ireo mpino mitovy hevitra aminy ihany no ekeny, na ireo izay manaraka ny mpitondra azy ihany. Tsy misy eo aminy koa ny tena fahitsiana izay avy amin'Andriamanitra, satria tsy misy intsony ny hafanam-pony matetika manoloana izay mety hanimba na hanatsatso ny rafitra napetrany, nefa malalaka ny sehatry ny tena faharatsiana, ary leferina ny fampianaran-diso isan-karazany sy ny fiodinana amin’i Kristy sy ny fahamarinany.

 

9

 Eo anoloan’izany toe-javatra izany, dia mipetraka ho azy ny fanontaniana hoe: tsy maintsy mbola mampihatra ny fahamarinana ihany ve isika? Tsy tokony hihanina amin’ny fitazonana an-tsaina izany fahamarinana amin’ny ankapobeny izany ve isika, ary mba tsy hampisy olana, dia mijanona amin’ny fomba fivavahana misy antsika izao?

 

Mafy foana hatramin’izay ny fakàm-panahy hamaly tsia amin’ny fanontaniana voalohany, sy eny amin’ny fanontaniana faharoa, nefa amin’izao fotoana izao dia vao mainka mafy izany, satria tsy mitsaha-mitombo ny fisafotofotoana ao amin’ny tontolo kristiana. Nefa araka ny Soratra Masina, dia eny no valin’ny fanontaniana voalohany ary tsia ny faharoa. Ireo epistily farany, na ny nosoratan’i Paoly na ny nosoratan’i Petera sy i Jaona, izay miresaka ny andro sarotra any am-parany, dia tsy ahazoana manamarina kely akory ny fieritreretana fa lasa tsangan-kevitra tsotra izao fotsiny ny fahamarinana ary tsy misy azo hampiharana azy.

Ohatra, ao amin’ny taratasy faharoa ho an’i Timoty, dia milaza i Paoly fa ny Soratra Masina dia ilaina, tsy ho an’ny foto-pampianarana ihany, fa mba hanitsiana sy hitaizana amin’ny fahamarinana. Ho an’ireo izay milaza fa ny “manitsy” sy ny “mitaiza” dia ho an’ny saina ihany, dia ndeha ho jerentsika ny andininy manaraka, izay milaza mazava ny tanjona kendrena: “mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra”. Fampiharana amin’ny fiainana andavanandro izany.

Ao amin’ny epistily faharoa nosoratany, dia milaza ny toetra sarobidy ara-panahy tokony ampiarahina amin’ny finoana i Petera. Raha ny marina, izany toetra izany dia efa tokony ho ao anatintsika; nefa na izany aza, dia manampy ny apostoly hoe: “Raha manao izany zavatra izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay” (1. 10). Eto koa, dia mazava ny fampiharana.

Ao amin’ny epistily faharoa sy fahatelo nosoratany, dia be ny zavatra ambaran’i Jaona momba ny “fandehan’ny” mpino. Ampirisihiny “handeha amin’ny fahamarinana” izy ireo ary “araka ny didiny”. Ny “mandeha” amin’ny zavatra iray, dia mampihatra izany, ary nampahatsiahivina izany tamin’ny fotoana izay naha-maro tokoa ireo mpampianatra nanaratsy ny kristiana, fotoana izay nisehoan’i Diotrefa ho lohany sy nampisafotofotoiny ny Fiangonana.

Raha ny marina, dia arakaraka ny mampihanaka ny fisafotofotoana sy ny fialàna andraikitra no tokony vao mainka handehanana amin’ny fahamarinana -—- ary hampiharana ny fahamarinana tanteraka — na dia vitsy aza ireo vonona ny hampihatra izany.

 

10

 Misy fanontaniana iray mbola mipetraka ihany : mbola mety ve amin’izao zava-misy izao, ny hampiharana ny fahamarinan’ny Fiangonana? Ahoana no fomba hanaovana izany amin’izao fotoana izao ?

 

Mazava ho azy fa tsy mety ho vita raha sady hanaraka fiangonana iray hanaovana fanompoam-pivavahana manaraka litorjia, na fiangonana iray izay manana mpitarika voatendry, no hanatanteraka fivoriana araka ny fitsipika napetraky ny Fanahy Masina ao amin’ny 1 Korintina 12 sy 14. Izay manandrana manao izany dia ho raisina ho toy ny mpanangana ady sy mpampikorontana. Ny hany làlana tokana ahazoana mampihatra ny fahamarinana momba ny Fiangonana, dia ny fiodinana amin’ny tsy fahamarinana, ny fialàna amin’izay zavatra tsy eken’ny Soratra Masina, izay tena mifanohitra amin’ny Soratra Masina. Rehefa afaka amin’ny tsy fankatoavana isika, dia vonona ny hankatò. Raha fintinina, dia tokony “hitsahatra ny manao zavatra ratsy” aloha isika, avy eo vao “mianatra manao zavatra tsara”. Raha manandrana manao ireo zavatra roa ireo miaraka, dia vao mainka koa manaratsy ny tena fahamarinana isika. Toy ny milaza mantsy izany fa tsy misy faha-samihafana goavana amin’ny zavatra ataon’ny olombelona sy ny ataon’Andriamanitra, ary tsy maninona izay handehanantsika na ny iray na ny iray, na izy roa. Lazaina matetika fa ny fisintahana dia mitarika foana amin’ ny famoronana sekta vaovao. Nefa tsy misy maha-sekta ny fivoriana mba hampiharana ny fahamarinana. Indrisy anefa fa marina fa mety hamorona sekta vaovao amin’ny farany ny fandraisana izany fanapahan-kevitra izany, fa tsy ny fanapahan-kevitra akory no antony; ny vokatr’izany fanapahan-kevitra izany, ny firona, tampoka na ny mifanohitra amin’izany, miadana sy tsy re tsaika (io no mety tena hiseho), no mahatonga hananana foto-kevitra fanavakavahana.

 

11

 Nefa manana fahefana ny hisintaka amin’ny rafitra ara-piangonana efa misy ve isika, raha toa tsy mampianatra na tsy mandefitra amin’ny foto-pinoana tena diso hatrany am-potony izy?

 

 

Manana ny lanjany mihitsy io fanontaniana io. Izao no dikany: ny fandaminana ataon’olombelona, ny rafitra nataon’olombelona ka nampidirina tao amin’ny fandaminan’Andriamanitra ho an’ny Fiangonany ve dia zavatra ratsy — ary tena ratsy, ka tokony hialantsika, na dia mangidy amintsika aza izany?

Eken’ny rehetra fa ny fandaminana sy ny rafitra ara-pivavahana misy ankehitriny, na kely na lehibe, dia nahita loza tamin’ny karazana tsy finoana miangesongeso, mifototra amin’ny hambo hoe mahay. Izany no antsoina matetika hoe “fikatsahana ny vaovao”. Nefa raha rafitra tsy mifandray amin’izany hetsika izany, ka manana fototra mahitsy manaraka ny Soratra Masina, dia tokony mbola ialantsika ihany ve? Marina fa amin’izao fotoana izao, dia misy maromaro ireo fikambanana kely, mahaleotena na tsia, izay naorina tamin’ny fahamarinana ifotony mahitsy, nefa tsy mahalala ny fandaminana ny Fiangonana araka ny lazain’ny Soratra Masina. Ny mpikambana ao dia olona maotina sy tia fivavahana. Tokony hiataka amin’ireny fikambanana ireny ve isika?

Voalohany aloha, milaza mazava izahay fa raha fandaminana na rafitra nataon’olombelona no terena hisolo ny fandaminan’Andriamanitra, ary mitarika ny fahaverezan’izay avy amin’Andriamanitra amin’ny farany, dia fahotana lehibe mihitsy izany. Tsy fahotana azo ailika amin’olon-tokana, satria niditra moramora sy tsikelikely teo izy nandritra ny taon-jato nifandimby; na izany aza anefa, dia faharatsiana lehibe io. Manaitra ny fanambaràn’i Paoly amin’ny fomba hentitra tokoa, aorian’ny andininy lava dia lava ao amin’ny epistily voalohany ho an’ny Korintiana izay hanazavany ny fandaminan’Andriamanitra ho an’ny Fiangonana amin’ny alàlan’ny Fanahy Masina: “Raha misy manao azy ho mpaminany na ho manana fahaizam-panahy, dia aoka ho fantany tsara fa didin’ny Tompo ny teny izay soratako ho aminareo” (14. 37). Ny Fanahy Masin’Andriamanitra, amin’ny toetrany mahalala mialoha mandrakariva ny zavatra hiseho, dia mampitandrina, tsy momba ilay fironana izay nisy teo amin’ny Korintiana io ihany amin’ny maha-nofo azy, fa koa ny fironana mitovy amin'izany izay tsy maintsy hitranga na aiza na aiza hisehoan'ny maha-nofo, — ary noho izany, izay nitranga nandritra ny taon-jato nifandimby ary mbola mahazo vahana foana ankehitriny.

Raha mihena ny hery ara-panahy, ary mahazo vahana ao amin’ny Fiangonana ny foto-kevitr’izao tontolo izao, dia hita ho manorisory ny fandaminan’Andriamanitra. Mila ezaka amin’ny toetra ara-panahy izay tsy misy izany. Mampibaribary ny fahalemena ara-nofo izay misy izany. Mahery ny fakàm-panahy tsy hamehezan-tena hanaraka ny fitsipika napetraky ny Teny: ekena fa mety misy ihany fotoana ilàna ireny, mahaliana sy mampitombo fahalalàna ireny, nefa zavatra tsy voatery atao na mila ny fankatoavantsika tanteraka; zavatra azo arahina, fa tsy hoe tsy maintsy arahina. Ny teny lazain’ny apostoly dia mandiso tanteraka izany fitsipahana izany. “Didin’ny Tompo” ireo fitsipika ireo. Afaka mandray an’izany araka izay hitiavantsika azy ve isika?

Tsia dia tsia! Raha haka ohatra isika, dia ny zavatra naorina tamin’ny rafitry ny lalàna, izay tsy nanana afa-tsy ny “endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra”, no tokony ho eritreretintsika. Hoy ny Teny: “Natoron’Andriamanitra an’i Mosesy, rehefa hanao ny tabernakely izy, fa hoy Izy: “Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra” (Hebreo 8. 5). Nahatoky i Mosesy tao amin’ny tranon’Andriamanitra rehetra ary natao tsy misy mivaona tamin’ny modely nomena izany. Tatỳ aoriana, rehefa tonga ny fotoana hanorenana ny tranon’Andriamanitra maharitra tany Jerosalema, dia hoy ny Teny: “Ary Davida nanome an’i Solomona zanany ny sarin’ny lavarangana fidirana sy ny tranony… ary ny sarin’izay rehetra efa niseho tamin’ny fanahiny… — izany asa rehetra araka ny sary izany, hoy Davida, no nampahafantarin’i Jehovah ahy tamin’ny soratra avy tamin’ny tànany, izay aty amiko”. (1 Tantara 28. 11-19. Aoka ho vakiana daholo io tsongan-dahasoratra io). Eto dia hitantsika indray fa ny antsipiriany rehetra dia didy avy amin’Andriamanitra, ary natao an-tsoratra. Ny Testamenta Vaovao dia manome antsika an-tsoratra ny fitsipika rehetra avy amin’Andriamanitra momba ny trano fanahiny. Malalaka kokoa ve isika na hanaraka na tsia ireo fitsipika ireo, noho ny olona taloha raha nanao ny trano tety an-tany izy? Mbola mamaly ihany isika hoe: tsia dia tsia!

