[ Page principale | La Bible | la Foi - l'Évangile | Affermissement | Défense de la foi | ]

 

 

Môrmôna ve ianao mialoha ny namakianao an’ity trakitra ity… Fantaro fa voafitaky ny Devoly ianao. Mibebaha eo anatrehan’ Andriamanitra ary italahoy ny famelan-keloka.

                                           

                                         

                                                     « Pourquoi je ne suis pas Mormon ? 

 

 


·          Inoako fa ny Baiboly no milaza ny manontolon’ny fanambarana

ataon’Andriamanitra amin’ny olona. Mandŕ ankitsirano ny Môrmônisma anefa io Baiboly io.

 

·          Inoako fa maty noho ny fahotako i Jesoa Kristy (fa tsy noho ny 

fahotan’i Adama irery ihany), ary natsangana ho fanamarinana         ahy.

 

·          Nangataka tamin’Andriamanitra aho, dia tamin’ilay Ray

mandrakizay, tamin’ny anaran’i Kristy, raha marina ireo zavatra voalaza, ka tamin’izany no nampiharihariany tamiko ny fahadisoany, (bokin’i Môrmôna – Moroni 10.4).

 

 

Ny amin’ireo boky kanônika

 

Sasin-teny

 

Milaza ireo Môrmôna fa « misy zavatra marobe voatondro mazava kanefa nesorina tsy ho ao amin’ny Baiboly » (bokin’i Môrmôna , Néphi 13.26-29), noho izany tsy ny Tenin’Andriamanitra akory io Baiboly anananao io (ampitahao amin’ny « Doctrines et alliances –‘Foto-mpampianarana sy Fanekena -  45.60 sy ny 124.89, ary ny « l’article de foi » - ‘Ny ivon’ny finoana’ - n°8). Noho izany, soloy BAIBOLY VAOVAO io Baibolinao io ; soloy an’ilay Baiboly voadika tamin’ny alalan’ny fanehoana an’ireo takelaka nisy ny Tenin’Andriamanitra tany am-piandohana ka efa very tsy hita intsony,

dia ampio ny BOKIN’I MORMONA izay mirakitra ny « manontolon’

ny filazantsara mandrakizay (« Perle de Grand Prix – ‘Vatosoa saro-

bidy’ – Joseph Smith 2.34), ary fenoy amin’ny boky « DOCTRINES

ET ALLIANCES » - ‘Foto-mpampianarna sy Fanekena’– sy ny

« LA PERLE DE GRAND PRIX » - ‘Vatosoa Sarobidy’ - Rehefa

feno ireo dia anananao ireo boky 4 mandrafitra ny asasoratra kanônika ampiasain’ny Môrmôna (« L’Etoile » - ‘Ny Kintana’ -  nivoaka tamin’ny Sept.76, pejy faha-3).

 

I.- Baiboly vaovao

 

Fanamarihana : toy ny tamin’ireo hafa rehetra dia fanambarana mivantana ihany koa no niseho teto. Ny Tompon’ny Môrmôna no nilaza hoe : « Mandidy anao aho (ry i Joseph Smith), amin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana nomena anao,  hanampy amin’ny  fanazavana an’ireo ampahany amin’ny Soratra Masina nosoratako izay zary niafina noho ny fanjakan’ny tsy fahamarinana. » (« Doctrines et alliances » 6.27).

Izany ihany koa no antony nanaovan’i Joseph Smith « fanovana an’arivorivony…, andininy 128 fara fahakeliny no nanampy tao amin’ny Testamenta Vaovao ary 1475 no novaina. An’arivorivony toy izany koa ireo andininy novaina sy nanampy tao amin’ny Testamenta Taloha. Manilika ny bokin’ny Tononkiran’i Sôlômona iray manontolo ho tsy avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra izy… ny fampianarana fototra mihitsy no miova indraindray hany ka manolana tanteraka ny heviny… » (« L’Etoile », Aprily 1965, pejy 113-114).

Tsetsatsetsa tsy aritra : tsy manaparitaka mihitsy an’ity Baiboly nasiam-panitsian’i Joseph Smith ity (izay mifanohitra amin’ireo fanambarana voafaritra mazava tsara : « Doctrines et Alliances » 93.53 sy ny 124.89) ny fiangonana Môrmôna ôfisialy. Ny Matio 24 sy ilay antsoina hoe «Bokin’i Mosesy »,  vakoka napetrak’ireo tany aloha kanefa dia tsy mifanaraka akory amin’ny daty voalaza ho nitrangany ny zavatra raketiny, izay hita ao amin’ny « Perle de Grand Prix », ihany no aeliny. Kanefa, mialoha izany rehetra izany, tsy ampy angaha moa ireo boky sisa hafa ?

 

II.- Ny bokin’i Môrmôna

 

a)       Ny anjely Moroni

« Tonga ny  fotoana izay hiarahako (ny Tompon’ny Môrmôna izany) misotro aminao ny vokatry ny voaloboka ety an-tany, sy miaraka amin’i Moroni izay nalefako tany aminareo hanambara ny bokin’i Môrmôna. » (« Doctrines et Alliances » 27.5)

 

Kanefa

 

Rehefa fantatra fa maty tany ho any amin’ny taona 400 i Moroni, dia tsapa fa fifandraisana amin’ny maty no resahina eo, izany hoe famohazana angatra, satria tsy ho hita vatana mihitsy ny maty fa ireo demony no miseho maka ny endriny.

 

b)       Ireo vavolombelona

« HITANAY… ireo takela-by mirakitra ny tantara voalahatra araka ny taona nisehoany… azonay antoka ny tena fisiany, ary mijoro vavolombelona izahay fa nahita ny soratra voasikotra  teo amin’ny takelaka. » (Fijoroana vavolombelona nataon’ireo vavolombelona telo : Olivier Cowdery, David Whitmer, Martin Harris.

 

Kanefa

 

Raha nanontany an’i Martin Harris i John Alonzo Clark avy any Palmyra, ao New York, raha nahita ny takela-by tamin’ireo masony roa « tahaka ny ahitany an’izao penina ety an-tanako izao » izy, dia hoy ny navaliny « marina tokoa fa tsy nahita ny takelaka tahaka izao ahitan’ny masoko ny penina izao aho, fa tamin’ny mason’ny finoana no nahitako izany. » (Taratasy ho ana Môrmôna anankiray ; Zuck)

Mialoha ny hinoany izany fijoroana vavolombelona izany anefa, dia henoy anie izay hiheveran’ireto Môrmôna ireto ihany an’ireo vavolombelona ireo e !

« Henoy aho, hoy ny Tompo (Tompon’ny Môrmôna) Andriamanitrareo, noho ny amin’i Olivier Cowdery mpanompoko. Tsy fahendrena raha izy irery ihany no anankinako ny fitondrana an’ireo didiko, sy ny vola hoentiny any an-tanŕnan’i Ziona, fa aoka hisy olona mahatoky iray hafa hiaraka aminy » (« Doctrines et Alliances » 69.1).

“ Niaraka tamina andian-jiolahy mpisoloky, mpangalatra, mpandainga,

ary niray tsikombakomba tamin’ny asa ratsy isankarazany … i Olivier Cowdery sy i David Whitmer ”  (nalaina tao amin’ny taratasy milaza fandroahana nataon’i Sidney Rigdon, ary nosoniavin’ny Môrmôna

miisa 80).