Ny zava-niseho, dia nieritreritra ny Jiosy tatỳ aoriana fa azony ovana ny fandaminan’Andriamanitra momba ny trano, ary afaka manampy zavatra amin’izany izy; inona no vokany? Raha niditra tao amin’ny kianjan’ny tempoly i Jesoa, dia hoy Izy: “Ny tranoko dia trano fivavahana; fa ianareo kosa dia nanao azy ho zohy fieren’ny jiolahy” (Lioka 19. 46). Tsy nanaraka antsipiriany ny Tenin’Andriamanitra koa izy tamin’ny ankapobeny, hany ka tsy maintsy voatery niampanga azy ny Tompo: “Foananareo ny tenin’Andriamanitra amin’ny fampianarana voatolotra anareo, izay nasainareo hotandremana; ary zavatra maro mifanahatahaka amin’izany koa no ataonareo” (Marka 7. 13). Ny hasiakan’ny teny nampiasain’ny Tompo dia tokony hieritreretantsika fa lehibe tokoa izany fahotana izany teo imasony.

Fa mbola misy mihoatra noho izany.  Faharoa, sarihinay ny sainao momba ny fitsipika izay mazava tsara ao amin’ny Teny mikasika ny toerana misy ny mpino manoloana ny rafi-pivavahana ivelany.

Ny epistily ho an’ny Hebreo dia nosoratana kely foana talohan’ny nandravana an’i Jerosalema sy ny tempoly izay nitarika ny firodanan’ny fomba fandaminana ara-pivavahan’ny Jiosy. Ao amin’io epistily io, dia mamporisika ny mpino jiosy ny Fanahin’Andriamanitra, amin’ny fanazavana fa ny marika hita ara-pivavahana izay naorina teo ambany lalàna dia tsy inona akory fa aloka, ary ireo izay nandositra nialoka tao amin’i Kristy dia manana ny fahamarinana amin’ny finoana. Ny fiafaran’io epistily io dia ny fiantsoana ireo olona ireo hiala amin’ny rafitra taloha izay tsy manan-kery intsony amin’ny fivavahana etỳ an-tany. Nasehon’ny Fanahy Masina azy ireo i Kristy izay “niaritra teny ivelan’ny vavahady”. Ny famporisihany dia hoe: “Koa aoka isika hivoaka hankeo aminy eo ivelan’ny toby, mitondra ny latsa izay nentiny” (Hebreo 13. 13)

Antsoina isika hivoaka hankeo Aminy, ary mariho tsara, tsy ivelan’ny tanàna, fa ivelan’ny toby. Ao amin’ny epistily ho an’ny Hebreo, tsy lamina — tanàna sy tempoly etsetra — momba ny fipetrahana maharitra ao amin’ny tany akory, fa lamina momba ny fivahinianana any an’efitra — tabernakely sy toby. Anisan’ny anton’izany, ao amin’ity epistily ity, dia ny fandraisana ny kristiana ho toy ny fikambanana mifandray amin’ny any an-danitra, mizotra ho amin’ny fitsaharana any an-danitra, nefa mbola etỳ an-tany ihany, toy ny any an’efitra. Ny antony iray hafa koa dia izao: ny tanàna sy ny tempoly dia naorina raha nametraka fahefana fehezin’ny mpanjaka tamin’ny Isiraely Andriamanitra, ary izany dia misy ifandraisana amin’i Davida. Ny tanàna sy ny tempoly izany dia mifandraika kokoa amin’ny fanapahan’Andriamanitra etỳ an-tany, ary Isiraely no ilay firenena nitantana io fanapahana io. Mifanohitra amin’izany, tao amin’ny tabernakely tany an’efitra, dia nasehon’Andriamanitra ny fitiavany hitoetra eo anivon’ny vahoaka voavidy ary hanangona izany vahoaka izany manodidina Azy. Ny toby, dia Isiraely manodidina ny fitoeran’Andriamanitra araka ny fandaminana nataony — Isiraely izay tsy raisina ho toy ny mpanapaka etỳ an-tany, fa amin’ny maha-mpivavaka azy.

Tamin’ny nanoratana ny epistily ho an’ny Hebreo, ny shekina, ilay rahona manambara ny voninahitry ny toby teo amin’ny Isiraely, dia efa tsy nisy hatry ny ela; nefa ny toby — ny rafitra ara-pivavahana teo amin’ny Isiraely — dia mbola nisy ihany. Kanefa ny làlana nosafidiany dia ny fanombohona an'i Jesoa ivelan'ny vavahady, ary ho an’izay tena mpino tamin’ny Jiosy, dia tonga ny fotoana nanapahana ny fifandraisana farany amin’izany fomba fivavahana etỳ an-tany izany,  na dia Andriamanitra aza no nanorina izany tany am-boalohany. Tsy misy afa-tsy ny “malemy sady tsy misy n’inon’inona” sisa tao (Galatiana 4. 9).

Noho izany, tsy mihambahamba mihintsy isika mamaly ilay fanontaniana teo ambony: -  Raha nandritra ny taon-jato voalohany nisian’ny kristiana, ny mpino aza, izay nifandray tamin’ny rafitra ara-pivavahana etỳ an-tany naorin’Andriamanitra tam-boalohany, dia nanapaka ny fifandraisany farany tamin’izany ary nivoaka hankeo amin’i Kristy, mainka ve amin’izao fotoana izao, ho sitrapon’Andriamanitra ny hijanonan’ny mpino ao amin’ny rafitra ara-pivavahana etỳ an-tany, rafitra izay nataon’olombelona , ary tsy nisy mihintsy fotoana hoe rafitra nataon’Andriamanitra?

Mazava fa misy ny rafitra ara-pivavahana nataon’olombelona, ary mazava toy izany koa fa tsy ao anatin’io i Kristy. Izany akory tsy manakana ny mpino maro izay voafatotra ao tsy ho tia tanteraka an’i Kristy sy tsy hanatona Azy akaiky. Fahefana avy amin’Andriamanitra izany no manala antsika amin’ireny rafitra ara-pivavahana nataon’olombelona ireny, mba hanaraka ny fandaminana nataon’Andriamanitra izay naseho ao amin’ny Soratra Masina, ary handeha arak’izany.

 

12

 Ambonin’izany, ny fialàna amin’ny ratsy sy ny mpanao ratsy hatramin’izay dia andraikitry ny olona matahotra an’Andriamanitra sy miantso ny Anarany.

 

 

Ao amin’ny 2 Timoty 2. 14 ka hatramin’ny 3. 5, dia henjana tokoa no nilazana io didy io, ary notafiana ny fahefan’ny apostoly (izany hoe, Tenin’Andriamanitra). Ao amin’io tsongandahatsoratra io dia tsy latsaka ny in-enina no iresahana ny fisarahana amin’ny ratsy, ary amin’ny lafiny samihafa. Izao ireo zavatra enina voalaza ireo:

-          “ Fa halaviro ny fibedibedena foana” (2. 16)

-          “ Aoka ny olona rehetra hiala amin’ny ratsy” (2. 19)

-          “ Koa raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin’ireny” (2. 21)

-          “ Fa mandosira ny filàn’ny tanora fanahy” (2. 22)

-          “ Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony “ (2. 23)

-          “ Ireny koa dia halaviro” (3. 5)

Raha misy olona na zavatra aseho aminao, ka hihatahanao, hisintahanao, hanadiovanao tena, handosiranao sy hiodinanao, dia mazava fa fisarahana mihizitra mihintsy no tadiavinao.

Io tsongandahatsoratra io anefa dia niadiana hevitra be, nampiasaina tamin’ny fomba isan-karazany, ka tsara raha hanandrana hanazava azy am-pilaminana isika, nefa hatao fohifohy izany; ary aoka ny mpamaky no hitsara. Mangataka anao ary izahay mba hanokatra ny Baibolinao ao amin’io lahasoratra io ka hiverina any foana mandritra ny fanazavana.

Andininy 14 sy 15: tsy maintsy mampahatsiahy ny fahamarinana amin’ny mpino i Timoty ary mandidy azy mba tsy hiady momba izay zavatra tsy mitondra soa, ary tsy mitondra afa-tsy fikorontanana ao an-tsain’ny mpihaino. Izy indray dia hanarina mba hiezaka ny ho mpiasa tsara manompo an’Andriamanitra, manazava ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fahamarinana.

Andininy 16 hatramin’ny 18: tsy ny fiadian-teny tsy mitondra soa ihany no zava-nisy; nisy haratsiana lehibe kokoa izay nitranga, dia ny “fibedibedena foana”, izay mitarika mankany amin’ny tsy finoana ary mikiky toy ny aretina mihady; izany hoe hiharatsy foana ireo fibedibedena ireo na amin’ny hamafiny na amin’ny voka-dratsiny. Mba ahazoana tsara ny zavatra tiany hambara, dia milaza anaran’olona roa i Paoly, izay mpanao izany “fibedibedena foana” izany — dia i Hymeneo sy Fileto — ary nosoritany tsara ny zava-diso nampivily làlana azy tamin’ny fahamarinana: nanambara izy ireo fa “efa lasa sahady ny fitsanganan’ny maty”. Asehon’i Paoly ny maha-loza izany hadisoana izany eo amin’ny olona mandray izany: mivadika ny finoany. Fahadisoan-kevitra lehibe izany, ary mikiky ny finoan’ireo izay manaiky izany.

Andininy 19: Manohitra izany fampianaran’olombelona izay mamadika ny finoan’ireo izay mihaino azy izany, dia misy “ny fanorenana mafy izay nataon’Andriamanitra” izay “miorina tsara”. Ny tian’ny apostoly lazaina eto, ary tsy hiambahambana izany, dia tsy fahamarinana iray na teny iray nataon’Andriamanitra, fa ny hoe izay zavatra rehetra aorin’Andriamanitra dia tsy miova. Io fanorenana io dia manana tombo-kase misy lafiny roa: voalohany, araka ny fahefan’Andriamanitra sy ny fahalalany ny zava-drehetra, izay miantoka ny fiadanan’ny olony; faharoa, araka ny andraikitry ny olona, izay mandidy an’ireo rehetra mitonona ho manaiky ny Tompo mba hiala amin’ny ratsy. Eto koa, ny voambolana ampiasaina dia teny tsy dia voafaritra mazava. Angamba safeli-teny ilazana ny fikomian’i Kora, Datana sy Abirama, izay voatantara ao amin’ny Nomery 16. Niodina tamin’ny tenin’Andriamanitra, izay nolazain’i Mosesy sy Arona, ireo olona ireo ary nitarika sasantsasany ho amin’ny fikomiana. Roa no zavatra nolazain’i Jehovah tamin’io fotoana io. Voalohany: “Rahampitso dia asehon’i Jehovah izay azy” (and 5); faharoa, “Mialà amin’ny lain’ireo olon-dratsy ireo” (and 26).

Manazava ny tsongandahatsoratra dinihintsika io safelin-teny io. Nefa ny andininy nomena antsika dia tsy mametraka afa-tsy fitsipika ankapobeny. Tsy maintsy miala amin’ny ratsy ny mpino, na aiza na aiza ary mandrakariva. Misy fisehoana samihafa ny ratsy, ary ny didy izay nomena antsika mba hiala amin'izany dia azo tanterahina amin’ny fomba samihafa, arakaraky ny fisehoan’ilay ratsy. Fa tsy tokony hiray tsikombakomba amin’ny ratsy na oviana na oviana mihitsy ny mpino. Tsy maintsy miala amin’izany izy, na inona na inona fomba hisehoan’ny ratsy.

Andininy 20: Manome ohatra manazava ny heviny i Paoly rehefa avy namariparitra tsara ny atao hoe faharatsiana sy nametraka ny foto-kevitra tokony hitarika ny mpino momba ny fitondrantenany eo anoloan’ny ratsy. Ao amin’ny trano be — mieritreritra toerana malalaka be izy — dia misy fanaka be dia be, tsy mitovy mihitsy na ny akora nanamboarana azy na ny fomba ampiasana azy. Ny sasany dia natao tamin’ny volamena na volafotsy, ny sasany natao tamin’ny hazo sy tamin’ny tany. Ny sasany dia fanaka homem-boninahitra, ny sasany kosa halam-baraka. Nitombina tokoa io fanoharana io satria ny Fiangonana, raha nitombo an’isa, dia toy ny trano be, ary nisy olona tsy azo antoka toa an-dry Hymeneo sy Fileto nihamaro tao — olona toy ny fanaka natao tamin’ny akora tsy misy vidiny, ary ampiasaina amin’ny zavatra ambany.