« Zavatra iray loha no fantatsika : misy ny amboadia mitafy hodi-janak’ondry… Tsy mendrika ny hampifantohana loatra ny saina… ry i Granny Parish sy ireo maro hafa, toa an-dry i Martin Harris  na dia niasa toy ny mpanompo aza. Loza mitatao ho an’ny olona ny fandraketana an-tsoratra ny momba azy ”  (Joseph Smith – Gazetin’ny Môrmôna « l’Elders Journal »). Vavolombelona toa inona loatra re izany e ! Iry voalohany tsy mahatoky, ity faharoa mpamitaka, ary ilay farany tsy mendrika…

 

d)       Egyptiana nohavaozina

« Nankany New York aho (Martin Harris) ary nampiseho an’ireo

tarehin-tsoratra, izay voadika tamin’ny tenin-dry zareo, tamin’ny profesora Charles Anthon, lehilahy iray fanta-daza eo amin’ny sehatry

ny soratra. Nilaza ny profesora Anthon fa marina tokoa ny dika  teny, ary tsara lavitra noho ireo dika teny egyptiana rehetra hitany tany aloha. Nasehoko azy indray, rehefa izany, ireo tarehin-tsoratra tsy mbola voadika. Nilaza izy tamin’izay fa tarehin-tsoratra egyptiana ireo, kaldeana, asyriana ary arabo, ary dia nilaza izy fa tena tarehin-tsoratra marina sy ara-dalŕna ireo » (« la Perle de Grand Prix » - Joseph Smith 2.64).

 

Kanefa

 

Henoy izay nolazain’io profesora Anthon io ihany tamin’ny 17 Febroary 1834 : « … raha mijery an’ireto taratasy ireto aho dia hitako fa fitaka sy soloky ihany izy ireto, fandrebirebena… tsaroako tsara fa zavatra hafa no noraketin’ireo taratasy fa tsy ireo tarehin-tsoratra egyptiana miendrika kisarisary… mangataka aminareo aho mba hanaparitaka haingana dia haingana an’ity taratasy ity ary ataovy izay hahitanareo indray ny anarako nampiasain’ireny mpikiry biby amin’ny tsy antony ireny. »

 

e)       Boky tsy feno

Nilaza tamiko i Moroni fa misy boky iray miafina voasoratra amin’ny takela-bolamena… Nambarany ihany koa fa ny manontolon’ny filazantsara mandrakizay no raketin’izy io, dia izay nomen’ny Tompo (Tompon’ny Môrmôna), tsy nisy nanombinana, an’ireo mponina fahiny » (« La Perle de Grand Prix » - Joseph Smith 2.34).

 

Kanefa

Nisy nangalatra ny 116 tamin’ireo asasoratra, ary nilaza ny Tompo (Tompon’ny Môrmôna) ny tsy hamerenana ny fandikana azy ireo ndrao hisy hilaza hoe zavatra hafa tsy mitovy amin’ny teo aloha izy ireo ! (« Doctrines et Alliances 10.30-31). Tsy maintsy nianina tamin’ny  3/4n’ny manontolon’ny filazantsara mandrakizay izany ny Môrmôna !

 

f)        Fiandohana tena marina

(Taratasy nosoratan’i Mathilda Davison nivoaka tao amin’ny Gazetin’i Boston ny 18.5.1839)

 

« Nahazo mari-pahaizana tao amin’ny kolejin’i Darmouth i Salomon Spaulding vadin’ny fahatanorako. Fatra-mpankafy tantara izy… taoriana kelin’ny nahatongavany tany Salem dia narary izy ka voatery nampiato ny asany rehetra. Nahitana manda bebe ihany tao amin’ity tanŕna ity, izay heverin’ny rehetra ho ny sisa tsy rava tamin’ireo trano lehibe sy ny manda fiarovan’ireo razambe tany aloha… Koa satria olona avara-pianarana sy liana tamin’ny tantara i Spaulding dia naha-liana azy ny hikaroka ny amin’ireo rakitry ny ela ireo, na ny ho fanomezana fahafaham-po ny faniriana mirehidrehitra ao anatiny sy ny nofinofiny ihany aza. Nisaintsaina ny hanao ny vangovangon-tsarin’io rakitry ny ela io izy. Nitarika azy hanoratra tamin’ny fomba fanoratra tranainy ny fahatsapany ny tena maha fahagolan-tany ny zavatra hitany. Koa satria ny Testamenta Taloha no boky antitra indrindra manerana izao tontolo izao, dia ny fomba fanoratra tao amin’io no nalainy tahaka, araka izay  azony natao. Ho fialam-boly sy ho fanomezana aina indray ny manodidina azy no tena tanjony tamin’izany. Tany ho any amin’ny taona 1812… noraisina ho toy ny asa nosoratan’olona anankiray avy amin’ny firenena efa tsy re intsony, ary hitany indray taty aoriana, io zavatra nataony io, ka nampitondraina ny lohateny hoe « Asasoratra hita indray »… Koa satria voafehiny  tsara ny fomba fanoratra sy ny tantara tranainy dia mora taminy ny nampiditra tao amin’ny tantara  nosoratany anaran-tsamirery maromaro, izay voamariky ny vahoaka ka nalaza vetivety. Nanana rahalahy an’i John Spaulding i Salomon Spaulding, izay niara-nonina taminy tao amin’io toerana io ihany. Fantany tsara ny fisian’io asasoratra io… Nifandray akaiky tamin’i Patterson mpanonta gazety i Spaulding tao Pittshburgh. Nasehony azy ny asa vita sora-tanana nataony… Nifandray tamin’ny  trano fanaovam-pirintin’i Patterson i Sidney Rigdon, izay olo-malaza teo amin’ny tantaran’ny Môrmôna, tamin’izany fotoana izany, ary fanta-daza tao amin’io faritra io izany zavatra izany. I Rigdon izy tenany mihitsy moa no milaza matetika fa efa tonga teny am-pelatanany ny asa vita sora-tanan’i Spaulding ka izy no nandika izany. Tsy takona nafenina fa nahafantatra izany avokoa izay rehetra nanana fifandraisana tamin’io trano fanaovam-pirinty io… Tamin’ny 1816 i Spaulding no maty.  Tonga tsy nahy teny am-pelatanako ilay asasoratra  ary natao tsara tahiry… Taorian’ny nivoahan’ny bokin’i Môrmôna dia nentina tany New Salem ny iray tamin’ny dika mitovin’io boky io… Poa toy izay dia nielipatrana tamin’ireo mponina ny fizarŕna izay nisy resaka tantara tao amin’io boky io, dia tahaka ny nampahalaza teo aminy ihany koa ny asasoratr’i Spaulding efa nahaliana azy tany aloha elabe. Nahalala tsara ny asasoratry ny rahalahiny i John Spaulding… Noho io bokin’i Môrmôna io voasoratra tamin’ny endrika tranainy dia nampiasaina tsy tamim-pihambahambana izany asasoratra tsy tena marina izany. Natovana tao ihany koa moa ireo tantara foronina nampiasana teny notsoahina tao amin’ny Soratra Masina. Dia io no navadika ho Baiboly vaovao. Nomeny an’ireo mpanaraka azy izany ary nambarany ho toy ny avy amin’Andriamanitra.»

 

 

Notantaraiko izany zavatra izany… mba hanampy amin’ny fitadiavana izay tena loharano nipoiran’ity asasoratra fahagola ity sy ny maha fitaka bevava azy, ka hampibaribary ny fahadisoan’ireo mpanoratra sy ny tokony hankahalana azy. »

 

III.- Foto-mpampianarana sy Fanekena

(- “Doctrines et Alliances” -)

 

Misy filazana vitsivitsy ireto, izay notsoahina avy amin’ireo fanambarana nataon’i Smith, ahitana taratra ny hevitra mahadikidiky raketiny :

 

« Mandidy anao aho ry i Martin Harris (mba tsy hahatonga ny fahaverezana mandrakizay) tsy hanao am-pihi-mamba an’ireo fanananao, fa atolory ho fanatevenana ny asa fanontana an’ireo bokin’i Môrmôna izany, satria io no mirakitra ny fahamarinana sy ny Tenin’Andriamanitra, … omeo… izay rehetra ankoatra ny ilainao ao amin’ny fiainan-tokantranonao » (« Doctrines et Alliances » 19.26, 34).

(Fanamarihana : i Harris no mpanankarena indrindra tamin’ireo mpiara-miasa tao, tamin’izany fotoana izany).