Ny andininy faha 21 dia manome ny fampiharana ny fitsipika ankapobeny voalaza ao amin’ny andininy faha 19 amin’ny toe-javatra manokana resahina ao amin’ny andininy faha 18; io fampiharana io dia azavain’ny andininy 20.

“Koa raha misy olona” — Io fomba fiteny io dia mampiseho fa ny tian’i Paoly hambara eto dia tsy ohatra fotsiny, fa fampiharana mihintsy eo anoloan’ny toetra ratsy niseho tao amin’ny Fiangonana.

“Olona” iray — satria ilay didy dia mikasika ny mpino rehetra, fa koa andraikitry ny tsirairay. Didy mahakasika ny olona tsirairay izany.

Manadio tena amin’ny” — Ny fomba fiteny nampisaina dia misy ny hevitra ao amin’ny voambolana voalohany hoe: manadio amin’ny fanalana ny maloto, manala. Indroa ihany no ahitana izany ao amin’ny Testamenta Vaovao, eto sy ao amin’ny 1 Korintiana 5. 7, ary ao izy dia adika hoe “esorina”. Ao amin’io andininy io, dia ny manaisotra ny ratsy ao amin’ny Fiangonana. Ny andininy jerentsika kosa, dia ny fihetsika tsy dia mahazatra loatra ataon’ny olona iray misintaka amin’ny fikambanana izay hanjakan’ny ratsy.

“Isan’ireo” — izany hoe Hymeneo sy Fileto ary ireo izay manaraka azy. Misy milaza fa “ireo”, raha ara-fandrasàn-teny, dia mifandraika amin’ny fanaka halam-baraka. Tsy mampiova n’inon’inona amin’ny dikan’io andininy io izany, satria ny fanaka halam-baraka dia tsy inona akory fa ireo olona diso làlana. Nefa mino izahay fa ireo voambolana ireo dia tsy mikasika ilay fanoharana, fa mikasika tokoa ireo olona lazaina eto.

Ny tohin’ny andininy dia manazava amin’ny ohatra. Ny mpianatra izay misintaka amin’ny firaisana na fiarahana mitsikombakomba amin’ny mpampianatra manao fampianarana tena diso ara-poto-kevitra, dia mitovy amin’ny fanaka omem-boninahitra, nohamasinina ary ilain’ny tompony, voavoatra ho amin’ny asa tsara.

Andininy 22: “ Fa mandosira ny filan’ny tanora fanahy”. Fampiharana ilay foto-kevitra ankapobeny hoe “Mialà amin’ny ratsy” ihany io. Io didy io dia tsy miantefa any amin’ny sasany, fa ho an’ny olona tsirairay. Tsy ny fisarahana amin’ny ratsy no lazaina eto, fa ny tokony hananana fahamasinana, satria raha tsy izany, dia fihatsarambelatsihy fotsiny ny fisarahana amin’ny ratsy. “Ny filan’ny tanora fanahy” — satria i Timoty izay ampirisihina eto, dia mbola tanora. Ny fitsiriritana rehetra no tokony handosirana, ary asaina ny mpino mba hikatsaka “ny fahamarinana, ny finoana, ny fitiavana, ny fihavanana”. Ao amin’izao tontolo izao dia ahitana ny mifanohitra amin’izany: ny fahotana, ny fahajambana ara-panahy, ny fifankahalana ary ny ady. Nantsoina hitafy ny toetran’i Kristy ny mpino izay ao anatin’izany tontolo izany, araka ireo voambolana efatra ireo. Ambonin’izany, tokony ho katsahina mandrakariva ny fampiharana ireo, “amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio”.

Nantsoina handroso miaraka “amin’ireo” isika — izany hoe tsy mitoetra irery fa miaraka amin’ny olona. Ny “miantso ny Tompo” dia midika ho fanambarana fanekena an’i Kristy sy finoana ny Anarany. Miantso Azy “amin’ny fo madio” na “amin’ny fo efa nodiovina”. Amin’ny lahasoratra ifotony, ny voambolana ampiasaina eto dia mitovy amin’ilay “manadio” ao amin’ny andininy 21, saingy amin’ity andininy ity, ,dia ny mpamaritra no ampiasaina, fa tsy ny entimilaza , ary ny tovona ek, izay midika hoe “ivelany”, dia tsy misy. Miantso ny Tompo amin’ny fo madio, dia miantso Azy tsy am-pahatsorana ihany, fa satria ilay olona anaty dia efa voadio amin’ny fanekena ny fampirisihina ho masina ao anaty, araka ny fiantombohan’io andininy io, ary masina raha ny momba ny firaisana amin’ny olona, araka ny andininy 21.

Aoka ho marihina fa tsy nolazaina isika hoe “amin’izay olona rehetra miantso ny Tompo amin’ny fo madio” — araka ny lazaina matetika. Tsy ho vitantsika mihintsy izany, ka noho izany, tsy ho zakantsika amin’izao vaninandro izao. Be amin’ireo tena kristiana ara-bakiteny no mety handà ny hiaraka amin’olona tena mpino koa, ohatra, noho ny fitsarana an-tendrony na satria manaiky ho marina ny zavatra tsy izy izy. Indrisy fa izany no fahalemen’ny tena mahatoky indrindra amin’ny mpino, ary izany koa no korontana eo amin’ny tontolo kristiana. Nefa afaka manohy “miaraka amin’ireo miantso ny anaran’ny Tompo amin’ny fo madio” isika — na firy no isany na firy; ary marina fa arakaraky ny maha-maro azy ireo no hahafaly antsika.

Ny andininy 23 ka hatramin’ny 26 dia milaza fa ny mpino izay mankatò io didy io dia tsy maintsy mandositra ny fanontaniana adala sy tsy misy dikany: mitarika fanontaniana hafa ireny. Nefa koa, tsy maintsy manampo izy fa hisy hanohitra ary tsy maintsy miatrika izany amin’ny fanentretena, toy ny toetran’i Kristy. Ho azo ampiasaina ho an’ny fahasoavana sy ny famerenana ny mpanohitra izy amin’izay.

Nampiasain’ny Fanahin’Andriamanitra i Hymeneo sy Fileto mba hanomezana izany fampianarana izany. Nefa tsy dia mbola tena lehibe loatra ny faharatsiana tamin’izay ka hoe voatery niala tamin’ny sarababen’ny mpino i Timoty sy ireo mpino hafa mahatoky. Ny mifanohitra amin’izany aza no niseho, nosakanan’ny Fanahy izany faharatsiana izany. Ny sasany nifoha “afaka tamin’ny fandriky ny devoly” (2 Timoty 2. 26), ary ireo mpampianatra nanohitra ny kristiana, nony nahita fa tsy nisy vokany ny ezaka nataony, dia niala “avy tamintsika” (1 Jaona 2. 19). Na izany aza, manan-kery foana ny didin’Andriamanitra, ary efa tonga hatry ny ela ny fotoana tokony ampiharana io fihetsika voalaza io, ary mampihatra azy tanteraka mihintsy. Marina ny filazana hoe “ny fanohizana ny fiarahana ho enti-manimba ny fahamarinana dia mamadika ny Tompo” satria ny fikambanana miray tsikombakomba amin’ny ratsy dia tsy avy amin’Andriamanitra. Ny firaisana araka an’Andriamanitra dia tsy maintsy miaraka amin’ny fisarahana amin’ny ratsy.

Marihina koa, eto am-pamaranana ny momba io loha-hevitra io, fa ny fisarahana didiana eto dia andraikitry ny tsirairay. “Raha misy olona” (and 21): izany hoe io olona io no mandray andraikitra, na dia mety hisy aza, araka ny andininy 22, ny namany sasany manaraka ny heviny raha manaiky tanteraka izany didy izany izy.

 

13

 Ny mpino izay mivoaka ho eo amin’i Kristy “ivelan’ny toby”, izay manadio ny tenany amin’ny mpampianatra diso sy ny fampianaran-diso, dia tsy maintsy manaiky manomboka izao ny fitarihan’ny fahamarinana momba ny Fiangonana, na amin’ny fivorian’izy ireo, na amin-javatra hafa. Ary tsy tokony hadinoiny mihintsy fa sasantsany amin’ireo izay mandrafitra ny Fiangonana ihany izy ireo.

 

Fanazaran-tena sy fizotra isam-batan’olona no nahatonga ireo mpino tsirairay ho amin’ny toerany, nefa tsy nantsoina handeha irery izy ireo, toy ny hoe tsy misy intsony ny zavatra rehetra momba ny tena izay naorina. Ny tenan’i Kristy, ny tranon’Andriamanitra, dia mitoetra ho fahamarinana, ary ny mpino nivoaka nankeo amin’i Kristy dia mitoetra ho isan’io tena io ary vato velona mandrafitra io trano io; koa ny tombontsoa sy ny andraikitra miaraka amin’ireo fahamarinana roa ireo dia anjarany ihany, ankehitriny toy ny tamin’ny taloha.

Rehefa miangona izy ireo, dia tokony hiangona araka ny maha-izy azy, ary manatanteraka izay fitsipika rehetra lazain’ny Tenin’Andriamanitra. Nantsoiny hanatanteraka izany izy, na dia roa sy telo fotsiny aza, nefa ny kristiana ao an-tanànany izay nijanona “ao amin’ny toby” noho ny antony samihafa dia mety miisa roa na telo arivo. I Kristy no mitoetra ho Lohan’izy ireo any an-danitra, ary afaka matoky tanteraka izy fa Izy no hitantana azy ireo. Mbola eo ny Fanahy Masina, ary afaka mahatoky tanteraka ny fahefany izy ireo. Mitoetra ny tenin’Andriamanitra, ary afaka miankina amin’izany izy ireo ho fampianarana azy.

Noho izany, dia mbola misy fatra firaisana toy ny tamin’ny andron’ny apostoly izay azon’izy ireo iainana. Misy mpino hafa angamba izay tsy mety hiala amin’ny toerany sy ny anarany mpanavakavaka; fa izy ireo kosa dia mahalala ny hafaliana mihevitra tsotr’ izao ny mpino ho toy ny isan’ny tenan’i Kristy, ary mandray izay te-ho raisina araka ny tenin’Andriamanitra: ny fepetra fotsiny dia hoe tsy manala baraka amin’ny fitondrantena tsy mendrika izy ireo, amin’ny foto-pampianarana diso na amin’ny firaisana amin’ny ratsy. Mandray mpino satria efa nofanina ara-pitsipika mba “hiaraka amintsika”, izany no ataon’ireo sekta rehetra. Fa ny mandray mpino satria isan’ny tenan’i Kristy izy, izany no manaraka ny fahamarinana.

Misy zavatra iray izay tsy manaraka izany lalàna izany tsy maintsy tsipihina anefa: ny rafitra ivelany — raha azo lazaina ho izany — momba ny fitondrana sy ny fanompoana ao amin’ny fiangonana, izay misy ny loholona sy ny diakona, dia tsy mitombina intsony amin’ny fomba ofisialy satria tsy misy intsony fahefana manendry azy ireny. Ny fisian’ireo loholona izay notendrena tamin’ny fomba ofisialy dia tsy dia ilaina amin’ny fitondrana ny fiangonana. Tsy nisy loholona tany Tesalonika tamin’i Paoly nanoratra ny epistiliny voalohany ho an’ireo mpino tany. Hoy izy tamin’izy ireo: “Ary mangataka aminareo izahay ry rahalahy, mba ekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin’ny Tompo, sns” (1 Tesaloniana 5. 12,13). Mazava fa ny dikan’ny hoe “ekena” eto dia ny hoe “manaiky ny fisiany”. Tsy mitombina izany didy izany raha tsy nisy olona tao izay tena atao hoe “loholona”, na dia tsy notendrena ara-pomba ofisialy aza izy ireo. Amin’izao fotoana izao, dia tsy misy manakana ny tsy “hanekena” ny loholona, amin’ny toerana misy azy. Azo marihina koa fa ao amin’ny 1 Korintiana, epistily izay manambara ny tokony ho filaminana ao amin’ny Fiangonana, ny eveka sy ny loholona dia tsy voateny akory, ary raha nanitsy ny fikorontanana tao amin’ny fiangonan’i Korinto ny apostoly, dia tsy nanipy hevitra indray mandeha akory hoe tokony hanendry loholona.

 

14

 Ny zava-misy dia efa taona maro ankehitriny no nisy mpino niezaka niangona araka ireo fitsipika voalaza. Ny traikefa azo tamin'izany dia manipika tsara ny loza mitatao izay mety hanodina hiala amin’ny fahamarinana. Misy sasantsasany hambarantsika eto.

1-       Ny fanavakavahana

 

Mora tokoa ny maha-solafaka amin’io toetra ratsy io. Ny mpino izay nitady ny fahasoavana mba hiangonana araka ny fitsipika voalaza teo ambony dia tsy maintsy nisaraka tamin’ireo rafitra ara-pivavahana nisy tamin’ny fotoan’androny; noho izany dia tafasaraka tamin’ny mpino amin’ny ankapobeny izy momba ireo fisehoana ivelany izay mbola nifikiran’izy ireo. Hany ka mora dia mora tokoa no hisarahana amin’izy ireo na ara-po na ara-pitiavana! Maika mihintsy izy ireo mieritreritra fa fikambanana voatsongo, miray saina sy sarotra idirana, tsy miraharaha izay ivelan’ny fikambanana misy azy ireo!

Vao mainka koa nampitombo io loza mitatao io ny fanazavana lehibe momba ny Soratra Masina izay nomen’Andriamanitra ireo izay nivory tamin’ny fankatoavana ny Teny. Ny firona voajanahary tamin’izany dia ny mampiasa io hazavana io toy ny nataon’ireo mpino voalohany tany Korinto tamin’ireo fanomezam-pahasoavany, na fanararaotana no marimarina kokoa: izany hoe ho an’ny tombontsoany manokana sy mba hiderana azy ireo manokana, fa tsy hahasoa ny tena iray manontolo. Azo ampiasaina toy izany koa ny fahazavana nomen’Andriamanitra, fahazavana momba ny Soratra masina: ny fikambanana izay nahazo izany dia afaka mampiasa izany mba hisondrotana sy ahazoana fahefana, fa tsy hahasoa ny olo-masina rehetra. Io fahazavana io dia lasa marika mampiavaka azy, ary mirona ho any amin’ny fanavakavahana izy. Mitady hivadika ho fahamaizinana ny “fahazavana”. Vokatr’izany, ilay fahazavana, na izay atao hoe “fahazavana” amin’ny fotoan’andro iray, dia lasa sivana lehibe anekena ny firaisana, na ny toe-po ahafahana hiditra ho mpikambana, zava-dehibe voalohany indrindra. Nailika ny fahafahana mandray ny mpino ho toy ny isan’ny tenan’i Kristy — raha toa ka tsy nanala-baraka tena tamin’ny fitondrana tsy mendrika izy ireo, na tamin’ny foto-pampianarana diso, na tamin’ny fiarahana na firaisana mitsikombakomba amin’ny hevi-diso. Tonga eo amin’ny sehatra efa nisy hatry ny ela ny fanavakavahana isika; nefa noho ny mampanakaiky kokoa antsika ny fahamarinana amin’ny fomba hiangonantsika sy ny fahalalantsika ny Soratra Masina, dia vao mainka isika mendri-panamelohana amin’ny foto-kevitra ijoroantsika.

Ny mpino izay mivory amin’ny fanekena ny fahamarinana dia tsy maintsy ampangaina ho sekta, sady amin’izay sekta tsy dia misy dikany. Mety tsy ho afaka handà izany fiampangana izany izy ireo satria tena ampahiny kely dia kely amin’ny Fiangonana, fa tsy Fiangonana iray manontolo. Na izany aza, dia tokony hiambina izy ireo mba tsy hanjakan’ny fanavakavahana ao an-tsainy sy eo amin’ny fitsipika ijoroan’ny fivoriany.

2-       Ny baranahiny amin’ny fitsipika sy ny fampiharana azy.

Io loza mitatao io dia mifanohitra amin’ilay vao noresahantsika teo; mamitaka izy, satria maro no fomba isehoany. Ny fanavakavahana dia fandrika ho an’ireo manana toe-tsaina henjana sy tery, nefa avara-pianarana. Ny baranahiny indray dia loza mitatao ho an’ireo kristiana manana tsangan-kevitra mivelatra sy mahakasika izao tontolo izao, ary manana fo be fitiavana. Ny andaniny iray miezaka ny hitazona ny fahamarinana sy hitandro ny fahamasinana amin’ny fanesorana ireo rehetra izay tsy tafiditra amin’io karazana olona voatsongo io. Ny ankilany miaro ny fitiava-namana ary mampirisika ny fifankatiavana sy ny firaisana amin’ny fandeferana mora ifampiraharahana.

Nefa io fomba fitondrantena io koa dia mahafaty tanteraka ny fihazonana ny sehatra marina misy ny fiangonana. Voalohany, ny fanapahan-kevitra hankeo amin’i Kristy “ivelan’ny toby” dia miha-malefaka , na tena potika mihitsy aza, satria misy fifampiraharahana atao ary fifandraisana tazonina miaraka amin’ny toby mba hiantohana fahatontolo bebe kokoa. Mirona mankany amin’ny anarana iraisana fotsiny. Faharoa, ny fandàvana mazava tsara sy tsy misy marimaritra iraisana ny foto-pampianarana diso ifotony, ny fisarahana amin’ireo manaparitaka izany — araka ny fampianarana ao amin’ny 2 Timoty 2. 15-26 sy 2 Jaona 7-11 — dia manjary malefaka ary matetika aza rava mihintsy. Mirona amin’ny fanindrahindrana tsy ara-drariny ny fandeferana, ary raha tonga amin’ny fitsipahana ny ratsy miseho amin’ny fomba mibaribary aza, dia manaiky izany ihany raha miova ny fomba fisehoany.

Voaomana tsara izany ny làlana mankany amin’ny fandàvana ny fizorana araka ny fahamarinana, tsy hoe manao dingana lehibe fanapahan-kevitra, fa dingana mandeha moramora sy tsy dia hita loatra. Betsaka ny ohatra ao amin’ny tantara mampiseho amintsika ny fomba fiasan’ny saina baranahiny. Isaky ny nisy faharatsiana ara-poto-kevitra niseho tao amin’ny Fiangonana, dia nitsipaka izany tamin’ny fomba hentitra sy tsy mihambahamba mihintsy ireo izay voalohany nandà izany; avy eo, dia niseho ireo izay miaro ny fandeferana sy mitady marimaritra iraisana noho ny antony izatsy na izaroa.

3-       Ny fiamboana fahefana eo amin’ny fiangonana

Vokatr’ilay loza mananontanona voalohany nolazaina io; raha ny tena marina, dia miaraka izy roa ireo. Satria tsy miraharaha ny faharavan’ny mitonona ho Fiangonana izany kristiana sasany izany, dia manome fahefana ny tenany , fahefana izay tsy neken’Andriamanitra kely akory, asa izay eritreretiny am-pahatsorana hoe ilaina mba hitazonana ny fikambanana amin’ny toetra maha-izy azy. Ny fanapahan-kevitra sy ny asa izay tokony ho faritan’ny fiangonana, na dia nomanina sy natao am-pahamehana aza satria nisy olona na fikambanan’olona nanosika mafy tao, dia mety hitafy fahamasinana tokoa ary lasa fitakiana mihoampampana. Mety omena tanàna sasantsasany na vondron’olona sasantsasany ny fahefana, vokatr’izany, dia miseho ny fanangonam-pahefana amin’ny renivohitra iray sy ny fanaraha-maso toy ny any amin’ny toeram-piasana. Loza ho an’izay mpino sahy mametra-panontaniana momba izay nalamina sy notapahina tamin’izany fomba izany.

4- Ny fahaleovantena isam-piangonana

Nefa mety mifanohitra amin’izany ambo izany koa ny zava-miseho; mba hialàna amin’ny faharatsiana miaraka amin’izany, dia miantefa any amin’ny rafitra mahaleotena. Raisina ho toy ny singa iray ny fivoriana izay misy, singa izay miorina amin’ny fototra azy manokana, ary tsy misy ifandraisana amin’ny fiangonana hafa. Ilay Fiangonana izay tenan’i Kristy, tranon’Andriamanitra, firaisana iray izay misy ny mpino na aiza na aiza misy azy, tsy ifidiana toerana, dia na tsy fantatra mihintsy na raisina ho toy ny idealy ihany, ka tsy misy fampiharana azo atao. Manao ny mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Soratra Masina raha manaiky fisian-javatra mitondra amin’ny fiforonan’ny fiangonana isan-toerana sasany mahaleo tena, mifandray na tsy mifandray, mba ahafahan’ny tsirairay hilomano amin’ny fahafahana tanteraka.

5- Fifehezana sampontsampona tsy eken’ny Soratra Masina

Vokatry ny loza voalohany sy fahatelo nolazaina teo io. Raha manavakavaka, dia matetika miziriziry ara-kevitra foana mba hiarovana io fanavakavahana io. Tsy misy masiaka toy ny saina bontolo, ary noho io saina io, dia raisina daholo izao fanapahan-kevitra rehetra mihoam-pefy izao. Tamin’ny andro voalohany anefa, talohan’ny nahalasanan’ny apostoly, dia notandidomin-doza anatiny isan-karazany ny Fiangonana , ary ny fitsipi-pifehezana nilaina tamin’izany dia nosoratan’ireo nahazo tsindrimandry. Raha amin’izao fotoana izao isika no mampihatra fifehezana mafimafy kokoa sy henjana kokoa noho ny nataon’ny apostoly, dia toy ny hoe mampiseho fahamasinana be sy risika be mihintsy; nefa tsy inona izany fa fiana-kendry sy fikizitinan’olombelona , toy ny hoe hendry noho Andriamanitra isika. Anton’ny hadisoana betsaka niseho ny fametrahana fifehezana hentitra manoloana ny fikarakarana ataon’ny mpitandrina sy ny fanehoana fitiavana am-pahatokisana, izay manazatra kokoa ny fahaiza-manaontsika ara-panahy.

6- Fifehezana mivoraboraka

Vokatry ny loza faharoa sy fahefatra indray io. Rehefa ny fanatontoloana no atao laharam-pahamehana, dia tsy maintsy misy ny fandeferana. Raha raisina ho toy ny mahaleo tena ny fiangonana isan-toerana iray, dia mijanona ao amin'io faritra io ihany ny fifehezana atao, ary na inona na inona fitsipika fifehezana hampiarina, dia tsy hisy fahefana izany noho ny zavatra mifanohitra amin'izany ataon'ny fiangonana iray hafa mahaleo tena, mifanakaiky aminy. Raha nanoratra ho an’ny Korintiana i Paoly mba hampirisika azy ireo hampihatra ny fifehezana faran’izay hentitra indrindra (1 Korintiana 5), dia miteny “amin’ny fiangonanan’Andriamanitra any Korinto… mbamin’izay rehetra miantso ny anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika eny amin’ny tany rehetra, dia azy sy antsika” izy (1 Korintiana 1. 2). Ny fiangonana an-toerana tany Korinto aloha no niantefan’ny andraikitra fampiharana ny fifehezana; nefa ny Fiangonana iray manontolo no voakasik’izany. Ary raha tsy maintsy mampihatra ny fifehezana ny mpino izay mikatsaka ny hiangona amin’izao fotoana izao hanaraka ny voalaza momba ny fiangonana sy handeha araka ny fanazavana ny fahamarinana azo, na dia vitsy aza izy ireo, dia izany toe-tsaina izany ihany no tokony ananany.