 

« Tiako raha i Martin Harris mpanompoko no ho modelin’ny Fiangonana rehetra amin’ny fametrahana ny volany eo anoloan’ny evekan’ny Fiangonana » (« Doctrines et Alliances » 58.35-36).

 

Kanefa

 

« Aoka i Joseph (Smith) mpanompoko tsy hahafoy ny fananany ndrao misy fahavalo hitady  hamely azy » (« Doctrines et Alliances » 132.57)

 

 

IV- VATOSOA SAROBIDY

         (-“ La Perle du Grand Prix” -)

 

 

a)       Ny bokin’i Mosesy

 

« Niantso an’i Adama raintsika Andriamanitra… ka nilaza taminy hoe : raha vonona ianao ny hibebaka amin’ireo helokao rehetra ka vonona ny hatao batisa, na anaty rano izany na amin’ny anaran’ny Zanaka lahitokana, izay feno fahasoavana sy fahamarinana, dia i Jesoa Kristy, Ilay anarana tokana ety an-tany nomena an’izay hiavian’ny famonjena… dia handray ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Fanahy Masina ianao ka hangataka ny zavatra rehetra amin’ny anarany, ary izay rehetra angatahinao dia ho azonao avokoa. » (Mosesy 6.52).

Rehefa mamaky ny zavatra toy izany dia toa tsy mahagaga ny mahita ny efa fampiasana sahady ny tondroavaratra tany amin’ny taona arivo anankiroa mialoha ny nahaforonana azy… (Bokin’i Môrmôna –

1 Néphi 16.10, 18.12, 21).

 

b)       Ny bokin’i Abrahama

 

Raha tany Kirtland i Smith dia nividy « momies » ( faty voavoatra tsy ho lo) anankiroa sy « papyrus » (karazan-jozoro natao solon-taratasy fanoratana fampiasan’ny egyptiana) anankiray tamina mpivaro-mandeha.  Nadikany ho manana hevitra araka an’Andriamanitra ny lahatsoratra voarakitra tao amin’ny « papyrus » ary nomeny hevitra toy izany koa ireo kisarisary niaraka taminy. Ho hitanao izany manomboka ao amin’ny pejy 36 amin’ny boky « La Perle de grand Prix » Ed 1975.

 

 

Kanefa

 

 

Nanaporofo i Théodore Deveria, avy ao amin’ny trano fitehirizam-bakoka ao louvres, fa tsy misy ifandraisany mihitsy amin’ny  lahatsoratra tao amin’ny papyrus ny dika teny nataon’i Smith. Ny amin’ireo kisarisary kosa dia ny sarin’i Osis sy i Osiris mbamin’ireo andriamanitra anubis no asehony fa tsy misy ifandraisany mihitsy amin’i Abrahama sy i Isaka.

 

FEHINY

 

« Jesoa hafa » tsy mitovy amin’izay fantatsika no asehon’ny Môrmônisma amintsika. « Filazantsara hafa » no entiny amintsika, dia hafa amin’izay efa noraisintsika. Tsy maintsy lavintsika tanteraka izany (ampitahao amin’izay ambaran’ny Baiboly ao amin’ny 2 Kor. 11.4).

 

Milaza amintsika mazava tsara ny Baiboly fa :

 

« Raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana (tena izy) izao, aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory ; fa izay miarahaba azy dia miombona amin’ny ratsy ataony. »

(2 Jao. 10-11)

 

« Fa apôstôly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova

 ny endriny ho tahaka ny Apôstôlin’i Kristy. Ary tsy mahagaga izany fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny Anjelin’ny mazava. Koa  tsy dia zavatra lehibe tsiakory raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon’ny fahamarinana ;

nefa ny farany ho araka ny asany ihany. » (2 Kor. 11.13-15)

 

«  Misy sasany mampitabataba anareo ka ta hamadika ny filazantsaran’i Kristy ; Fa na izahay (ireo apôstôly), na anjely avy any an-danitra aza (tsy avahana amin’izany i Moroni) no mitory filazantsara hafa, afa-tsy izay notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy. » (Gal. 1.7-8)