Raha misy mpino amin’izao fotoana izao izay tsy ao anatin’ireny rafitra ara-pivavahana nataon’olombelona misy ireny, izay miala tokoa amin’ny ratsy, izay mampihatra ny fahamarinana ary mandeha araka ny fahamarinan’ny Fiangonana lazain’ny Soratra Masina, dia matoky izahay fa eken’Andriamanitra ny toerana misy azy — mivory eo amin’ny sehatra araka an’Andriamanitra izy. Nefa na izany aza, aoka tsy hohadinoina mihintsy fa ny toetra ara-panahy sy ara-pitondratena dia misy lanjany lehibe tokoa. Ny fanapahan-kevitra momba ny fitondrana fivavahana izay mety ho marina tokoa, nefa tsy miaraka amin’ny toetra ara-panahy takian’izany, dia zavatra faran’izay mampalahelo tokoa. Toetra alohan’ny fiatahana io: ho very tsy ho ela ny sehatra nitoerany.

Ny tsara ho katsahina ambonin’ny zava-drehetra izany dia ilay fitiavam-bavaka ampiharina tokoa, ny fisarahana amin’izao tontolo izao, ny firaisana amin’Andriamanitra, ny fanoloran-tena ho an’i Kristy sy ny fikatsahana ny tombontsoany: izany ihany no hahatonga ny fanapahan-kevitra marina sy araka ny Soratra Masina ho lasa fijoroana vavolombelona amin’ny fahamarinana sy ho voninahitr’i Kristy.

 

15

 Tokony hiaiky isika fa tamin’iny taon-jato lasa iny, dia be tokoa ireo hadisoana niseho teo amin’ireo nikatsaka hiangona araka ny Soratra Masina, ary nahatonga fisaraham-bazana izany. Voasarona tanteraka noho izany ny fahamarinana momba ny Fiangonana ary be ny fanontaniana nipetraka momba ny “fitsitokotokoan’ny fivoriana”. Aiza ho aiza isika izao — momba ireo hadisoana ireo?

 

Tsy vita fohifohy ny fandinihina ireo fanontaniana ireo. Mba hamaliana azy, dia tokony hiverina amin’ny tany am-boalohany isika. Ny nisy tamin’izany dia:

1-       ny mpino tsirairay

2-       ny fiangonana tamin’ny toerana samihafa, tany Jerosalema, tany Antiokia, tany Korinto sns. Ireo fiangonana isan-toerana tsirairay ireo dia nanana ny toetry ny tenan’i Kristy. Raha nanoratra ho an’ny Korintiana i Paoly, dia hoy izy: “Ary ianareo no tenan’i Kristy” (1 Korintiana 12. 27). Tsy hoe ianareo “ihany” no tenan’i Kristy[1] . Ny Fiangonana iray manontolo no tenan’i Kristy, fa ny fiangonana isan-toerana kosa dia samy manana ny toetry ny tenan’i Kristy, na aiza na aiza misy azy. Samy manana ny toetrany sy ny andraikiny koa ny fiangonana, ary azon’ny Tompo dinihina toy ny hita ao amin’ny Apokalypsy 2 sy 3. Raha fintinina, dia samy nanana ny sata nifehy azy ny fiangonana tsirairay.

3-       ny Fiangonana iray manontolo izay misy eto ambonin’ny tany amin’ny fotoana iray voatondro: izy irery ihany no tenan’i Kristy ary tarihin’ny Fanahy iray ihany izy (jereo Efesiana 4. 4).

Mba hahatsotra kokoa ny voambolana ampiasaina, dia antsointsika hoe “mpino tsirairay”, “fiangonana isan-toerana” sy “Fiangonana” ireo zavatra telo ireo

1

Tamin’ny voalohany izany, raha mbola araka ny fisainan’Andriamanitra ny zavatra rehetra, dia tsy nisy zavatra nanana fitsipika ho azy manokana nanasaraka ny mpino tsirairay sy ny fiangonana isan-toerana. Hentitra tokoa ny fanamelohana ny fanandramana nanao fivorian’olona vitsivitsy kokoa noho ny fiangonana teo an-toerana tany Korinto — “Izaho dia an’i Paoly, an’i Apolosy, an’i Kefasy” sns. Marina fa nisy fiangonana nivory tany an-tranon’ny mpino samihafa (jereo Romana 16. 5; Kolosiana 4. 15 sy tsongandahatsoratra hafa). Tsy fantatsika na fiangonana isan-toerana tamin’ny tany nipetrahany ireo, na mpino sasantsasany tamin’ny faritra iray tamin’ny tanàn-dehibe izay nivory teo satria teo no metimety kokoa taminy. Tsy mampiova na inona na inona amintsika izany. Mety ho iray tamin’ireny vondrona ireny ireo izay nivory sy nivavaka “tao an-tranon’i Maria, renin’i Jaona” (Asan’ny Apostoly 12. 12); nefa tsy nanana fitsipika hafa izy fa anisan’ny “fiangonana tany Jerosalema” fotsiny ihany (Asan’ny Apostoly 11. 22). Averina indray: tsy nisy zavatra nanana fitsipika ho azy manokana nanasaraka ny fiangonana isan-toerana sy ny Fiangonana. Voalaza ny momba ny “fiangonana maro tany Galatia”, sy ny “fiangonana maro (na misy sora-tànana milaza hoe fiangonana iray) eran’i Jodia sy Galilia ary Samaria” (Asan’ny Apostoly 9. 31), izany hoe fiangonana iray na maromaro amin’ny faritra iray. Tsy hoe “fiangonan’i Galatia” izay lasa ho ohatra hananganana ny “fiangonan’i Angletera”, na ny “fiangonan’i Ekôsy”, etsetra.

2

Raha nahita ny nisy tany am-boalohany isika ka mijery ny misy ankehitriny, dia soa fa tsy manano-sarotra ny fahitana ny mpino tsirairay, aty amin’ny tanintsika aloha. Fa nihemotra kosa ny fiangonana isan-toerana sy ny Fiangonana momba ny fahamarinana takarina an-tsaina. Na ny andaniny na ny ankilany dia tsy hita azo tsapain-tanana na hita maso, na azo hiankinana. Mety nisy fiangonana isan-toerana tany amin’ireo jentilisa amin’ny toerana iray tamin’ny vao nanomboka ny asa misionera. Nefa na izany aza azo toherina (Jereo “The collected writings of J.N.Darby” boky 20, pejy 448)[2].

Raha tsy mijery afa-tsy ny manodidina antsika isika, dia fantatsika fa nisy kristiana niala tamin’ny vondrona maro sy samihafa tsy manaraka ny Soratra Masina mba hivoriany amin’ny maha-isan’ny tenan’ny Tompo azy , araka ny maha-fiangonan’Andriamanitra azy ary araka ny fitsipika tany am-boalohany. Tamin’ny toerana samihafa, dia azo tsapain-tànana ny vokany: fivorian’ny mpino naorina araka ny modely sy ny fitsipiky ny fiangonana isan-toerana. Nefa ireny fivoriana ireny dia tsy ny fiangonana isan-toerana velively: mbola kely noho izany izy ireny, ary ampahiny ihany foana.

Nihitatra ny fihetsiketsehana; nitombo isa ireny fiangonana isan-toerana ireny, nifandray izy ireo ary nikatsaka ny hankafy ny fifaneraserana sy ny fiombonana azo tsapain-tanana nisy teo amin’izy ireo, nanaraka ny modelin’ny Fiangonan’ny Apostoly, nifampirisika tamin’ny alalan’ny taratasy, sns. Ary toy ny hoe misy mpino mivory amin’ny toerana iray, miasa araka ny fahazavana sy ny fitsipiky ny fiangonana isan-toerana na dia tsy fiangonana eo an-toerana aza izy, dia hita ombieny ombieny, tany Angletera sy tany an-tany hafa, ny mpino miasa araka ny fahazavana sy ny fitsipiky ny Fiangonana, nefa tsy Fiangonana.

Nitombo teny ny zava-nisy nandritra ny fotoana maharitraritra. Nanao ny asany tamin’izay ny fahavalo ka nisy fisaraham-bazana, nitarika fitsitokotokoana, na teo amin’ny fivoriana eo an-toerana izay manaraka ny fahamarinan’ny fiangonana isan-toerana, na teo amin’ny isan’ireo mpino mandeha araka ny fahamarinan’ny Fiangonana, isa izay nitombo kokoa.

Ny vokatry ny fisaritahana sy ny alahelo naterak’izany toe-javatra izany dia nisy nandritra ny taona nanaraka, mpino nitsangana hanohitra ny fironana hoe misy kristiana mikatsaka ny handeha araka ny fahazavana momba ny fahamarinan’ny Fiangonana ; ho azy ireo, dia fanandramana hitazona “fikambanana fivoriana”, sady kely no tsy fantampantatra, ary izany no tena fototry ny korontana. Tamin’izany koa anefa izy ireo dia nanaiky sy nanohana ny “fivoriana eo an-toerana” — na ny marimarina kokoa, ny fivoriana eo an-toerana izay mamoha ny varavarany amin’izy ireo — na ny marina aza dia ny hoe fivoriana toy ny fivoriana rehetra ihany io ao amin’io faritra io, ary ireo fivoriana isan-karazany ireo dia tsy nanana fifandraisana noho ny fisarahana nisy. Milaza izy ireo fa tsy misy ao amin’ny Soratra Masina manambara ny fifandraisan’ny fiangonana isan-toerana sy ny Fiangonana, ka noho izany, tokony ho foanana ny eritreritra hoe misy ny “fikambanana” lehibe kokoa noho ny fikambanana kely misy eo an-toerana izay nantsoina ho “fiangonana”. Raha ny momba ny hoe fanitarana azy indray, ny fivoriana isan’isany sy ny mpino tsirairay ao anaty fivoriana dia tokony hanana ny fahalalahany hamorona ny “fifandraisana” ho azy, na “fiombonana” na “fikambanana”, araka izay heverin’izy ireo ho marina eo anatrehan’ny Tompo.

Raha tsy “fivoriana” kely eo an-toerana no tiana ho lazaina amin’ny hoe “fiangonana isan-toerana” fa tena ny fiangonana isan-toerana mihintsy — izay indrisy fa tsy misy azo tsapain-tanana ankehitriny —, dia marina tokoa fa tsy misy voalaza amin’ny Soratra Masina mampifandray ny fiangonana isan-toerana sy ny Fiangonana. Tsy misy voalaza koa ao amin’ny Soratra Masina mampifandray ny mpino tsirairay sy ny fiangonana isan-toerana, na dia tsy miteny izany mihintsy aza ireo olona miaro ny hevitra dinihintsika eto. Maninona raha velabelarina kokoa izany rafikevitra izany ka aseho tanteraka ny vokany ara-lojika? Ny fisainana hoe ny mpino dia tsy tokony hahazo hamorona fikambanana ekena mazava tsara amin’ny lafiny ankapobeny miaraka amin’ireo kristiana sasany eo an-toerana, mba ahafahan’izy ireo miara-mizotra eo amin’ny fahazavan’ny fahamarinana momba ny Fiangonana, dia tokony hampiarina koa amin’ireo mpino sasantsasany izay mikatsaka ny hivory sy hankafy ny fiombonana mazava tsara amin’ny lafiny isan-toerana, mba hiarahan’izy ireo mizotra amin’ny fahazavan’ny fiangonana isan-toerana. Raha ambara amin’ny teny hafa, io fomba fisainana io dia manosika antsika hilaza fa diso ny hetsika rehetra niseho tamin’ny taon-jato lasa teo iny ary tsy neken’ny Soratra Masina izany.

Raha toa ka maniry ny hankatò ny fampianarana ao amin’ny Soratra Masina isika ka hampihatra izany, nefa tsy manana fahefana handeha araka ny fahazavana momba ny zavatra ankapobeny araka ny fahamarinan’ny Fiangonana, inona no fahefana ananantsika mba hivory, mba hankatoavana izany fampianarana izany sy hampiharana azy, amin’ny fahazavana momba ny tranga mitokana, araka ny fahamarinan’ny fiangonana isan-toerana? Manana ny lanjany io fanontaniana io raha azontsika an-tsaina fa ny toe-javatra isan-toerana dia — raha azo lazaina toy izany — kisendrasendra ihany fa tsy tena fototra. Nomena izany noho ny zava-misy eo amin’ny fiangonana ankehitriny. Rehefa tonga ny Tompo, indray mipy maso fotsiny dia ho foana daholo ny fiangonana isan-toerana, ny Fiangonana ihany no sisa ho tafajanona — ny Fiangonana feno, misy ny mpino rehetra nanomboka tamin’ny Pentekosta ka hatramin’izao. Ny mombamomba azy ankapobeny dia mitoetra foana ary mifandraika amin’ny fikasan’Andriamanitra momba ny mandrakizay.

3

Misy ny hanontany hoe: tsy efa faneken’ny Soratra Masina ny fiangonana isan-toerana ve , izay mety tsy hisy ny mpino rehetra eo amin’ny faritra, ny voalaza ao amin’ny Matio 18. 20? Mino izahay, ary mankasitraka tokoa, fa marina izany. Na dia tsy hoe faminaniana momba ny andro farany aza io tsongandahatsoratra io, dia mino izahay fa niteny ny Tompo mba hananan’ny roa na telo fahefana hivory amin’ny anarany mandritra ireo androm-paharavana miseho amin’ny tsy maha-eo Azy. Fa resy lahatra koa izahay (ary mitovy amin’ny teo ambony ny fankasitrahanay) fa 2 Timoty 2. 22 dia nosoratana mba haneho ny faneken’ny Soratra Masina ho an’ny mpino izay efa nanadio tena, ny hiarahany amin’ireo mpino hafa mitovy fisainana aminy, amin’ny ankapobeny. Tsy momba ny zava-misy isan-toerana no nahatonga io tsongandahatsoratra io. Tsy natao ho an’ny fiangonana isan-toerana iray io lahasoratra io, fa ho an’ny mpanompon’i Kristy iray izay nahazo fanomezam-pahasoavana. Niaina tamin’ny tanàna iray i Timoty — tany Efesosy na tanàna hafa — nefa tsy nomena andraikitra manokana momba ny fiangonana teo an-toerana izy; tsy loholona izy ary tsy diakona. Nanana fanomezam-pahasoavana izy (1. 6), ary ny fanomezam-pahasoavana dia ampiasaina eran’izao tontolo izao fa tsy amin’ny faritra iray ihany. Ny “trano be” ao amin’ny toko 2 (and 20) dia ohatra momba ny nitomboan’ny tontolo kristiana, tsy ho fiangonana isan-toerana fotsiny, fa fiangonana mitonona anarana. Ilay tsongandahatsoratra izany, hatrany amin’ny andininy 22, dia tokony ho raisina ho mahakasika izao tontolo izao fa tsy ny eo amin’ny faritra ihany. Marihina anefa fa amin’ireo tsongandahatsoratra roa ireo, dia misy fepetra apetraka. Ao amin’ny voalohany, dia “amin’ny anarako”, ao amin’ny faharoa kosa dia “amin’ny fo madio”. Natao hijanonantsika handinika ny saina sy ny fanahintsika ireo fomba fiteny roa ireo.

4

Hisy hanontany angamba hoe: ny tianareo hambara ve dia hoe ireo mpino miombona aminareo dia manana fo madio, fa ny hafa tsy manana? Dia ampiana ilay fanontaniana miaraka aminy koa hoe: mihambo ve ianareo hoe ireo izay miara-mivory aminareo eo an-toerana dia mivory amin’ny anaran’ny Tompo? Ny valinteninay dia tsy mihambo ho izany izahay, nefa kosa miezaka mba hanaraka ireo fepetra roa ireo, mandra-piandry ny andro hisehoana eo imason’ny Tompo, ary Izy amin’izay fotoana izay no manapaka hoe tratranay sa tsia ny tanjona. Tsy ireo fanontaniana roa ireo mihintsy no tokony hanakana antsika tsy hikatsaka ny fahamarinana ao amin’ireo andininy roa ireo: izany hoe, handeha araka ny fahamarinan’ny fiangonana isan-toerana sy ny Fiangonana —  ny Fiangonana iray manontolo sy ny fiangonana isan-toerana.

5

Misy hangataka aminay koa hanambara mazava raha mino “fikambanana fivoriana” izahay. Ny valinteninay dia: “tsia, satria mino zavatra lehibe kokoa noho ny fikambanana fivoriana izahay”.

Ny asa nataon’i Paoly tamin’ny taonjato voalohany dia nety nahatonga — ary tena nahatonga mihintsy — ny fiforonan’ny “fikambanana fiangonana kristiana” raha jeren’ny mpandinika tsotra; nefa tsy izany no izy, fa lehibe noho izany no zava-nisy: nampiasaina i Paoly mba haneho mazava ny tenan’i Kristy.

Ny asa nataon’olona tia fivavahana sy nazava saina tamin’ny taonjato lasa teo dia nety nitondra — ary tena nitondra — tamin’ny “fikambanana fivoriana kely” raha jeren’ny mpandinika tsotra; nefa tsy izany no zava-nisy, satria mino tanteraka izahay fa nampiasain’Andriamanitra ireny olona ireny mba hamerenana mpino vitsivitsy ho amin’ny fanekena sy fampiharana ny fahamarinana momba ny Fiangonana, na isan-toerana na ankapobeny. Nandritra iny taonjato lasa iny, dia nety be ny fisaraham-bazana sy ny fisafotofotoana, nefa na izany aza, ny tanjona kendrena ankehitriny dia tsy miova amin’izany ary tsy latsak’izany. Ny faniriana dia ny handeha araka ny fahamarinana, fa tsy ny hamorona na hitazona fikambanana fivoriana tsotra.

6

Raha mitodika any amin’ireo olona izay nilaza fa nanajanona ny hevitra momba ny fikambanan’ny fivoriana indray isika, dia inona no hitantsika? — Tsy afaka ny hiala amin’ireny fikambanana ireny izy, toy ny tsy ahafahany mandositra ny aloky ny tenany raha eo amin’ny masoandro. Miraikitra aminy tanteraka izany. Be loatra ny isan’ny fivoriana, be samihafa loatra izy ireo ka na ny mpino faran’izay malala-tsaina sy manam-potoana indrindra aza tsy afaka ny hanaraka azy rehetra ary tsy maintsy hionona amin’ny “fikambanana” sasany ihany izy. Ny zavatra izay mazava fa navelan’ireny kristiana ireny, dia ny foto-kevitra hoe izay mikasika ny fiombonana dia tokony am-piombonana amin’ny sasany no handinihana azy: mitady vaha-olona samirery izy. Mieritreritra izy fa ny mpino tsirairay no tokony hanapaka ho an’ny tenany — ary tsy mijery raha misy fifanoherana amin’ny fanapahan-kevitra noraisina toy izany — raha toa ka azo ekena ho niangona araka ny fahamarinana ireo kristiana nivory tetsy sy teroa, ary raha afaka miombona amin’izy ireo izy. Araka ny fieritreretan’izy ireo, dia tsy fanapahan-kevitra no tokony horaisina amin’ny fiombonana amin’olona efa mandeha araka ny fahamarinana. Raha misintaka amin’ny lazainy hoe “fikambanana fivoriana” izy dia afoiny ny fanekena ny fahamarinana momba ny Fiangonana iray manontolo sy ny fampiharana izany.

7

Na izany aza anefa, dia fantatray tokoa fa be ny antony ahazoana milaza izao manaraka izao: raha ny marina, dia nihataka be mihintsy tamin’ny fahazahoana sy ny fampiharana ny fahamarinana ianareo rehetra isan’isany, hany ka ianareo rehetra mihitsy no lasa “fikambanana fivoriana” — antoko mifanandrina, samy miaro ny foto-keviny momba ny fahamarinana, na ny zavatra nataony na ny fanapahan-kevitra momba ny fitondrana fivavahana. Raha tena marina izany, dia mazava ny làlana tokony izoran’ny olona manam-pinoana. Tsy maintsy ivelan’ireny fikambanana rehetra ireny izy. Tsy mihambahamba izahay milaza fa raha toa ka mitovy amin’ny voalaza ao amin’ny epistily voalohany ho an’ny Korintiana ny zava-misy, tamin’ny nisian’ny antoko sy fampianarana samihafa eo anivon’ny fiangonana iray ihany, ny mpino izay “ankasitrahana” (11. 19) dia ireo izay nanala ny ratsy (toy ny ao amin’ny toko faha-5) sy mandeha am-pahalalahana miaraka amin’ny kristiana rehetra, ary tena ambonin’izay antoko sy ivelany tanteraka. Ankehitriny anefa dia indrisy fa mampatahotra kokoa ny zava-misy. Ny fisarahana vao niforona tao Korinto dia lasa hantsana lehibe sy lazaina am-pahibemaso, ary na tsy faizin’ny tenin’Andriamanitra aza izany, dia fahotana lehibe tokoa. Ny fankanesana any amin’ny fikambanana rehetra dia fanekena ny fahotana misy eo aminy.

Izahay kosa, na dia tsy miafina aminay aza io loza mitatao io, dia tsy mino fa efa latsaka ambany dia ambany loatra ny rehetra ka tsy hisy afa-tsy antoko mifanandrina; vavolombelon’izany ny fivavahana lalim-paka ao am-pon’ny maro. Koa na dia hieritreritra izany aza izahay, tsy afaka ny hitondra vaha-olana amin’ny famoronana karazana “fiombonana fikambanana”, izay mitovitovy amin’ny hoe fiombonana anarana toy izay malaza ankehitriny. Raha marina tokoa fa ny sasany tamintsika dia nirona tamin’ny zavatra lasa fikambanana fivoriana fotsiny, dia tokony hikatsaka izay hialàna amin’izany isika amin’ny fibebahana, satria ny fibebahana dia manokatra foana “varavaran’ny fanantenana” iray. (Jereo Apokalypsy 2. 5,16,21; 3.3,19). Fa aoka tsy avelantsika ny tanjona hoe handeha araka ny fahamarinan'ny Fiangonana; ny vokatr'izany, eo amin'ny resaka fiombonana, dia ny hanaovan’ny tsirairay izay tsara eo imasony.

8

Farany, manaiky izahay fa noho ny fandehan-javatra mampalahelo nisy nandritra ny folo taona maromaro lasa, dia lehibe mihintsy ny fahafaham-baraka natao tamin’ny fahamarinana sy izay rehetra natao hampiharana izany. Ary noho izany, dia misy tokoa fironana izay miha-mahazo vahana eo amin’ny mpino , mba hikambanana ivelan’ny anarana ara-pivavahana misy , ary mamorona karazana “misiona” na fivoriana isan-karazany, izay matetika vokatry ny asan’ny evanjelista tia fivavahana iray. Manana fifandraisana amin’ny fikambanan’ny kristiana rehetra izay mifandray amin’io evanjelista io ireny fikambanana ireny; nefa izany fifandraisana izany dia goragora ihany amin’ny voalohany. Arakaraky ny fandehan’ny fotoana no maha-mafy azy sy hananany hery. Raha misy azo anaovana izany, dia tokony ho singanina manokana ireny mpino ireny ary ampiana araka izay azo atao. Nefa izay mpanompon’Andriamanitra tia ny fiombonana dia hitandrina tsara eo anoloan’izany toe-javatra izany, toy ny eo anoloan’ny zavatra sasany, mba hanao araka izay azo atao ny asa mifanaraka amin’ny tanjon’ny olona miaraka aminy. Raha manatona izany mpino izany izy, dia tsy ny hampirisika azy ireo amin’ny maha-tsy ara-dalàna sy tsy maha-tanteraka ny toerana misy azy, fa kosa mba hampianatra azy mba hahatonga azy ho tanteraka sy vonona ho amin’ny sitrapon’Andriamanitra rehetra.

 

16

 Misy zavatra iray izay azo tsongaina koa momba ny fihanaky ny fisafidianana ny tsara. Teo anivon’ireo filozofa grika , ny “mpisafidy ny tsara” dia ireo izay nandà ny rafitra ara-filozofia nisy, ary aleony nampiasa ny fomba fitsarany manokana mba hitsongo hevitra hitany fa tsara teo amin’ireo rafitra samihafa ireo. Koa noho izany, araka ny ilazan’ny anarany azy (eklego = misafidy), dia nifidy na nitsongo zavatra izatsy na izaroa tamin’ireo hevitra na tsangan-kevitra amin’ny lafiny ara-pisainana izy, dia nakambany indray izany mba hamoronana rafitra ho azy manokana. Amin’ity lahatsoratra ity, ampiasainay ny voambolana hoe “fisafidianana ny tsara” mba hilazana ny fahavononana ny hitsongo sy hampiray ny olona tena tsara, mba hamoronana fikambanana tena tsara, sangan’olona. Ny tanjona amin’ny famoronana vondron’olona voatsongo izay mendrika ho topaza-maso sy manan-tsaina amin’ny sarambaben’olona tsy misy dikany sy tsy manan-tsaina, izany no holazaintsika hoe “fisafidianana ny tsara”[3], mba hanatsorana ny fomba fitenenana. Izany ve no asian’ny Soratra Masina tombo-kase, fa tsy ny sehatra misy ny Fiangonana?

 

Matoky izahay fa izay olona mahalala tsara ny zava-nisy tamin’ny hetsika nanomboka tamin’ny taonjato farany teo dia tsy hihambahamba hilaza fa roa no vokatra naterany : andaniny, ny fampahatsiahivana sy ny fanazavana ny fahamarinana momba ny toetra, ny maha-izy azy, ny tombontsoa sy ny andraikitra izay anjaran’ny Fiangonan’Andriamanitra ankehitriny, ary koa ny ho aviny; ankilany, nanosika ny mpino hiala tamin’ny rafitra ara-pivavahana maro tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina mba hivory amin’ny fanekena sy fampiharana am-pankatoavana ny fahamarinana izay naverina tamin’ny sainy io hetsika io. Ireo izay milaza ny mifanohitra amin’izany, ka manamafy fa ny tanjona nokendren’ireo rahalahy ireo dia ny hampiray ho tena iray ny olona tsara indrindra sy manam-panahy indrindra izay nisy teo amin’ny tontolo kristiana dia tsy maintsy miondrika manoloana ireo asa soratra vita tamin’izany fotoana izany, ary matoky izany izahay.

Nefa misy zava-dehibe kokoa noho izany: inona no lazain’ny Soratra Masina? Raha ny Soratra Masina no jerena, dia matoky izahay fa ny hany làlana eken’Andriamanitra ho an’ny fanompoam-pivavahana iray amin’izao andro farany izao, dia ny  fiverenana tanteraka araka izay azo atao amin’ny foto-kevitra ifotony sy amin’ny zava-nisy teo am-boalohany momba ny fanompoam-pivavahana. Izay aorin’Andriamanitra dia araka ny heviny foana; noho izany, ny fiatahana na ny fanovàna ny fototra napetrany dia fanimbana izany. Ho setrin’izany anefa, ny zavatra nataon’olombelona tany am-boalohany dia kidramadrama sy tsy tomombana ihany, ka ny fanovàna natao dia nitondra fihatsaràna.

Izay no làlan’Andriamanitra: fanazavana an’izany ny fanompoam-pivavahana taloha. Nolazain’Andriamanitra an’i Mosesy ny heviny, ary tomombana daholo ny zavatra rehetra araka ny fatrany avy. Ny tantaran’i Isiraely anefa dia mampiseho fifandimbiasana fahadisoana; nalefa ny mpaminany mba hampahatsiaro ny olona ny zavatra naorina tany am-boalohany. Ohatra i Jeremia, izay naminany momba ny andro farany niainan’ny fanjakana, dia nilaza hoe: “Mijanòna eo an-dàlana ianareo, ka izahao, ary hanontanio izay làlana masaka hatry ny ela, dia izay làlana mankany amin’ny tsara, ka iny no izory, dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo” (Jeremia 6. 16). Kanefa tsy nety nizotra tamin’izany làlana izany ny zanak’Isiraely, noho izany dia lasan-ko babo tany Babylona izy ireo.

Tatỳ aoriana, dia nisy ny fiverenana avy tany am-pahababoana sy ny dingana samihafa tamin’izany, tamin’ny andron’i Zorobabela, Ezra sy Nehemia. I Kyrosy mpanjakan’i Persia no namoha nidanadana ny varavarana mba hodian’ny Jiosy rehetra. Nasainy nambara fa: “Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Andriamaniny anie homba azy, fa aoka hiakatra any Jerosalema izy” (Ezra 1. 3). Mino anefa izahay fa olona voatsongo no niantefan’io fanambarana io. “Izay rehetra efa nampirisihan’Andriamanitra” no namaly ka niakatra; ary mino izahay fa tamin’ny vahoaka, dia ireo olona ireo no nivavaka indrindra, ary natahotra indrindra an’Andriamanitra. Ilay hetsika anefa dia tsy natao hitsongo olona; fiverenana any an-tanindrazana fotsiny io, amin’ny fahalalana sy ny fampiharana ny lalàna araka ny nanomezan’i Mosesy azy (jereo Nehemia 8. 1-13; 9. 3; 10. 29).

Tatỳ aoriana ihany, dia mbola hitantsika ny fironana ho amin’ny faharavana nisoko miadana teo amin’ireo sisa tavela niakatra avy tany am-pahababoana. Tsy niverina tamin’ny fanompoan-tsampy akory ny zanak’Isiraely, ary tsy tonga dia ninia nandika ny làlana izy. Nankatoaviny ara-bakiteny ny lalàna fa ny heviny kosa nesoriny; tsy nanetry tena teo anatrehan’ny lalàna intsony izy, fa vao mainka faly sy nirehareha satria nanana ny lalàna. Izany no toe-javatra mahamenatra nokianin’ny mpaminany Malakia. Nefa na tamin’izany fotoana izany aza, dia nisy ihany sasantsasany natahotra an’i Jehovah (Malakia 3. 16). Sisa tavela tao anatin’ny sisa tavela izy ireo. Fa ny fampirisihina nomena azy ireo dia ity: “Tsarovinareo ny lalàn’i Mosesy mpanompoko, izay nandidiako azy tao Horeba ny amin’ny Isiraely rehetra, dia ny didy sy ny fitsipika” (Malakia 3. 22). Nasaina niverina tamin’ny tenin’Andriamanitra rehetra izy, izay nomena an’i Mosesy tany am-boalohany, ary hampahatsiahivina izy fa ny tenin’Andriamanitra rehetra dia ho an’ny vahoakan’Andriamanitra tsy an-kanavaka, fa tsy ho azy irery ihany. Izay no fara-tenin’Andriamanitra momba ny fanompoam-pivavahana taloha, ary tsy tapaka ny fahanginana momba izany raha tsy re tany an’efitr’i Jodia ny feon’i Jaona mpanao batisa. Mazava izany fa ny làlan’Andriamanitra raha mifarana ny fomba fanompoam-pivavahana iray dia ny fiverenana amin’izay nisy tany am-boalohany.

Zavatra mitovy amin’izany ihany no hitantsika ao amin’ny Testamenta Vaovao, mba ho fampianarana antsika, indrindra fa ny epistily farany nosoratan’ny apostoly telo. Amin’ny teny nataony hanaovam-beloma an’i Timoty, dia hoy i Paoly: “Ilay zavatra tsara natolotra anao dia tehirizo amin’ny fampaherezan’ny Fanahy Masina, Izay mitoetra ao anatintsika” (2 Timoty 1. 14); ary ao amin’io epistily io ihany izy no manamarika fa “ny soratra rehetra” dia fiarovana ho antsika. Hoy kosa i Petera: ny epistily roroa dia “entiko mampifoha ny sainareo madio amin’ny fampahatsiarovana, mba hahatsiarovanareo ny teny voalazan’ny mpaminany masina rahateo sy ny didin’ny Tompo sady Mpamonjy izay nentin’ny apostoly” (2 Petera 3. 1-2). I Jaona indray dia milaza amintsika “izay hatramin’ny voalohany” ary hoy izy: “Ary ny aminareo, dia izay efa renareo hatramin’ny voalohany no aoka hitoetra ao anatinareo. Raha mitoetra ao anatinareo izay efa renareo hatramin’ny voalohany, dia hitoetra ao amin’ny Zanaka sy ny Ray kosa ianareo” (1 Jaona 2. 24). Mampitandrina koa izy hoe: “Izay rehetra mitarika nefa tsy mitoetra ao amin’ny fampianaran’i Kristy dia tsy manana an’Andriamanitra” (2 Jaona 9).

Eto koa, dia matoky izahay fa amin’ny ankapobeny, dia ny olo-masin’Andriamanitra izay mazava saina indrindra sy tia fivavahana indrindra no ahatakatra ny sitrapon’Andriamanitra sy ny zava-nolazainy momba ny Fiangonany, ary izy ireo no hamaly izany. Matoky izahay fa ireo nahalala sy nankatò ny fitsipika nomena ao amin’ny 2 Timoty 2. 16-26 no manam-panahy indrindra amin’ny kristiana; nefa ambikambiny ihany izany, fa tsy izany no tena zava-dehibe amin’io hetsika resahantsika io. Ny tena votoatin’io hetsika io dia ny fisarahana ho amin’ny fahamarinana, ny finoana sy ny fihavanana, miaraka amin’ireo rehetra izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio. Ny fahamarinana aloha dia ny manome ny toerana ambony indrindra sy manam-pahefana tokony ho azy, an’Andriamanitra sy ny Teniny. Ny finoana dia mikasika ny sitrapo rehetra sy ny fampianarana rehetra nasehon’Andriamanitra. Raha ny votoatiny, dia tsy hetsika manandrana hampiray ny mpino rehetra manana saranga ambony amin’ny fiainana ara-panahy sy ny fahaizana, na dia mety ho izany aza no nitranga, io hetsika io. Hetsika mifanaraka amin’ny fahamasinan’Andriamanitra io, mba hisian’ny zavatra hita maso azo alain-tahaka. Azo atao ny mikatsaka ny hankatò ny sitrapon’Andriamanitra rehetra izay efa nasehony, satria izany no fahamarinana ampiharina.

Apetrakay mazava ary izao fanontaniana izao: raha mivory amin’ny anaran’ny Tompo isika miaraka amin’ireo mpino hafa, tokony hieritreritra ve isika fa fikambanan’olona voatsongo isika, miray noho ny fomba fiasa sasantsasany sy fanapahan-kevitra ara-pivavahana, sa noho ny fijoroana vavolombelona izay heverintsika fa nankinina tamintsika, noho ny toetrantsika izay heverintsika fa ambony kokoa noho ny an’ny sasany, ka ananantsika toetra ara-panahy ambony kokoa? Sa mivory isika satria mpino sasantsasany tia ny anaran’ny Tompo, mikatsaka ny hametraka ny fahefany ary handeha amin’ny fankatoavana mba hampiharana ny fahamarinana rehetra — ary mametraka ny tenantsika eo amin’ny sehatry ny fahamarinan’ny Fiangonana — mandra-piaviny?

Tsy fanontaniana teolojika na ara-pianarana fotsiny izany. Misy zavatra atao andavanandro tena mifandraika amin’izany. Ny fomba fitondrantsika tena sy ny fiasantsika amin’ny maha-fiangonana antsika dia miankina amin’ny valin’izany. Ny fisainan-diso momba io no nahatonga hadisoana betsaka taloha — ary mampalahelo izany.

Amin’ity lahatsoratra fohy ity, dia tsy afaka mamelabelatra tanteraka ny vokatr’izany rehetra izany isika. Zavatra iray loha ihany no ndeha hotsipihintsika, dia ny fifehezana, satria io no manazava amin’ny fomba manaitra tokoa ny fahasamihafana misy amin’ireo fanapahan-kevitra roa nodinihintsika teo ireo. Betsaka ny fitsipika hitantsika ao amin’ny epistily momba io loha-hevitra io. Didiana ny hisian’ny fifehezana amin’ny ambaratonga samihafa amin’ny fahenterany, ary mety ho tonga hatrany amin’ny fanesorana aza izany. Nefa efa farany vao ampiharina io, ary porofo io fa tsy nandaitra ny fifehezana ara-bakiteny.

Hatramin’ny niandohan’ny tantarany, dia nisy fahalemena teo amin’ny Fiangonana; ary tsipihin’ny epistily tsara fa ny fiangonana naorin’i Paoly dia tsy modely amin’ny tokony ho fiangonana. Tao amin’izy ireo, dia betsaka ny “zaza bodo”, ny olona “ara-nofo”, ny kristiana vizan-tanana ary mety ho entin’ny tongony hivily làlana. Ary mbola ratsy noho izany aza, nisy teo anivon’izy ireo “olona mibedibedy foana tsy mahasoa”, olona izay mitory an’i Kristy “amin’ny fitsiriritana sy fitiavana hiady teny”, mpampianatra mifikitra amin’ny maha-jiosy azy izay mirona hitarika ny olona amin’ny fanandevozana. Ka ho mahagaga ve raha vao tsy ela akory, raha nivory araka ny fiangonana ny kristiana sasantsasany, dia niseho tsy ela izany toe-javatra izany teo anivony? Inona izany no tokony atao?

Tsy sarotra ny mamaly izany ho an’ireo izay “nisafidy ny tsara”. Mazava toy ny atoandro be nanahary ny valiny. Na iza na iza tsy manaiky ny fanorenana nataony ho an’io fikambanana “misafidy ny tsara” io, dia mpanelingelina ka, raha azo atao, dia tokony esorina. Ity misy rahalahy iray izay tsy afaka ny hanaiky asa natao na fanapahan-kevitra momba ny fivavahana, ary ao am-pony ao, dia voatery mandà izany. Tsy avela hiombona amin’ny rehetra intsony izy, na dia vonona ny hilefitra aza, satria efa voalazany ny zavatra tsy tiany. Na indreto koa misy sasany izay tsy afaka hanaiky fa ilay sori-mpampianarana tena malaza dia tsy famelabelarana tsara sy mitombina ny fahamarinana araka ny Soratra Masina. Koa satria ilay fikambanana “notsongaina” dia manaraka io sori-mpampianarana io, dia tsy hitsahatra izy raha tsy voaisotra avy “tao anatiny” ireo olona ireo ka halefa “eny ivelany”. Noho izany, amin’io rafitra “mifidy izay tsara” io, ny fanesorana no lasa vaha-olana amin’ny aretina rehetra — na amin’ny fomba mahitsy na an-kolaka. Raha tsy manaiky tanteraka ny rafitra misy ao aminy ianao, dia any ivelany ny toeranao. Izany rehetra izany dia toy ny zavatra tena tsotra tokoa ary ny fijery azy avy etỳ ivelany dia toa fahamasinana sy fitadiavana fahamasinana hentitra mihintsy. Tsy misy fanazaran-tena tokony atao. Tsy misy olona hitakiana faharetana. Tsy misy fanehoana ny fahasoavan’i Kristy na kely aza. Ny maha-zava-dehibe ny tsirairay no indraindraina ary miasa malalaka ny sitrapon’ny tsirairay ao amin’io rafitra “mifidy izay tsara” io.

Tsy mahagaga ary raha tafalentika lalina ao an-tsain’ny maro ity “fisafidianana izay tsara” ity ary ny sasany aza tsy afaka ny hankafy zavatra hafa intsony.

Nefa ho an’ireo izay mivory eo amin’ny sehatry ny Fiangonana, tsy dia tsotra toy izany ny olana. Ny votoatin’ny hevitr’izy ireo dia ny fankatoavana ny fitsipiky ny Fiangonana. Ny Fiangonana anefa dia toerana izay hanjakan’Andriamanitra ary hiasan’ny Fanahin’Andriamanitra (jereo 1 Korintiana 12. 4-8). Eo ny Tenin’Andriamanitra, izay nomena tamin’ny tsindrimandrin’ny Fanahy Masina, no manapaka sy mandidy (jereo Asan’ny apostoly 15. 13-29: “Simeona efa nanambara… mifanaraka amin’izany ny tenin’ny mpaminany, araka ny voasoratra hoe… koa dia izao ny hevitro… dia sitrakay, rehefa nifanara-kevitra”). Io no toerana tsy ananan’ny sitrapon’ny olombelona laka, fa ny sitrapon’Andriamanitra izay nambara tamin’ny Teniny ihany no zava-dehibe; koa ny fampiharana fifehezana henjana kokoa noho ny ampianarin’ny Soratra Masina dia tsy azo ekena mihintsy. Ny fanontaniana tokony hipetraka dia tsy hoe: Inona no mety ho an’ity fikambanantsika izay ara-panahy sy ara-tsaina ity (araka ny eritreritra)? Fa hoe kosa: Inona no mety ho amin’ny tranon’Andriamanitra izay misy antsika ary izay katsahantsika izorana araka ny fitsipiny? Ny fanazavan’ny tenin’Andriamanitra ihany no ahitana ny valin’izany.

Ny fitiavana hanaraka izany soritra izany dia mitaky fanazaran-tena lalina mba ahaizana mampihatra tsara izay lazain’ny Soratra Masina. Matetika dia mitaky ny faharetan’ny tsirairay izany, satria hisy toe-javatra izay tsy ahitantsika fitsipika mazava nomen’ny Tompo, izay milaza amintsika ny tokony atao. Ny fahendrena izany dia ny miharitra aloha, ary matoky tanteraka ny Tompo, mba hampisehoany ny tànany amin’ny fomba isan-karazany, toy izay handray ny lalàna eo an-tànantsika dia hiasa tsy misy Azy. Ilaina mandrakariva ny fahasoavana. Ho tarihina hahatsapa ny maha-tsinontsinona azy ny tsirairay ary esorina izay mety ho sitrapon’ny tena manokana. Satria, raha zohiana, avy aiza moa ny fahefana ahazoana mampihatra ny fifehezana ao an-tranon’Andriamanitra? Avy amin’Andriamanitra irery ihany. Na aiza na aiza hivoriana amin’ny anaran’ny Tompo, dia ao no misy fahefana (Matio 18. 18-20), nefa tsy afaka ny hanao zavatra amin’ny Anarany isika raha tsy tarihin’ny Teniny.

Ny toe-tsaina “fifidianana izay tsara” io dia niasa maika loatra teo amin’ireo toerana nisy mpino matahotra ny Tenin’Andriamanitra nefa tsy sahy nandroso, satria tsy nanana fahefana hanao izany. Tsy maintsy navotana ilay fikambanana, na ny foto-keviny, na ny fijoroana vavolombelona nasehony, hany ka tsy maintsy hentitra, araka ny fisainan’izy ireo. Ary raha tsy nisy fahazoan-dàlana avy amin’ny Tompo mba hihetsehana, dia mahita tsongandahatsoratra izy ary mampanaiky izany na dia lavitra dia lavitra na maizina mihintsy aza ny fifandraisan’izany amin’ny toe-javatra misy. Koa tsy voatanisa intsony ny fotoana izay nampiasana ny atao hoe fifehezana ao amin’ny tranon’Andriamanitra mba hanaovan-javatra ho an’ny tena na ho an’ny antoko fotsiny — ary fahotana lehibe izany. Fa ny toe-tsaina izay manao izany dia tsy inona fa fanavakavahana tsotra sy efa mahazatra fotsiny, saingy nafenina tao anaty zavatra tena feno hambo.

Na dia vitsy sy malemy aza ny mpino mivory amin’ny fahamarinana eo amin’ny sehatry ny Fiangonan’Andriamanitra, dia mizotra araka ny fahamasinan’ny tranon’Andriamanitra izy, araka ny ohatra izay nomena tao amin’ny teniny sy izay nampianarina azy. Na izany aza anefa, ny fony sy ny fitiavany dia tsy misaraka mihintsy amin’ny Fiangonan’Andriamanitra iray manontolo. Manaiky izy fa i Kristy no Lohany any an-danitra, ary ny Fanahy no Fahefana etỳ an-tany, ary fantany fa raha te-“hanavotra” izay an’Andriamanitra izy, dia tsy nantsoina hihoatra ny fitsipika napetraky ny Tenin’Andriamanitra (jereo 2 Timoty 3. 16, 17). Raha ny marina, ny laharam-pahamehana aminy dia tsy ny “hanavotra” foto-kevitra iray na “fijoroana ho vavolombelona”, satria fantany fa hatrany am-boalohany, dia hain’ny Tompo ny mitàna ny foto-keviny sy miaro ny fijoroana ho vavolombelona nandritra ny taon-jato nifandimby. Fantany fa hataony hatramin’ny farany izany, ary izay ihany no zava-dehibe amin’izy ireo. Ny tokony hiezahany — ary izany no hataony — dia ny hankatò ny tenin’Andriamanitra rehetra, ny fahamarinan’Andriamanitra rehetra; satria izany fankatoavana izany no antoky ny famonjena, na ho azy manokana na ho an’ireo izay mihaino azy (jereo 1 Timoty 4. 15,16)

Enga anie isika ka ho afaka hiteny toy ny mpanao salamo hoe: “Jehovah ô! tsy nirehareha ny foko, ary tsy niandranandrana ny masoko;ary tsy nisaintsaina izay zavatra ambony loatra aho, na izay saro-pantarina tsy takatro” (Salamo 131. 1). Misy mihitsy ny zavatra lehibe loatra, ambony loatra (na mahatalanjona) ho antsika. Tazonin’Andriamanitra eny an-tànany ireny ary tsy nomeny antsika. Manohy ny asany ihany Izy. Tarihiny ny fijoroana vavolombelona ho Azy ary havotany izany raha ilaina. Izy no mametraka sy mitondra ireo mpanompony. Raha ny olombelona, na dia tsara aza ny fikasany, no mianatra manao izany asa izany, asa izay tsy nangatahina taminy, dia tsy maintsy diso foana izy any am-parany ary mibaribary izany amin’ny zavatra tiany atao.

Ny asa niantsoana antsika dia tsy be hambo toy izany, fa azo tsapain-tànana kokoa: dia ny hizotra amin’ny fankatoavana ny fihevitr’Andriamanitra izay naseho tamintsika. Navela etỳ an-tany isika mba hankatò ny fahamarinana. Ampy ho antsika ny maha-lehibe sy ny mahatalanjona izany fahamarinana izany. Ao amin’i Kristy no nanehoana ny fahamarinana rehetra, hany ka Izy no fahamarinana. Ny Fanahy izay nomena antsika mba hahalalantsika sy hankatoavantsika ny fahamarinana dia ny Fanahin’ny fahamarinana. Enga anie ka mba omena antsika ny fahasoavana hahay hampihatra ny herim-panahy nomena antsika  ho amin’izany làlana izany !.

 



[1] Ny lahasoratra ifotony dia tsy misy ny mpanoritra hoe “no”, izany hoe manipika ny toetra (manana io toetra maha-tenan’i Kristy io ianareo) fa tsy hoe tenan’i Kristy (ny fiangonana tsirairay dia tsy tenan’i Kristy; iray ihany ny tena) (fanamarihan’ny mpandika)

[2] (Na pejy 296, 297 ao amin’ny boky vao natonta) “Ampiako fa na dia miangona aza ny kristiana rehetra amin’ny toerana iray, ary (raha tomombana ny zava-drehetra) dia tokony hamorona ny fiangonana isan-toerana izy amin’izay, tsy hiantso azy amin’izany anarana izany aho, satria tsy ny fiangonana rehetra no tafangona, ary tsy mino fiangonana mahaleo tena aho. Mino aho fa taloha, dia nisy ny fiangonana teo an-toerana misolo tena — raha azo lazaina izany — ny fiangonana eo amin’ny faritra misy azy; nefa tsy izany mihintsy intsony ny zava-misy amin’izao fotoana izao” (Fanamarihan’ny mpandika)

 

 

[3] Afaka nilaza koa ny mpanoratra hoe “ fifidianana tsangan’olona” (Fanamarihan’ny mpandika)